Toko 1

1 Joda, mpanompon'i Jesôsy Kristy raike, rahalahin'i Jakoba, ho an-dreo ijay angehana hoe malala ao amin'Andriamanitra ilay Ray, sy vôtahiry ho an'i Jesôsy Kristy: 2 Hampitomboina ho aminareo anie ny famindram-po sy ny fiadagnana ary ny fitiavana. 3 Ry malala, laha igny nagnano ny ejake abiaby hanoratre ho anareo ny mahakasike ny famonjena hiombonantsena igny iaho, die nanoratre ho anareo iaho mba hanosika anareo hiady mafy ho an'ilay finôna ijay efa natolotre indraika mandy ho an'ireo mpino. 4 Fa ho an'ny olo saragny nisisike antsokosoko eo aminareo. Ireo die olo vômarike ho an'ny fagnamelohana. Ireo die olo ratsy fagnahy ijay manevateva ny fahasoavan'Andriamanitra ho agny amin'ny fijejojejoana, ary die manda ny Andriana sy Tompo tokantsena Jesôsy Kristy. 5 Ankehitriny iaho die te hampahatsiaro anareo_na die efa fantatrareo tanterake ary ijany_fa ny Tompo die nagnavotre ny olo avy tao amin'ny tany Egypta, fa tafaran'ijany die naringagna ijay abiaby tsy nino. 6 Ary ireo anjely ijay tsy mitagna ny fahefana ijay napetrake tamin-dreo, fa ijay nandao ny fonegnan-dreo_Andriamanitra die namatotra an-dreo tamin'ny fatorana mandrakijay, ao amin'ny maijin-kitroke tanterake, ho amin'ny andron'ny fitsarana lehibe. 7 Hôtran'ijany Sodôma sy Gômôra sy ireo tanàna magnodidigna an-dreo, ijay nanolotre ny tegnan-dreo ho amin'ny fijangajangana sy ny fanaovana filana tsy ara-boajanahary. Die natao ohatre amin'ireo ijay mijaly amin'ny fagnasajiana agny amin'ny afo mandrakijay areo. 8 Kanefa hôtran'ijany mandy, ireo mpagnofignofy ireo die mandoto mandy koa ny vatan-dreo, ary mijaka raha ratsy manohitre ireo manam-boninahitra. 9 Fa na die Mikaela arikanjely aja, laha niady tamin'ny devoly sy nifanditre tamin'ajy ny amin'ny fatin'i Mosesy, die tsy sahy nijaka ratsy hagnameloke an'ajy. Fa hoy koja ijy:'' Hagnanatre anao anie ny Tompo!'' 10 Fa ireo olo ireo die mijaka ratsy ny raha abiaby tsy fantane_hôtran'ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaigna_ijany no manimba an-dreo. 11 Loja ho an-dreo! Fa laha nandeha tao amin'ny tanànan'i Kaina areo, ary nagnaraka ny fahadisoan'ny Balama hahajoana tamby. Die ringagna tao amin'ny fikomian'i Kora areo. 12 Ireo olo ireo ijay harambato mivony ao amin'ny sakafom-pitiavanareo. Mihinagna am-pahamegnarana, mamoky ny tegnan-dreo mandy. Areo die rahogna tsy misy rano, indôsin'ny rivotre. Hajo fararano tsy misy voany_Indro mate, niala vahane. 13 Areo die onjan-dranomasina mahery, mitopatopa mamorivory ny fahamegnaran-dreo. Kintagna mirenireny areo, ka vôtahiry ho an'ajy mandrakijay ny fahamentisan'ny menjigna. 14 Ary Enoka, ilay fahafiton'i Adama, die efa naminany momba ireo, nijaka hoe:'' Indro! Ho avy ny Tompo miaraka amin'ireo masignany amagn'alignalina. 15 Ho avy Ijy mba hagnatanterake ny fitsarana ny olo ratsy fagnahy abiaby tamin'ny asa vitany tamin'ny haratsiam-pagnahiny, ary ireo jaka mahare abiaby ijay nojakain'ny olo ratsy fagnahy hanohitre an'ajy.'' 16 Ireo die mpimonomonogna, sy mpimenomenogna, ijay magnarake ny filandratsin-dreo. Areo die mpieboebo tegnany, ijay, nohon'ny tombotsoan-dreo manokagna, die mandoka ny hafa. 17 Fa anareo, ry malala, tsarovy ireo jaka nojakain'ireo apostolin'ny Jesôsy Kristy Tompontsena fahaela. 18 Hoy areo taminareo:'' Fa amin'ny andro farany die hisy mpaniratsira ijay nagnaraka ny filan'ny haratsiam-pagnahiny.''.Ireo 19 olo ireo die mitarika fisarahana. Areo die olo araka ny nofo, ary tsy ma nagna Fanahy. 20 Fa anareo, ry malala, mioregna tsara eo amin'ny finônareo masina indrindra, ary mivavaha amin'ny Fanahy Masina. 21 Mitoera anareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ary andraso ny famindram-pon'i Jesôsy Kristy Tompontsena ijay mitondra anao ho amin'ny fiainana mandrakijay. 22 Mamidrà fo amin'ireo ijay misalasala. 23 Vonjeo ary sariho hiala amin'ny afo ny olo saragny. Ary ny saragny indraike amindrao fo amin-tahotra. Mankahalà na die hatramin'ny akanjo nolotoin'ny nofo aja. 24 Ary ho an'ijay miaro anareo mba tsy ho tafintohigna, ary hahatonga anao hijoro eo agnatrehan'ny voninahine, tsy misy tsigny ary am-pifaliana lehibe, 25 amin'Andriamanitra tokagna Mpamonjintsena tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsena anie, ny voninahitre, ny fahalehibiazana, Ny fahefana, ny hery, talohan'ny fotôgna abiaby, ankehitriny, ary mandrakijay. Amena.