Toko faha 9

1 Tsy olo afake ve iaho? Tsy apostoly ve iaho? Tsy nahita an'i Jesôsy Tompontsena ve iaho? Tsy asako ao amin'ny Tompo ve anareo? 2 Raha tsy apostoly ho an'ny hafa iaho, die farafaharatsiny Apostoly ho anareo. Fa anareo no porofo amin'ny maha-apostoly anahy ao amin'ny Tompo. 3 Ijao no ferovako amin'ny ijay magnadihady anahy: 4 Moa ve ahay tsy mahazo alalana ny hihinagna sy hinogna? 5 Moa ve ahay tsy mahazo mitondra vady ijay mpino, hôtra ny ataon'ny apostoly saragne, sy ny rahalahin'ny Tompo, die Kefasy? 6 Sa Barnabasy sy iaho rerike no tsy maintsy miasa? 7 Ija no manao fanompoana miaramila amin'ny fandaniany manokana? Ija no mamboly voaloboke'ary tsy mihinagna ny vôny? Na ija no miandry ondry ka tsy minongna ronono avy amin'ijany? 8 Moa ve iaho milaza ny raha reo mifototra amin'ny fahefan'ny olombelona? Tsy milaza ijany koa ve ny lalàna? 9 Fa ijany die efa vôsoratre ao amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: ''Aja asena feto-bava ny aomby rehefa miely voa ijy.'' Tena ny aomby tokôtre ve no hiahian'Andriamanitre? 10 Tsy mivoria momba anay've ijy? Efa nosoratana ho antsena, fa ijay miasa tany die tokony hiasa amin'ny fanantenana, die ijay mively die tokony hively amin'ny fanantenana ny hahazo anjara amin'ny vokatra. 11 Raha namafy raha ara-panahy teo aminareo ahay, moa be lotre aminay ve ny mijinja raha ara-materialy avy aminareo? 12 Raha mampihantre ijany zo ijany avy aminareo ireo hafa, moa ve ahay tsy managna mihôtre? Na die ijany aja, tsy nitaky ijany zo ijany ahay. Fa koja, naleonay niaritre ny raha abiaby toy ijay ho sakana ho an'ny filazantsaran'i Kristy. 13 Moa ve tsy fantatrareo fa ireo ijay manompo ao amin'ny tempoly die mahazo ny sakafon'ijy reo laha tao amin'ny tempoly? Ary moa ve tsy fantatrareo fa ireo ijay manompo die mahazo anjara amin'ijay natao fagnatitre teo amin'ny Alitra? 14 Hôtran'ijany koa, ny Tompo die nandidy fa ireo ijay mitory ny filazantsara die tokony hahazo ny fiveloman'dreo laha tamin'ny filazantsara. 15 Nefa tsy nitaky ny raike tamin'ireo zo reo iaho. Ady tsy manoratre an'ijao iaho mba mety hisy raha hatao ho anahy. Aleoko maty toy ijay hisy olo hanaisotra amiko ijany rehareha ijany. 16 Fa raha mitory ny filazantsara iaho, die tsy misy antony tokony ireharehako, satria tsy maintsy manao ijany iaho. Ary loza ho anahy raha tsy mitory ny filazantsara iaho! 17 Fa raha manao ijany an-tsitrapo iaho, die manana valisoa. Fa raha tsy an-tsitrapo koja, die mbola manana ny andraikitre ijay'nankinina taminahy iaho. 18 Ino ary ijany no valisoako! Ijany die rehefa mitory iaho, die afake manolotre ny filazantsara tsy misy fandoavam-bola ka mba tsy hampiasa tanteraka ny zoko amin'ny filazantsara. 19 Fa na die afake amin'ny abiaby aja iaho, die tonga ho mpanompo ho an'ny abiaby, mba hahazahoako bebe kokoa. 20 Teo amin'ny Jiosy die lasa hôtra ny Jiosy iaho, mba hahazahoako ny Jiosy. Teo amin'ny ijay ambanin'ny lalàna, die lasa hôtra ny olo ijay ambanin'ny lalàna iaho mba hahazahoako ireo ijay ambanin'ny lalàna. Nanao ijany iaho na die tsy teo ambanin'ny lalàna aza ny tegnako. [Fagnamarihana:Ny baiboly ULB sy ny UDB die mivaky hoe: ''Nanao ijany iaho na die tsy teo ambanin'ny lalànaaza ny tenako.'' Ny dikan-teny taloha sasany die tsy manisy ijany.] 21 Tamin'ny jay ivelan'ny lalàna, die lasa hôtra ny olo ivelan'ny lalàna iaho, na die tsy ivelan'ny lalàn'Andriamanitra aja ny tegnako, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy. Nanao ijany iaho mba hahazahoako ny ijay ambanin'ny lalàna. 22 Teo amin'ny malemy die lasa malemy iaho, mba hahazahoako ny malemy. Tonga raha aby ho an'ny olo ny manontolo iaho, mba hamonjeko ny saragne amin'ny fomba abiaby. 23 Manao ny raha abiaby iaho ho an'ny filazantsara, mba hafahako mandray anjara amin'ny fitahian'ijany. 24 Moa ve tsy fantatrareo fa amin'ny fihazakazahana raike ny mpihazakazake manontolo die manao ny fohazakazahana, nefa raike mandy no mahazo ny loka? Koa mihazakazaha mba hahazo ny loka. 25 Ny atileta raike die mampihatre ny fifehezan-tegna amin'ny fanazaran-tegnany manontolo. Manao ijany areo mba handray satro-boninahitre ijay mety mivetrake, kanefa koja atsena mihazakazake mba hahazahoantsena satro-boninahitre tsy mety mivetrake. 26 Ka noho ijany die tsy mihazakazake amin'ny tsy misy antone iaho na mamely ambia amin'ny rivotre. 27 Fa feheziko ny tegnako die ataoko andevo, mba tsy ho lavina ny tegnako, rehefa avy nitory tamin'ny hafa iaho.