Toko faha 10

1 Nikaiky gny mpianany roa ambin'folo lahy Jesosy ka nagnome andreo gny fahefa handroaky fagnahy maloto voho hagnajanga gny arety iaby. 2 Ndreto iaby gny agnaran'gny Apostoly roa amby folo lahy. Gny volaohany, i Simona, zay atao hoe: Petera, i Andrea ralahiny, i Jakoba gnanakin'i Zebedio, i Jaona rahalahiny, 3 i Filipo voho i Bartolomeo, i Tomasy voho i Matio mpamory hetra, i Jakoba gnanaky i Alfeo, 4 Tadeo, i Simona kananena voho i Jodasy iskariota, gny raiky mamadiky azy. 5 Nirahin'i Jesosy reo voho nahafarany hoe: ka mandalo amin'gny lalan'gny Jentilisa sady ka militry amin'gny tanin'gny samaritana. 6 Fa aleo mandeha magnagny amin'gny ondry tsobo amin'gny taranakin'i Israely. 7 Lafa mandea nareo, mitoria hoe: fa marikitry gny fanjakan'gy lagnitry. 8 Jangao gny marary, velomo gny maty, diovo gny boka, roaho gny demonia, fa mahazo tsy misy takalony nareo ka magnomeza tsy misy takalony koa. 9 Ka mila volamena n, volafoty na varana, ho ao agnatin'ny fehikibonareo 10 na kitapon-batsy ho agny amin'zay handehananareo, ndra akanjo roa ndra kapa na tehy, fa gny mpiasa tokony hahazo zay ilainy. 11 Amin'zay tany na vohitry hiliranareo, ataovo hay gny olo tokony hipetraha ao mandram-pialanareo. 12 Lafa nareo antragno, manao nahoa amin'gnolo ao , 13 ka laha olo soa gny olo ao antragno, mba ho ao amin'gny fiadagna tononinaeo, fa laha tsy olo soa koa i, mba himpoly aminareo gny fiadagna voatognonareo. 14 Hoan'zay tsy mampilitry anareo tsy mijanjy gny safanareo, miala amin'zay tragno na tana ze ahitanao gny vovoky amin'gny tombokinareo. 15 Safagniko marina aminareo tokoa fa ho moramoara gny ho amin'gny tany sodoma voho gomora amin'gny andro fitsara noho gny ho amin'zay tana zay. 16 Magniraky anareo zaho manahaky gny ondry eo agnivon'amboa ly, ka maihira manahaky gny bibilava voho gny voromailala. 17 Sady mitandrema nareo gny amin'gnolo, fa ho hatorony ho amin'gny sinedriona voho havangoiny ao amin'gny synagoga nareo. 18 Handesiny ho eo agnatrehany mpanapaky voho nareo noho gny baka amiko, ho vavolombelo aminy voho amin'gny jentilisa. 19 Lafa magnatoro anareo I, ka mazovo gny amin'zay fomba hisafagnanareo, ndra gny amin'zay raha hovolagninareo. 20 Fa tsy nareo ro misafa fa gny babanareo ro misafa ao agnatinareo. 21 Gny rahalahy hanolotry gny rahalahiny ho maty, voho gny baba hanolotry gnanakiny ka gny gnanaky ro hiongaky hanohitry gny Ray amana-dreniny ka hahafaty azy. 22 Tsy ho tian'olo iaby nareo noho gny agnarandreo, fa zay mahaligny zisiky amin'gny farany ro hovonjea. 23 Laha nareo ro enjehin'olo amin'gny tana raiky, mandosira ho amin'gny tana hafa, fa volagniko aminareo marina tokoa, tsy hadomo gny tanin'Israely mandram-piavianignolo. 24 Gny mpianatry tsy tokony hihoatry noho gny mpampianatry na gny mpanompo noho gny tompony. 25 Fa ampy gny mpianatry laha mahavy mpanompo laha mahavy manahaky gny mpanompony. Laha gny tompon-tragno ro nivolagny hoe Belzeboba, tsy vomaiky va gny longony? 26 ka amin'zay ka mavozo azy nareo ka tsy misy havony zay tsy hiseho, na takognany zay tsy ho hay. 27 Zay safagniko aminareo ao amin'gny mahiky, ambarao eo amin'gny mazava voho zay ren'gny sofinareo, torio egny anampon-tragno. 28 Ka mavozo amin'gny raha mamono gny vata kanefa tsy mahafaty gny fagnahy, fa aleo mavozo zay mahay mahavery gny fagnahy voho gny vata agny amin'gny afobe. 29 Tsy asariona raiky avao va gny vangan'gny tsintsy roa? nefa tsy misy ndra raiky amin'iregny aza ho latraky amin'gny tany, laha tsy babanareo manenga azy. 30 Fa ndra gny volondoha nareo aza voasiaky iaby. 31 Ka mavozo fa mihoatry gny tsintsina maro nareo 32 Na ia na ia gny olo hanaiky ahy eo agnatrehan'olo fa ho hekeko koa I eo agnatrehan'gny babako zay agny an-dagnitry. 33 Fa ia na ia handa ahy eo agnatrehan'olo fa hovolagniko koa I eo agnatrehan'gny babako zay agny an-dagnitry. 34 Ka ataonareo hoavy handay fiadagna ety an-tany zaho, tsy avy handay fiadagna zaho fa fibara. 35 Fa niavy zaho hampifandrafy olo amin'gny babany, agny anak'ampelany amin'gy neniny voho gny vinantovaviny amin'gny rafozam-baviny. 36 Sady gny longony avao ro ho fahavalony 37 Zay tia gny babany na Reniny mihoatry gny fitiavany ahy, tsy mpianatriko mihintsy koa gnzay tia gnanaky lahy na gny anak'ampela mihoatry noho fitiavany, tsy ho mpianatriko mihintsy. 38 Zay tsy manday gny hazo fijaliany ka tsy magnaraky ahy tsy ho mpianatriko mihintsy. 39 Zay mamonjy gnainy amiko ro hahavonjy azy. 40 Zay nandramby anareo ro mandramby ahy, voho zay mandramby ahy koa ro mandramby an'izay nagnirako ahy. 41 Izay mandramby mpaminany, satria mpaminanay I, ro handramby gny valim-pitian'gny mpaminany voho mandramby olo marina, satria olo marina I, ka handramby gny valim-pitian'olo marina. 42 Ia na ia ro magnome rano manintsy ndra hatriky gny kaoky aza hanomin'gny raiky amin'ireo mandiniky ireo satria mpianatry I, volagniko aminareo marina tokoa fa tsy ho tsobo gny valim-pitiany.