Toko faha 13

1 Tamin' zay andro zay Jesosy nandeha niboaky gny trano voho tegny amorondriaky. 2 Nisy fokonolo maro nivorivory nagnodidy azy, bakeo nilitry tagnaty sambokely I sady nipetraky tao, fa fokonolo nitranga teo antsisin-driaky. 3 Jesosy nivola raha maro tamindreo tamin'ny alalan'ny fagnohara. Hoy I hoe: "Nisy mpamboly raiky nandeha handatsaky vihy. 4 Nisy vihy sasany latraky tegny an-dala ka niavy gny voro nitimoky. 5 Gny vihy sasany koa nilatraky tegny amin'ny vato, zay tsy nahazoan' ireo nofon-tany soa. ka vatany nitiry regny satria tsy laliky gny tany. 6 Fa laha vo niboaky gny masoandro, nimaiky reo satria tsy nisy fakany, sady nalemy. 7 Nilatraky tegny amin' ny fatiky gny vihy sasany. Nitiry reo fatiky voho nangeja andreo. 8 Gny vihy nilatraky tamin'ny tany soa to namihy vihy, gny sasany niavy zato heny, gny sasany enim-polo voho telo-polo." 9 Zay misy sofina, aoka mba hijanjy." 10 Niavy gny mpianatry voho nagnontany an'i Jesosy hoe: "Magnino iha miresaky amin'ny alalan'ny fagnohara amign'ny fokonolo reo?" 11 Namaly Jesosy voho nisafa hoe: "Nareo ro nomea tombony hahay gny raha mivony amign'ny fanjakan'ny lanitry, fa gnandreo tsy nomea an'zay. 12 Satria ndra ia ndra ia ro mana, ho maro koa aza ro homea azy. Fa ndra ia ndra ia ro tsy mana, na zay ananany aza hosintomy aminy koa. 13 Zay ro antony hisafagnako amindreo amign'ny alalan'ny fagnohara: Ndra mijery aza reo, tsy raha mahita; ndra mijanjy koa aza reo, tsy raha maharé na mahazo safa. 14 Amindreo gny faminanian'Isaia ro tanteraky, zay mivola hoe: 'Lafa mijanjy dia haharé, kanefa tsy ho azonareo mihitsy; Lafa mijery nareo mety hahita, fa tsy hahatakatry. 15 Fa nandrary donto gny fon'ny ireto fokonolo, voho tsy mijanjy sady ahilindreo gny masony, mba tsy hahita amign'ny mason-dreo na handre amign'ny sofindreo, na hahazo amign'ny fon-dreo, ka hibebaky ndraiky reo sady hagnanjanga andreo Zaho.' 16 Fa sambatry gny masonareo, satria mahita; voho gny sofinareo, satria maharé. 17 Volagniko aminareo gny marina fa mpaminany voho olo marina marina ro nagniry gny hahita gny raha hitanareo kanefa tsy nahita. Nagniry gny haharé ghy raha niregninareo reo kanefa tsy naharé. 18 Ka mijanjigna gny fagnohara amign'ny mpamboly raiky zay nandatraky vihy. 19 Lafa misy maharé gny safan'ny fanjakana kanefa tsy mahazo an'zay, ka avy gny fagnahy mangalaky zay nailitry tao am-pony. Io gny vihy zay nalatraky tegny amoron-dala. 20 Gny sasany zay nalatraky tegny amin'ny tany maro vato, regny ro olo zay maharé safa sady sady mandramby azy am-pisinisinia, 21 fa tsy mipetraky soa ao agnatiny sady tsy maharitry ela. Lafa avy gny fahoria na fagnenjeha nohon'ny amign'ny safany, ka mahavy azy malaky tafintohina . 22 Gny sasany nalatraky tegny amign'ny fatiky, io gny olo zay maharé gny safa, fa fiahiahian'zao tontolo zao voho gny fitaky gny harea ro nangeja gny safany, ka mandrary tsy mamoa I. 23 Gny nalatraky teo amign'ny tany soa, io gny olo zay maharé safa sady mahazo azy. Mamoa vihinkazo I sady mahavy gny vihiny raiky, hagnome zato heny mihoatry gny nambolea, gny sasany henim-polo, gny sasany avy telo-polo heny." 24 Nanao fagnohara raiky hafa tamindreo koa Jesosy. Hoy I hoe: "Gny fanjakan'ny lanitry, manahaky lehilahy raiky nandatraky vihy soa tao amign'ny tanimboliny. 25 Lafa olo natory igny, niavy gny fahavalony sady nandatraky vihin-tsimparifary tao antanimbary bakeo nandeha. 26 Lafa nitiry reo vary reo, namokatry gny vihiny voho niboaky koa reo gny vihin-tsimparifary. 27 Niavy gny mpanompon'ny tompon-tany ka nisafa taminy hoe: 'Tompoko, tsy nandatraky vihy soa tao ambaibohonao va iha? Nagnino io henaniky mandrary misy vihin-tsimparifary?' 28 Hoy I tamindreo hoe: 'Nisy fahavalo nanao an'zay.' Hoy koa reo mpanompony taminy hoe: 'Tianao va laha hombotanay raha reo?' 29 Gny tompon-tany nisafa hoe: 'Tsia. satria laha hombotanareo tsimparifary reo mety hiombotry miaraky amign'ny fotorany vary reo. 30 Engao hiaraky hitiry reo roa hatragny amign'ny fijinjana. Amin'ny fotoam-pijinjana ro hisafa amin'ny mpijinja aho hoe: "Alao treky aloha gny akata raty bakeo fehezo ho maromaro mba hagnadora azy, voho gny vary koa avorio ao amign'ny ntrano mpisy vokatry. 31 Nanao fagnohara hafa tamindreo koa Jesosy nanao hoe: "Gny fanjakan'ny lanitry manahaky gny voatsinampy zay nalain'ny lehilahy raiky sady nafafiny teo amin'ny sahany. 32 Io vihy io tokoa no vihy kely indrindra amign'ny vihy hafa iabiaby. Fa lafa nitiry reo laha nitiry bevata mihoatry raha nitiry hafa ao ambaibony. Lasa hazo bevata mba hifitahan'ireo voron'ny lanitry sady gny tranon-dreo eo amy reo rantsany." 33 Bakeo Jesosy nanao fagnohara hafa koa. "Gny fanjakan'ny lanitry sahalan'ny lalivay zay nalain'ampela raiky voho nafangaro tamin'ny lafariny intelo famara mandra-piakatry ny koba iabiaby." 34 Fagnohara ro nagnambaran'i Jesosy gny raha iabiaby tamin'ny fokonolo; sady tsy mivola ndra ino ndra ino tamindreo afa-tsy tamin'ny fagnohara I. 35 Zay gny mba hahatanteraky gny raha nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany, manao hoe: "Izaho hiloa-bava amin'ny alalan'ny fagnohara. Hagnambara gny raha navony hatrizay nagnorena an izao tontolo izao Zaho." 36 Bakeo Jesosy nagnenga an'reo fokonolo sady nilitry tao an-tragno. Nagnariniky azy gny mpianatriny sady hisafa hoe: "Azavao aminay gny fagnohara momba gny tsimparifarin'ny Saha." 37 Namaly Jesosy hoe: "Gny nandatraky gny vihy soa to Zanak'olo. 38 Gny Saha ro zao tontolo izao; fa gny vihy soa to zanaky ny fanjakana. Gny tsimparifary dia reo zanaky ny raty sady, 39 gny fahavalo zay nandatraky azy reo ro gny Devoly. Gny fijinjana ro fahataperan'zao tontolo zao sady gny mpijinja reo ro anjely. 40 Noho zay, haoro antany raiky voho doroa amy motso reo tsimparifary reo, sahalan'ny zay gny raha atao amin'ny fiafaran' izao tontolo izao. 41 Hagniraky gny anjelin'gny Gnagnak'Olo sady hoalain-dreo hiala amin' ny fanjakany gny raha iaby mahavy fahota, voho reo zay manao raha raty. 42 Hatorakin-dreo ao amin'ny lafaoro bevata misy motro mirehitry reo, zay hisy gny fitomagnia voho fikitroha-nify. 43 Bakeo hamiratry toa gny masoandro ao amign'ny fanjakan'ny Rain-drozy reo gny olo marina. Zay manan-tsofy aoky I mba hijanjy. 44 Gny fanjakan'ny lanitry mitovy amign'ny haregna mivony agny an-tsaha. Nisy Lehilahy nahita an'zay ka navonony. Nandeha am-pisinisinia I, sady namarotry gny fanagnany iabiaby voho nivanga an'io Saha io. 45 Sady gny fanjakan'ny lanitry manahaky lehilahy mpivarotry mila voahangy lafo vanga. 46 Lafa nahita voahangy raiky zay lafo vanga I, nandeha sady namarotry gny raha iabiaby nananany ka nivily an'zay. 47 Gny fanjakan'ny lanitry koa mitovy amin'ny harato zay atoraky agny anaty ranosira, bakeo mangoro an'ireo karazan-draha manan'aina iabiaby. 48 Lafa hatriky gny harato sintomin-dreo ho eo amoron-driaky. Bakeo mifitaky eo reo sady mangoro zay soa atao agnaty sobika, fa zay tsy ilay ro nariandreo. 49 Hanahaky an'zay gny fiafaran'izao tontolo izao. Ho avy reo gny anjely ka hagnasaraky gny raty fagnahy amin'ireo marina. 50 Hatorakin-dreo ao amign'ny fandoroa bevata sy motro mirehitry reo, zay hisy gny fitomagnia voho fikitroha-nify. 51 Mazava aminareo va raha iabiaby zay?" Hoy gny mpianatriny taminy: "Eka." 52 Bakeo Jesosy nivola tamindreo hoe: "Noho izay gny mpanora-dily iabiaby zay nandrary mpianatry eo amin'ny fanjakan'ny lanitry, manahaky gny lehilahy tompon-trano raiky zay mamoaky gny fa antitry voho gny vaovao ao amin'ny haregnany." 53 Lafa vitan'i Jesosy reo fagnohara reo, bakeo niala taminio tany io I. 54 Bakeo Jesosy nilitry tao amign'ny taniny sady hampiakatry an'ireo fokonolo tao amign'ny synagogan-drozy. Vokatry zay, nitreriky reo sady nivola hoe: "Bakaia nazahoan'ny Lehilahy ity gny fahendreny voho reo raha mahagaga reo? 55 Tsy Lehilahy io va gnazy angakin'ny mpandrafitry igny? Tsy Maria va fikahia gny Reniny? Tsy Jakoba, Josefa, Simona, voho Jodasy va gny rahalahiny? 56 Tsy miaraky amintsika va reo anabaviny ireo? Bakaia ro nahazoany an'ireo raha iabiaby reo?" 57 Tohina nohon'ny amindreo. Fa hoy Jesosy tamindreo hoe: "Tsy misy mpaminany tsy misy hajany laha tsy so amin'ny fireneny voho gny so amign'ny fanjakany." 58 Tsy nanao fahagagana maro tao I nohon'ny tsy finoandreo azy.