Toko faha 2

1 Efatry ambign'ny folo tao, tafara tatoy niakatry ta Jerosalema ndraiky aho niaraky tamign'i Barnabasy, ninday an'i Titosy niaraky tamiko. 2 Niakatry tagny noho gny fagnambara raiky aho ka nametraky tamin-dreo gny filazantsara ze toriako amign'ny jentilisa reo. Niresaky mitoka tamign'azy nihevery ho manan-danja aho, mba hahazoa antoky fa tsy nihazakazaky na fa nihazakazaky, very maiky aho. 3 Fa ndre Titosy aza, ze niaraky tagnamiko ro sady Grika, noterea ho foray. 4 Nilitry mangingina reo rahalahy sandoky mba hitsikiroky gny fahafaha agnananay amign'i Kristy Jesosy. Nagniry gny hanandevo anay reo, 5 tsy nahefa gny hagneky an dreo ndra fotoa kely aza zahay, mba hitoeragn'ny fahamarignan'ny filazantsara aminareo. 6 Fa reo ze nihevery ho manan-danja (ndra ino ndra ino reo de tsy mampagnino ahy, Zagnahary tsy miangatry) ambarako, reo, ze hevery ho manan-danja, tsy nanampy ndre ino ndre ino tamiko. 7 Mifagnohitry amign'izay, hitan-dreo fa nananky gny filazantsara ho an'ireo ze tsy voafora aho, manahaky gny nanankina an'i Petera gny filazantsara ho an'ireo ze voafora. 8 Fa Zagnahary, ze niasa tao amign'i Petera ho amign'ny maha apostoly ho anireo voafora, niasa tamiko koa ho agn'ny jentilisa. 9 I Jakoba, Kefasy ndreko Jaona, ze hay fa agnisan'ireo nanory gny fiangona, lafa nahalala gny fahasoava ze namea ahy, de nagnome gny tagnan-kavanana gny fiombona ho ahy sy Barabasy reo. Nataon-dreo zay mba hahafahan'izy reo mandeha amign'ireo voafora. 10 Nangataky avao reo mba hahatiaro gny mahantra zahay, ze raha tena tiako ho natao vatany. 11 Fa lafa niavy t' Antioky Kefasy, nanohitry azy tamy tarehiny aho satria voalaza fa diso i. 12 Talohagn'ny niaviany lelahy sasany reo baka amign'i Jakoba agny, tan-pihinana niaraky tamign'ireo jentilisa i Kefasy.Fa lafa niavy lelahy reo, de nijano i ka niala lavitry gny jentilisa. Navozo gnazy nitaky famora reo i. 13 Gny sisa tamin'gny Jiosy reo koa ro niray tamin'gny fiatsaram-belatsy zao. Ndre i Barnabasy aza nibiho lala niaraky tamindreo tamin'gny fiatsaram-belatsy ndreo. 14 Fa lafa nihitako fa tsy magnaraky gny fahamarignan'ny filazantsara gny fitondran-tena ndreo, nivola tamign'i Kefasy talohan-dreo iaby teo aho hoe: "Laha Jiosy anao kanefa miaigna manahaky gny jentilisa fa tsy tahaky gny Jiosy, manao akory ro hahafahanao magnery gny jentilisa hiay manahaky gny Jiosy?" 15 Tsika ro Jiosy tamigny alalan'ny fahateraha fa tsy mpanota jentilisa; 16 haintsika nefa fa tsy misy olo hamarignin'ny lily fa amin'gny alalan'ny finoa an'i Kristy Jesosy. Tsika avao koa de avy tamign'ny finoa an'i Kristy fa tsy amign'asan'ny lily. Tsy hisy nofo ho hamarigny amy gny asan'ny lily. 17 Laha oatry ka, mila ho hamarigny amign'i Kristy tsika, tsika avao koa, de hita fa mpanota, moa mampirisiky gny fahota va i Kristy? Tsia gny valiny! 18 Fa laha mananga draiky gny raha fa niravako aho, de magnam-porofo naiko ho mpandika lily aho. 19 Fa tamign'ny lily ro nahafatesako amign'ny lily, mba ho velo ho agn'i Zagnahary zaho. 20 Nofantsihy niaraky tamign'i Kristy aho. Tsy zaho koa ro velo, fa Kristy ro velo agnatiko ato. Gny fiaina hiaignako amign'ny nofo anany zao ro hiaignako amign'ny finoa gny gnanaky Ndragnahary, ze tia ahy ka magnolotry gnainy ho ahy. 21 Tsy magniliky gny fahasoavan-Ndragnahary aho, fa laha azo amign'ny lala gny fahamarina, de tsy misy dikany gny nahafatesagn'i Kristy!