Toko faha 8

1 Ary ny mahakasika ny hanina atao sorogna hôn'ny sampy--fantantsena fa: ''Antsena abiaby die manam-pahalalana.'' Ny fahalalana mampirehareha, fa ny fitiavana manangagna. 2 Laha misy olo raike mieritreritra ny tegnane fa mahafanta-draha, die mbola tsy mahafantatra araka ijay tokone hahafantarane akory ijany olo ijane. 3 Fa laha misy olo raike tia an'Andriamanitra, die fantane ijany olo ijane. 4 Ka laha ny mahakasika ny fihinanana hanina natao sorogna hôn'ny sampy--die fantantsena fa "ny sampy etoy amin'ijao tontolo ijao die tsinotsino'' sady ''fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy raike mandy.'' 5 Fa mety misy ireo mody angehina hoe andriamanitra, na agny an-dagnitre na etiky an-tany, hôtran'ny habetsahan'ireo ''andriamanitra'' sy ny habetsahan'ireo ''Tompo''. 6 Fa hôntsena, ''Raike mandy ny Andriamanitra die ilay Iaba, ijay avy amin'ny raha abiaby, ary Ijy no antone hivelomantsena, sady raike ny Tompo Jesôsy Kristy, ijay tamin'ny alalane no nisian'ny raha abiaby, ary tamin'ny alalane no nisiantsena.'' 7 Na ijany aja, ijany fahalalana ijane die mbola tsy ao amin'ny kiraidraike. Fa koja, ny saragne talohaka teo die nampihatra ny fanompôn-sampy, die nihinagna ijany hanina ijane hôtrany hoe raha natao sorogna hôn'ny sampy ijane. Noho ijany die simba ny fieritreretan-dreo satria malemy ijane. 8 Fa tsy ny hanina no hagnome antsena eo amin'Andriamanitra. Fa tsy ratsy loholoho antsena laha tsy nihinagna, na koa hoe tsara loholoho laha nihinagna ijane. 9 Tandremo mba tsy ny fahalalanareo no antone hahatonga ireo olo osa ara-pinôna ho tafatohigna. 10 Fa atôvy hôtrany hoe misy mahita anao, ijay manam-pahalalana, mihinàna ny hanina ao amin'ny tempolin'ny sampy. Tsy ny fahalemen'ny fieritreretany ve no nasahiane hihinagna ijay nomena hôn'ny sampy? 11 Ka nohon'ny fahalalanao ny toetra marina momba ny sampy, die vere ilay rahalahy malemy finôna raike, ijay nahafatesan'i Kristy. 12 Noho ijane, laha magnota amin'ny rahalahinareo anareo ka mandratre ny saigna mlemin-dreo, die magnota manohitra an'i Kristy anareo. 13 Noho ijane, laha ny hanina no mahatonga ny rahalahiko ho tafatohigna, die tsy hihinan-kena koa iaho, mba tsy avy amin'ahe ny hahalavo ny rahalahiko.