Toko 1

1 Tafaran'ny nahafatesan'i Josoa, nagnotany an'i Yaveh ny vahôkan'Israely, nagnano hoe: ''Ija no hanafika vôlohany ireo Kananita ho anay, mba hiady amin-dreo?" 2 Die hoy Yaveh : ''Hanafike i Joda. Io, efa nomeko an-dreo ny fifehejana an'itoy tany itoy." 3 Ireo lelahin'i Joda nijaka tamin'ireo lelahin'i Simeona, rahalahin-dreo hoe: "Miakara miakara aminay agny amin'ny faritaninay ijay vôtendry ho anay fa miarake no afake miady amin'ireo Kananita. Handeha hiarake aminareo hôtran'ijany agny amin'ny faritany ijay vôtendry ho anareo ahay. Ka nagnarake an-dreo ny fokon'i Simeona. 4 anafike ny lelahin'i Joda, ary nomen'i Yaveh an-dreo ny fandresena an'ireo Kananita sy ireo Perezita namono lelahy iray aligna tamin-dreo tagny Bezeka areo. 5 Nahita an'i Adonia Bezeka tagny Bezeka areo, ary niady tamin-dreo ka nandresy ireo Kananita sy ireo Perezita 6 a nitsôke i Adonia Bezeka, ary nanjahan-dreo ijy ka tratrany, ary notapahin-dreo ny ankiben-tagnany sy ny ankihiben-kongony. 7 Die hoy i Adonia Bezeka: ''Mpanjaka fitopolo, ijay tapake ny ankiben-tagnany sy ankiben-kongon-dreo, no nagnangogna ny hanin-dreo tao ambany latabatro. Hotran'ijay efa namboariko, die hôtran'ijay mandy koa no nataon'Andriamanitra tamin'ahy. '' Nindôsin-dreo tagny Jerosalema ijy, ary maty tagny. 8 Niady tamin'ny tanànan'i Jerosalema ireo lelahin'i Joda ary nangala an'ijany. Nanafike an'ijany tamin'ny lelan-tsabatre areo ary nagnoro ny tanàna. Tafaran'ijany, nijotso hiady amin'ireo 9 Kananita ijay nitoetre tagny amin'ny tany agnambo, tagny Negeva, sy tagny andrefan'ny tety mitandavagna ireo lelahin'i Joda. 10 Nandroso nanohitre ireo Kananita ijay nidoboke tagny Hebrona i Joda (ny agnaran'i Hebrona teo aloha die i Kiriata Arba), ary nandresy an'i Sesay, Ahimana ary Talmay areo. 11 Avy tegne no nandroso nanohitre ireo mponign'ny Debira ireo lelahin'i Joda(ny agnaran'i Debira teo aloha die i Kiriaty Sefera). 12 Hoy i Kaleba: ''N'ija n'ija manafike an'i Kiriaty Sefera ary mangala an'ijany die homeko an'ajy i Aska, janako vavy mba ho vadiny. '' 13 Otniela janake lahin'i Kenaza(zandry lahin'i Kaleba) nanambotre an'i Debira, ka die nomen'i Kaleba an'ajy i Aksa, janagny vavy, mba ho vadiny. 14 Tsy ela die tonga tagny amin'i Otniela i Aksa, ary nandrisike an'ajy hangatake amin'ny abany mba hagnome harenagna raike ho an'ajy ijy. Laha niala tamin'ny ampondrany ijy die nagnontany an'ajy i Kaleba hoe: Ino no ajoko atao anao?'' 15 Ary hoy ijy tamin'ajy: ''omeo tso-drano iaho. Satria efa nomenao an'ahy ny tany Negeva, die omeo loharano mandy koa iaho. '' Ka die nomen'i Kaleba an'ajy ny loharano ambony sy ny loharano ambany. 16 Ny taranaky ny rafojan-dahin'i Mosesy ilay Kenita die niakatre avy tagny amin'ny Tanànan-drofia niarake tamin'ny vahôkan'i Joda marivon'Arda. 17 Ny lelahin'i Joda nandeha niarake tamin'ireo lelahin'i Simeona rahalahin-dreo ary nanafike ireo Kananita ijay nonigna tagny Zefata areo ary noravan-dreo tanterake ijany. Ny agnaran-ilay tanàna die nangehana hoe Horma. 18 Nosamborin'ny vahôkan'i Joda mandy koa i Gaza sy ireo tany magnodidigna an'azy, Askelona sy ny tany magnodidigna an'ajy, ary Ekrona sy ny tany magnodidigna an'ajy. 19 Niarake tamin'ireo vahôkan'i Joda i Yaveh ary nangala ny tany ambon-dreo nefa tsy nandrôke ireo mponign'ny tany lemake nohon'ny fanagnan'dreo Kalesy vy. 20 mena an'i Kaleba i Hebrona(arake ny efa nojakain'ni Mosesy), ary noroahiny tao ireo janake telo ,lahin'i Anaka. 21 Nefa tsy nandrôke ireo Jebosita ijay mponign'i Jerosalema ny vahôkan'i Benjamina. Ka die nonigna niarake tamin'ny vahôkan'i Benjamina tao Jerosalema ireo Jebosita, mandrak'androany. 22 Ny ankohonan'i Josefa die niomagna hanafike an'i Betela, ary nomba an-dreo i Yaveh. 23 Nagnirake lelahy hitsikilo an'i Betela areo( ilay tanàna ijay nangehana hoe Lozy teo aloha). 24 Nahita lelahy nivôke ny tanàna ireo mpitsikilo, die hoy areo tamin'ajy: ''Mba haboahy anay rô, ny fomba hidirana ao amin'ny tanàna, die ho tsara fagnahy aminareo ahay.'' 25 e nabôkany an-dreo ny lalagna menga ao amin'ny tanàna, ka die nanafike ny tanàna tamin'ny lelan-tsabatre areo, nefa navelan-dreo nenga ilay lelahy sy ny fianakaviany. 26 Avy eo die nenga agny amin'ny tanin'ireo Hetita ilay lelahy ka nanorigna tanàna ary nangehany hoe Lojy ijany, ijay agnarany mandrak'androany. 27 Tsy noroahin-dreo vahôkan'ny Manase ireo vahôke nitoetre tagny amin'ny tanàn'i Beta Sana sy ireo jana-bohiny, na Tanasa sy ireo ijay nonigna tagny Dora sy ireo jana-bohiny, na ireo ijay nonigna tao Ibleama sy ireo jana-bohiny, na ireo ijay nonigna tagny Megido sy ireo jana-bohiny, satria efa tapa-kevitre ny hitoetre amin'ijany tany ijany ireo Kananita. 28 Laha lasa natanjake i Israely; die noteren-dreo hanompo an-dreo tamin'ny asa mafy ireo Kananita, nefa tsy mbola nandrôke an-dreo tanterake areo. 29 Tsy noroahin'i Efraima ireo Kananita ijay nonigna tagny Gezera teo amin-dreo fehijay ireo Kananita. 30 Tsy noroahin'i Zebolona ny vahôka nidoboke tagny Nahalola, ary die nitoetre teo amin-dreo fehijay ireo Kananita, nefa noteren'i Zebolona hanompo an-dreo tamin'ny asa mafy ireo Kananita. 31 Tsy noroahin'i Asera ny vahôke nitoetre tagny Ako,na ny vahôka nitoetre tagny Sidona,na ireo ijay nitoetre tagny Alaba, Akziba,Helba, Alfika, na Rehoba. 32 Ka die nitoetre teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Asera (ireo ijay efa nitoetre tao amin'ilany tany), satria tsy nandrôke an-dreo areo. 33 tsy noroahin'i fokon'i Naftaly ireo ijay nitoetre tagny Beta Semesa, na ireo ijay nitoetre tagny Beta Anata. Ka die nitoetre teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Naftaly (ny vahôka ijay efa nitoetre tamin'ijany tany ijany). Na ijany aja, noterena tagnatin'ny asa mafy ho an'i Naftaly ireo mponin'i Beta Semesa sy Beta Anata.