Toko 1

1 Nivoria tamin'i Mosesy teo amin'ny tragno lay fihôgnana tagne an-tany efitr'i Sinay i Yaveh. Nipoitre ijany tamin'ny andro vôlohane tamin'ny volagna faharoe nandritra ny taogna faharoe tafaran'ny nivoahan'ny fokon'olon'Israely laha tagne amin'ny tany Egypta. Hoy Yaveh: 2 "Mitarita fagnisam-pokon'olo amin'ny lelahin'Israely abiaby isan-tokone, ao amin'ny havan'iaban-dreo. Isay amin'ny agnarane areo. Isay ny lelahy abiaby, ny lelahy kiraidraike aby 3 ijay rôpolo taogna na mihôtre. Isay aby ireo ijay afaka miady ho miaramila hôn'Israely. Ôka hiriketinao sy Arona an-tsoratre ny isan'ny lelahy amin'ny vondron-dreo mitam-pediana. 4 Lelahy raike laha tamin'ny foko kiraidraike aby, lohan'antoko raike, no ôka hanompo miaraka aminao ho mpitari-pokone. Ny mpitarika kiraidraike aby die tsy mentsy mitarika ny lelahy ijay hiady hôn'ny fokone. 5 Ito ny agnaran'ny mpitarike ijay tsy mentsy miady miaraka aminao: Laha tamin'ny fokon'i Robena, Elizora, janak'i Sedeora; 6 laha tamin'ny fokon'i Simeona, Selomiela janak'i Zorisaday; 7 laha tamin'ny fokon'i Joda, Nasona janak'i Aminadaba; 8 laha tamin'ny fokon'i Isakara, Natanela janak'i Zoara; 9 laha tamin'ny fokon'i Zebolona, Eliaba janak'i Helona; 10 laha tamin'ny fokon'i Efraima janak'i Josefa, Elisama janak'i Ahimoda; laha tamin'ny fokon'i Manase, Gamaliela janak'i Pedazora; 11 laha tamin'ny fokon'i Benjamina,Abidana janak'i Gideony; 12 laha tamin'ny fokon'i Dana, Ahiezera janak'i Amisady; 13 laha tamin'ny fokon'i Asera, Fagiela janak'i Okrana; 14 laha tamin'ny fokon'i Gada, Eliasafa janak'i Doela; 15 laha tamin'ny fokon'i Naftaly, Ahira janak'i Enana." 16 Ireo ny lelahy vôtondro teo amin'ny olo. Nitarika ny fokon'ny rajambene areo. Areo ny mpitarika ny antoko tao Israely. 17 Nalain'i Mosesy sy Arona ireo lelahy ireo, ijay niriketine an-tsoratra araka ny agnarana, 18 ka niaraka tamin'ireo lelahy ireo die navorin-dreo ny lelahy abiaby tamin'Israely tamin'ny andro vôlohan'ny volagna faharoe. Ka ny lelahy rôpolo taogna na mihôtre kiraidraike aby die namantatra ny rajambene. Tsy mentsy nagnome agnarana ny antoko sy havana taranaka aby amin'ny rajambene ijy. 19 Die niriketin'i Mosesy an-tsoratre ny isan-dreo tagne an-tany efitr'i Sinay, araka ny nandidian'i Yaveh hamboarine. 20 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'i Israely, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 21 Niisa 46.500 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Robena. 22 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Simeona, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 23 Niisa 59.300 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Simeona. 24 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Gada, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 25 Niisa 45.650 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Gada. 26 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Joda, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 27 Niisa 74.600 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Joda. 28 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Isakara,laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 29 Niisa 54.400 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Isakara. 30 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Zebolona, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 31 Niisa 57.400 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Zebolona. 32 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Efraima, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny fianakaviam-ben'ny rajambene sy ny havan-dreo. 33 Niisa 40.500 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Efraima. 34 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Manase, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 35 Niisa 32.200 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Manase. 36 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Benjamina, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 37 Niisa 35.400 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Benjamina. 38 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Dana, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 39 Niisa 62.700 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Dana. 40 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Asera, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 41 Niisa 41.500 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Asera. 42 Nisaina ny agnaran'ny lelahy abiaby ijay rôpolo taogna na mihôtre afaka mienga an'ady laha tamin'ny taranak'i Naftaly, laha tamin'ny fireketana an-tsoratre ny antokon'ny rajambene sy ny havan-dreo. 43 Niisa 53.400 lahy areo laha tamin'ny fokon'i Naftaly. 44 Niara-nagnisa ireo lelahy abiaby ireo, niaraka tamin'ny lelahy roe ambin'ny folo ijay nitarika ny foko roe ambin'ny folon'Israely i Mosesy sy Arona. 45 Ka ny lelahin'Israely rôpolo taogna na mihôtre abiaby, ny abiaby afaka miady agne an'ady, die nisaina kiraidraike tamin'ny havan-dreo. 46 Niisa 603.550 lahy areo. 47 Fa tsy nisaina ny lelahy ijay taranak'i Levy, 48 satria nivoria tamin'i Mosesy i Yaveh hoe: 49 "Tsy mahajo magnisa ny fokon'i Levy anao na mampiditra an'aje amin'ny tamba-ben'ny fokon'olon'Israely. 50 Fa koja, tondroy i Levita hitandrigna ny tabernakelin'ny didim-pagnikena, sy hikarakara ny fanaka abiaby ao amin'ny tabernakely sy ny raha abiaby ao amin'ijay. Ôka hilanja ny tabernakely ny Levita, ka ôka hitondra ny fanaky ny tabernakely areo. Ôka hikarakara ny tabernakely sy hitoby magnodidigna an'ijay areo. 51 Laha mila afindra hômin'ny toeran-kafa ny tabernakely, die ôka hangala an'ijay ny Levita. Laha tokone hatoboke ny tabernakely, die ôka hametraka an'ijay ny Levita. Ijay olon-kafa magnariny ny tabernakely die tsy mentsy ho faty. 52 Laha nametraka ny lainy ny fokon'olon'Israely, die ôka hagnano an'ijay eo akekin'ny faneva ijay an'ny vondrogn'ny mitam-pediana ny lelahy kiraidraike aby. 53 Na ijany aja, ôka hametraka ny lainy magnodidigna ny tabernakelin'ny didim-pagnikena ny Levita mba tsy ho avy amin'ny fokon'olon'Israely ny havignirako. Ôka tsy hikarakara ny tabernakelin'ny lalàn'ny fagnikem-pihavagnana ny Levita." 54 Nambôtre an'ijay raha abiaby ijay ny fokon'olon'Israely. Namboarin-dreo ijay abiaby nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy.