Toko faha 8

1 Lafa I nizotro bakegny an-tendrom-bohitry ka nisy fokonolo maro nagnaraky azy. 2 Ka io nisy olo boka raiky nagnariniky azy, nandohaliky teo alohany sady nisafa hoe: Tompo, laha mety iha mba afaky magnalio ahy. 3 Namoaky gny tagnany i Jesosy ka nikasiky azy sady nsafa aminy hoe:" Mety zaho, malio iha. ka nalio tamin'gny habokany niaraky tamin'zay I. 4 Ka hoy Jesosy taminy:" Tandremo tsy hisafa ndra amin'ia ndre amin'ia, fa mandehana iha, misehoa amin'gny mpisoro sady magnandesa gny fagnatitryt zay nandrindran'i Mosesy ho vavolombelo amin'ireo. 5 Vatany vo niavy tao Kapernaomy i Jesosy, nisy kapiteny raiky nagnariniky azy 6 nitaray taminy hoe:" Tompo, gny mpanompolahiko mandry an-tragno ao, malemy sady mijaly mare. 7 Hoy Jesosy taminy:" Ho avy agny zaho hagnajanga azy." 8 Hoy koa navalin'gny kapiteny azy:" Tompo tsy mendriky hiliranao an-tragnokoao , fa misafagna avao fa ho janga gny mpanompolahiko. 9 Fa zaho koa mba johary mana gny sefoko avao sady mana miaramila, ka laha hoy zaho amin'gny raiky:" Mandehana, laha mandeha I. laha amin'gny raiky koa:"Avia laha avy I; voho amin'gny mpanompolahiko:" ataovo ty:"laha manao I zay. 10 Vatany nahakasa an'zay Jesosy laha nitseriky sady nisafa hoe:" kasagniko aminareo marina tokoa fa mbo tsy nahita finoa bevata manahaky an'zao teo amin'Israely zaho. 11 Sady volagniko aminareo, fa maro gny hoavy bakagny antignana voho bakagny andrefa ro ho avy hifitaky hiaraky ihina amin'i Abrahama voho Isaka agny amin'gny fanjakany lagnitry. 12 Fa agny anakin'gny fanjaka koa haria agny amin'gny maiky agny, agny ro hisy gny fitomagnia voho gny fikitroha-nify. 13 Sady Jesosy nisafa tamin'gny kapiteny hoe: Mandehana, miavia aminao araky gny ninoanao. Tamin'zay ro nahajanga gny mpanompony. 14 Lafa Jesosy nilitry tao an-tragnon'i Petera, nahita gny rafozambavin'i Petera natory tao, vaon'gny tazo. 15 Nokasihiny gny tagnany marary ka niala tamin'gny tazo, ka niongaky gny ampela voho nanompo azy . 16 Laha sofotry gn'andro, nandesin'olo tagny amn'gny demoniaka maro, ka gny safany avao ro nandroahany gny fagnahy raty, ka gny narary iaby nojangainy iaby. 17 Mba hahatanteraky gny raha nampisafagny an'Isaia mpaminany hoe:" I ro nangalaky gny rofin-tsika voho nandaygny aretin-tsika. 18 Lafa Jesosy, vatany vo nahita gny fokon'olo maro nagnodidy azy, ka nagnome baiko gny handehana ho egny ampita gny omy. 19 Nagnariniky azy gny mpanora-dala raiky ka nivola hoe:" Mpampianatry o, hagnaraky anao zaho, na aia na aia ro handehananao. 20 Kanefa hoy Jesosy :" gny amboaly manan-davaky , gny voro mility mana kizony, fa gny gnanak'olo tsy mana hipetrahan'gny lohany. 21 Sady nisy hafa koa tamin'ireo mpianatry nisafa taminy hoe:" Tompo, engao tse aloha zaho handeha handefa gny Babako." 22 Fa hoy Jesosy taminy hoe:" Magnaraha ahy: sady engao gny maty handevy gny maty ao aminy. 23 Lafa niondra an-daka nagnaraky azy gny mpianany. 24 Ka nisy tsioky mare tegny an-drano ka dobo gny laka kanefa I natory. 25 Nofohazin'ireo mpianany I ka nivola hoe:" Tompo o, vonjeo fa maty zahay! 26 Ka hoy I tamindreo: "ino moa ro mampavozo anareo ry kely finoa? Ka niongaky I sady nivolagniny mare gny tsioky voho gny riaky ka lasa soa gny andro. 27 Hatsrera gn'olo ka nivola hoe: Johary manao akorty lehy toy, fa ndre gny tsioky voho gny riaky aza magnaraky gny safany. 28 Lafa reo niavy tegny ampita amin'gny tanin'gny Gadarenesa, nifanojo taminy gny Demoniaks roa lahy, baka an-dolo sady masiaky ka tsy nisy olo nasaky nandalo tamin'gny lala io. 29 Mitoretoreo sady manao hoe:" Mpifagnino moa zahay voho iha, ry gnanakin-Dragnahary ? Avy ety iha hampijaly anay alohan'gny fotoa? 30 Ka nisy koso maro, gny sasany nihina tegny alavidavitry andreo tegny. 31 Nifona tamin'i Jesosy reo demonia ka nivola hoe:" laha aboakinao zahay , ka alefaso magnagny amin'gny koso reo. 32 Ka hoy I taminy:" Mandhana! lasa reo ka nifindra tamin'gny koso regny, ka lasa vnivezivezy koso regny laha niavy andriaky egny rozy iaby ka maty tagnatin'gny rano tagny. 33 Ka nilay gny mpiamby koso voho nengany an-tana ka nikasa gny raha iaby tamin'ireo demoniaky. 34 Reo iaby gn'olo teo antana nitsena an'i Jesosy, kanefa vatany nahajilo azy reo, laha nifona tamin'i Jesosy mba hialany amin'gny faratiany.