Toko faha 13

1 Oka hatao hoe mijaka amin'ny fijan'ny olo sy ny anjeliny iaho. Fa laha tsy managna fitiavana , iaho die tonga vy ratsy feo na vy mikarantsam-peo iaho. 2 Ôka hatao hoe managna fagnomejan'ny faminanena iaho ary mahafantatre ny marina nasitrike iaho sy fahalalana aby daholo, ary managna ny finôna manontolo ahafahana mamindra ny tendrombohitra iaho. Fa laha tsy manam-pitiavana iaho,die tsinotsinona Iaho. 3 Ôka hatao hoe magnome ijay abiaby fagnanako hamahanana ny mahantre iaho, ary magnome ny tegnako hidorôna. Fa laha tsy manam-pitiavana iaho, die tsy mahajo n'ino n'ino. [Fagnamarihana: Ny ULB sy ny UDB die samy managna dikan-teny maro, mivaky hoe: "Hameko mba hidorôna ny tegnako." Ny dikan-teny saragne koja die mivaky hoe: "Homeko ny tegnako mba ho reharehako."] 4 Ny fitiavana die maharitre sy tsara fagnahy. Ny fitiavana die tsy mitsiriritra sy tsy mirehareha. Tsy miavognavogna ijy na hoe 5 tsy mahalala fomba. Tsy tia tegna ijy. Tsy mora vignitra ijy, na mitanisa fahadisôna. 6 Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana ijy. Fa koja, mifaly amin'ny fahamarinana ijy. 7 Ny fitiavana die mitondra ny raha manontolo, mino ny raha manontolo, managna fahatokiena amin'ny raha manontolo, ary maharitre ny raha manontolo. 8 Tsy ho tapitre mandrakijay ny fitiavana. Laha misy faminaniana, die ho levogna areo. Laha misy ny fijakana, hijanogna ijy io. Laha misy fahalalana , die ho levogna ijany. 9 Fa antsena die mahafantatre amin'ny lafiny raike ary maminagny antsena amin'ny lafiny raike. 10 Fa laha efa tonga ny tena lafatre, ijay tsy feno die ho levogna. 11 Tamin'ny mbola jaja iaho, niresake hôtrany jaja iaho, neritreritre hôtrany jaja iaho, maneho hevitre hôtrany jaja iaho. Laha efa tonga lehibe iaho, die navelako ny fahajajana. 12 Fa ankehitriny antsena die mahita sy mivantagna amin'ny fitaratre, fa mifagnati-tava. Ary fantatro amin'ny ampahane, fa avy teo ho fantatro aby arake ny fahafantarana anahy tanterake. 13 Fa ankehitriny die ireto telo ireto no mipetrake: ny finôna, ny fagnatenana, ary ny fitiavana. Fa ny lehibe indrindra amin'io die ny fitiavana.