32
Avy eo Jesôsy namaly an' andreo hoe:" Jakaiko aminareo marina, die marina tokôtre, fa tsy Mosesy no nagnome anareo ny mofo avy agny an-dagnitre, fa ny Raiko no magnome anareo ny tena mofo avy any an-dagnitre.
33
Satria ny mofon'Andriamanitra die ilay mijotso avy agny an-danitre ka magnome fiaignana ho an'ijao tontolo ijao."
34
Ka hoe areo tamin'Aje hoe:" Tompoko, omeo anay mandrakariva ijane mofo ijane."