Toko 1

1 Gny bokin-drazan'i Jesosy Kristy gnanak'i Davida voho Abrahama. 2 Abrahama ro baban'Isaka, voho Isaka ro baban'i Jakoba, sady Jakoba ro baban'i Joda sy rahalahiny. 3 Joda ro baban'i Fareza sy Zara bakamin'gny Tamara, Fareza ro baban'i Herzona, voho Herzona ro baban'i Rama. 4 Rama ro baban'i Aminadaba, ka Aminadaba ro baban'i Nasona, sady Nasona ro baban'i Saloma. Saloma ro baban'i Boaza tamin'gny Rahaba, 5 Boaza ro baban'i Obeda tamin'gny Rota, Obeda ro baban'i Jese. 6 Ka Jese ro baban'i Davida mpanjaka, Davida ro baban'i Solomona tamin'gny alala gny vadin'gny Oria. 7 Solomona ro baban'i Rehoboama, Rehoboama ro baban'Abia, ka Abia ro baban'i Asa. 8 Asa ro baban'i Jaosafata, kaJaosafata ro baban'i Jorama, ka Jorama ro baban'i Ozia. 9 Ozia ro baban'i Jotama, Jotama ro baban'i Ahaza, Ahaza ro baban'i Hezekia. 10 Hezekia ro baban'i Manase, Manase ro baban'i Amona, ka Amona ro baban'i Josia. 11 Josia ro razan'i Jekonia voho reo rahalahiny tamin'gny fotoa fandroaha ho agny Babylona. 12 Tafara gny fandroaha ho agny babylona, Jekonia ro baban'i Sealtiela, ka Sealtiela ro razan'i Zerobabela. 13 Zerobabela ro baban'i Abihoda, Abihoda ro baban'i Eliakima, ka Eliakima ro baban'i Azora. 14 Azora ro baban'i Zadoka, Zadoka ro baban'i Akima, ka Akima ro baban'i Elihoda. 15 Elihoda ro baban'i Eliazara, Eliazara ro baban'i Matana, ka Matana ro baban'i Jakoba. 16 Jakoba ro baban'i Josefa valin'i Maria, raiky niteraky an'i Jesosy, nikinaiky hoe Kristy. 17 Gny taranaky iaby manomboky amin'i Abrahama ka domo amin'i Davida taranaky efatry ambin'gny folo, manomboky amin'i Davida ka domo amin'gny fandroaha ho agny Babylona ro taranaky efatry ambin'gny folo, ka manomboky amin'gny fandroaha ho agny Babylona ka domo amin'gny Kristy ro taranaky efatry ambin'gny folo. 18 Manahaky an'izao ro nitranga gny fahaterahan'i Jesosy Kristy. Neniny, Maria, ro fa natoka hanambaly an'i Josefa, fe taloha gny niarahan-dreo, ro hita fa nitoe-jaza i bakamin'gny Fagnahy Masy. 19 Josefa, valiny, lehilahy marina, ro dasy tsy ta-hangala baraka azy ankavoria. ka nanapa-kevitry I gny hamara mangiky gny fifanekea taminy. 20 Laha I ro mbo nieritreritry mahakasiky gny raha reo, ka niseho taminy gny nofy gny anjelin'i Tompo, manao hoe: " Josefa, gnanaky lahin'i Davida, ka matahotry gny hangala an'i Maria ho valinao, fotony gny raiky notorotoroy ao agnatiny ro gny Fagnahy Masy ro nampitoetry azy. 21 Hiteraky zaza lahy I, ka iha ro hikaiky gny agnarany hoe jesosy, fa I ro hamonjy gny olo hiala amin'gny fahotan-dreo." 22 Raha iaby zay ro nitranga mba hahatanteraky gny nambaran'i Tompo tamin'gny alala gny mpaminany, manao hoe:" 23 Ingo, gny virijiny hitoe-jaza ka hiteraky zazalahy, ka reo ro hikaiky gny agnarany hoe Imanoela" midika hoe:" Amintsika Andrianagnahary." 24 Nifoha tamin'gny torimasony Josefa ka nanao araky nandidia gny anjelin'gny Tompo azy ka nangala ho valiny. 25 Fe tsy niharo taminy I paraky niterahany zazalahy. Ka kinaiky hoe Jesosy gny agnarany.