Toko faha 12

1 Tamign'izay andro zay i Jesosy nandeha namakivaky gny tanimbary tamign'andro Sabata. Nimosary gny mpianatriny ka nanomboky nioty vary voho nihinareo. 2 Vatany vo hitany Fariseo raha zay, hoy reo tamin 'i Jesosy hoe: "Henteo gny mpianatrinao fa tsy magnaraky gny lalana gn'andro sabata." 3 Fa Jesosy namaly gny safandreo hoe: Mbo tsy novakinareo mihitsy va gny raha nataon'i Davida, tamigny I nimosary, voho gny lehilahy iabiaby niaraky taminy? 4 Nilitry tao antragnon'Andrianagnahary I voho nihina gny mofon'ny fagnatreha, zay tsy araky gny lalana gny nihinanana azy voho reo zay niaraky taminy, kanefa ara-dalana hoan'ny lohan'gny mpisoro raiky avao. 5 Mbo tsy novakinareo va gny lalana, fa amign'ny sabata reo mpisoro ao antempoly dia manota gny Sabata kanefa tsy voan-tsiny? 6 Fe zao gny raha safagniko aminareo, fa eto gny raiky bevata noho gny tempoly. 7 Laha hainareo gny hevitry gny hoe: 'Famindram-po ro iriko fa tsy gny soro,' tsy nagnameloky gny tsy manan-tsiny nareo. 8 Fa gny Gnanak'Olo ro tompon'ny Sabata." 9 Lafa bakeo Jesosy niala tao sady nilitry tao amign'ny synagoga ndreo. 10 Nisy lehilahy zay malemy tagna teo. Nagnontany an'i Jesosy gny Fariseo, nanao hoe: "Ara-dalana va gny fagnanjanga olo amign'ny Sabata?" mba hagnasara-ndreo Azy amign'ny fahota. 11 Hoy Jesosy tamindreo hoe: Olo ia eo aminareo, ia, laha ondry raiky avao ro anagnany, ka laha latraky agnaty lavaky laliky gny ondry amign'andro Sabata, ro tsy hanambotry azy voho hampiakatry azy? 12 Tsy manan-danja mihoatry lavitry, va gny olo noho gny ondry! ka noho izay, ara-dalana gny manao soa amign'andro Sabata." 13 Hoy Jesosy tamign'ny lehilahy hoe: "Ahinjiro gny tagnanao." Ka nahinjiny bakeo nimpoly gny fahasalamany, manahaky gny tagnany ilany. 14 Niboaky gny fariseo reo fa nitetiky gny hamono Azy. Nila hevitry amign'ny fomba hamonoa androzy reo. 15 Lafa i Jesosy nahay an raha zay, niala teo I. Olo maro ro nagnaraky Azy, voho nojangany iaby. 16 Noraragnany reo mba tsy hivola amin'olo hafa, 17 mba hahatanteraky zay fa nambara tamign'ny Isaia mpaminany, manao hoe: 18 " Jereo, gny mpanompoko zay fa nofiliko; ry ilay malalako, zay sitrakin'ny fanahiko mare didiky. Hapetrako ao amign'ny fanahiko, sady hanambara gny fitsarà amign'ny Jentilisa I. 19 Tsy hifamaly na hikiakiaky I; sady tsy hisy olo hare gny feony egny an-dala. 20 Tsy hanapaky gny volotara torotoro I; tsy hamono lahin-jiro magnentsoky, mandra-panaovany gny rariny ho fandresea, 21 sady amign'ny anarany ro hanagnan'ireo jentilisa fanantena." 22 Bakeo nisy olo jamba voho moa, nipetrahan'ny demonia, ka nandesy teo amin'i Jesosy. Nojanganiny reo, ka nahay nisafa gny moa voho nahita koa gny jamba. 23 Tseriky gny fokonolo voho nisafa hoe: "Mety ho lehilahy io va ro anakin'i Davida?" 24 Lafa nahakasa gny raha nahatseriky gny fokonolo koa reo Fariseo, ka hoy reo hoe: "Io lehilahy io tsy raha mamoaky demonia laha tsy amign'ny alalan'i Belzeboba, sefon' ny demonia." 25 Kanefa hain'i Jesosy gny eritreritrin-dreo ka nivolagnany andreo hoe: "Gny fanjaka mialy an-tragno dia tsy haharitry, sady gny tany na trano mialy an-trano koa ho rava. 26 Laha manaboaky satana gny Satana, dia mialy an- trano I zay. Manao akory zany gny hijoroany fanjakany? 27 Laha manaboaky demonia amin'alalan'i Belzeboba zaho, ka amin'gny alalan'ia koa ro androahan'ny anakinareo azy reo? Noho zay antony zay dia ho mpitsaranao reo. 28 Kanefa laha mamoaky an ireo demonia amin'gny alalan'ny Fanahin'Andrianagnahary Zaho, dia fa tokony hoavy aminareo gny fanajakany Andrianagnahary. 29 Amin' ny fomba manao akory ro afahan 'olo militry ao an-tragnon' ny lehilahy fatatry sady mangalaky gny fanagnany laha tsy hofehezy aloha gny lehilahy fatatry? Bakeo amizay mangalaky gny fanagnany ao antragnony. 30 Zay tsy momba Ahy ro manohitsy ahy, sady zay tsy miharo miaraky Amiko ro miparitaky. 31 Noho izay, volagniko aminareo fa ho votora heloky gny olo amign'ny fahota voho gny fisafagna raty iabiaby, fa gny fisafagna raty amin' ny Fanahy Masina ro tsy hahazo famotora-heloky. 32 Na ia na ia ro mikasa manohitry Gnanak'Olo, ka ahazo famotora-heloky I. Fa na ia na ia ro manao safa manohitry gny Fanahy Masina, tsy hahazo famotora-heloky na amin'izao fiaina henaniky zao na amin'ny ho avy. 33 Ataovo soa gny hazo amzay mamoa soa, na ataovo raty gny hazo amzay mamoa raty, fa hay amign'ny vihiny gny hazo. 34 Nareo taranaky ny menarana, satria raty fanahy nareo, manao akory gny afahanareo mivola raha soa? Fa baka amign'ny habegn'ny ao am-po ro ivolagnan'ny vavany. 35 Gny olo soa baka amigny'ny harena soa ao am-pony ka mamokatry zay soa, fa gny olo raty baka amign'ny harena raty ao am-pony ro mamokatry zay raty. 36 Volagniko aminareo fa amy adron'ny fitsara, ho agnotania amign'ny safa tsy voahevitry novolagniny iaby gny olo. 37 Fa gny safanao ro hagnamarina anao voho gny safanao koa ro hagnelofa anareo." 38 Bakeo nisy mpanora-dalàna voho gny Fariseo sasantsasany namaly an'i Jesosy sady nisafa hoe: "Ry mpampianatry, magniry gny ahita famantara baka aminao zahay." 39 Fa namaly i Jesosy sady nisafa hoe: "Misy taranaky raty fagnahy voho gny mpijangajanga mila famantara. Kanefa tsy misy amantara omea azy, afa-tsy gny famantaran' i Jaona mpaminany. 40 Fa manahaky an'i Jonah zay telo andro voho telo matognaly tao agnaty kibon'ny fia bevata, hanahaky an'zay koa gny hipetrahan'ny gny anak'olo telo andro voho telo matognaly ao agnatin'ny tany. 41 Gny olon'i Ninive hiongaky ka ho eo amign'ny fitsara miaraky amign'ity taranaky ity sady hagnameloky anzay. Fa nifona reo tamign'ny torintenin'ny Jona, voho, misy olo bevata noho i Jona eto. 42 Gny mpanjaka Ampela gny atimo ro hiara hiongaky amign'ireo lehilahin'ity taranaky ity amign'andron'ny fitsara voho hagnameloky an'zay. Avy baka agny amign'ny farany gny tany I mba handre gny fahendren' i Solomona, sady misy olo bevata noho Solomona eto. 43 Lafa niala tao amign'ny lehilahy raiky gny fanahy raty, mandalo tamigny tany karakaina I voho mila fitsaharana, kanefa tsy mahita an'zay. 44 Izay ro mivola hoe: 'Himpoly agny amig'ny trano zay nihaviako zaho.' Lafa niavy ka nahita fa voafafa gny trano sady nilamy. 45 Bakeo nandeha zay sady nanday fanahy raty fito niaraky taminy zay raty mihoatry azy, ka nilitry sady nipetraky tao reo iaby. Bakeo niharaty noho gny tamign'ny voalohany gny niafaran'ny zay lehilahy zay. Ka hanahaky an'zay koa gny amign'ity taranaky raty ity." 46 Laha mbo nisafa tamign'ireo fokonolo Jesosy, gny Reniny voho gny rahalahiny nila te-hisafa agnaminy. 47 Nisy olo raiky nivola taminy hoe: "Jereo gny Reninao voho gny rahalahinao mijoro ao amonto fa te-hisafa aminao." 48 Fa namaly Jesosy sady nisafa tamign'olo nisafa azy igny nanao hoe: "Ia ro Reniko sady ia koa ro rahalahiko?" 49 Bakeo nitoliky tamign'ireo mpianatriny I, sady nivola hoe: "Jereo fa indreto gny Reniko voho reo gny rahalahiko! 50 Fa zay manao gny sitrapon'ny Raiko zay agny an-danitry, fa zay olo zay ro rahalahiko voho anabaviko, sady reniko."