Toko faha 12

1 Momba ireo fagnomejam-pagnahy, ry rahalahy, die tsy tiako tsy ahafantatra anareo. 2 Fantatrareo fa faha anareo mpanompo sampy, die vôvily nenga agny amin'ireo sampy tsy manam-peo anareo, tagny amin'ijay lalagna abiaby nitarihin'iregny anareo. 3 Noho ijany tiako hoa fantatrareo fa tsy misy olo ijay mijaka amin'ny Fanahin'Andriamanitra mijaka hoe: ''Jesôsy die vôojogna.'' Tsy misy afaka mijaka hoe:" Jesôsy die Tompo," afa- tsy amin'ny alalagn'ny Fanahy Masina. 4 Ary misy fagnomejam-pagnahy samihafa, fa Fanahy mitovy mandy. 5 Misy fanompoana samihafa, fa Tompo mitovy mandy; 6 ary misy karajagn'asa samihafa, fa Andriamanitra mitovy mandy no manao an- dreo ho ajo atao amin'ny kiraidraike. 7 Ary ho an'ny kiraidraike no nomena ny fanehoana ivelan'ny Fanahy ho an'ny tombontsoan'ny abiaby. 8 Fa ho an'ny olo raike die nomena avy amin'ny Fanahy ny tenin'ny fahendrena, ary ho an'ny raike hafa ny tenin'ny fahalalana amin'ny alalan'ny Fanahy mitovy mandy. 9 Ho an'ny raike hafa die nomena ny finoana amin'ny alalan'ny Fanahy mitovy, ary ho an'ny raike hafa ireo fagnomejam-pahasoavana hagnasitragna amin'ny alalan'ny Fanahy raike. 10 Ho an'ny raike hafa die nomena ireo asan'ny hery, ary ho an'ny raike hafa faminaniana. Ho an'ny raike hafa die nomena ny fahafahana magnavake ireo fagnahy, ho an'ny raike hafa ireo karajagna fijakana samihafa, ary ho an'ny raike hafa ny fandikana teny. 11 Fa ny fagnahy raike sy mitovy mandy no miasa ao amin'ijany abiaby ijany, magnome ireo fagnomejam-pagnahy ho an'ny olona kiraidraike aby, araka ijay nofidiny. 12 Fa satria ny vatagna die raike ary managna rantsagna rahabe ary ny abiaby die ratsagn''il?ay vatagna mandy, noho ijany die miarake amin'i Kristy ijany. 13 Fa tamin'ny alalan'ny Fagnahy raike no nanôvana batisa antsena abiaby ho vatagna raike, na ireo Jiosy na ireo Grika, na vôfatotre na afake, ary ny abiaby die natao mba hinogna amin'ny Fagnahy raike. 14 Fa ny vatagna die tsy ratsagna tokagna fa rahabe. 15 Laha mijaka ny hongotra hoe: '' Satria tsy tanana iaho, die tsy ratsagna amin'ny vatagna iaho,'' ijany die tsy bitike amin'ny ratsagn'ny vatagna akory. 16 Ary laha ny sofigna no hijaka hoe: '' Satria tsy maso iaho, die tsy ratsagna amin'ny vatagna iaho,'' ijany die tsy bitike amin'ny ratsagn'ny vatagna akory. 17 Laha maso ny vatagna abiaby, die ho aja ny fitenoana? Laha sofigna ny vatagna abiaby die ho aja ny fanimbolôgna? 18 Fa Andriamanitra nandamigna ny ratsagn'ny vatagna kiraidraike arake ny namorognan'ny an'ijany. 19 Laha ratsagna mitovy mandy ijy abiaby, aja no hisy ny vatagna? 20 Ka ijao die ratsagna rahabe areo, fa vatagna raike mandy. 21 Ny maso tsy afaka mijaka amin'ny tagnana hoe:" Tsy ilaiko anao.'' Na ny loha tsy hijaka amin'ny hongotre hoe: '' Tsy misy ilàko anao.'' 22 Fa ireo ratsagna amin'ny vatagna ijay miseho ho malemy loholoho die tena ilaina, ary ireo ratsagn'ny vatagna ijay heverintsena fa tsy die manan-danja, die omentsena lanja lehibe loholoho ireo, 23 ary ireo ratsagnantsena tsy fagnabôke die managna fahamendrehana mihôtre. 24 Ary ny rantsagnantsena fagnabôke die tsy mila indôsina amin'ny fahamendrehana fa ireo die efa managna fahamendrehana. Fa Andriamanitra nampikambagna ny ratsagna abiaby miarake, ary ijy nagnome lanja loholoho an'ireo ijay tsy ampy an'ijany. 25 Nagnano ijany Ijy mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny vatagna, fa mba hifampikarakara amin'ny fitiavana mitovy ireo ratsagna. 26 Noho ijany laha mijaly ny rantsagna raike die miara-mijaly ireo rantsagna abiaby; na laha omen-danja ny rantsagna raike, die miara-mifaly ny rantsagna abiaby. 27 Ary anareo die vatagn'i Kristy ary ratsagna amin'ijany ny kiraidraike. 28 Ary Andriamanitra nanendre tao amin'ny fiangonana ireo apostoly aloha, faharoa ireo mpaminany, fahatelo ireo mpampianatra, avy eo ireo ijay magnano asa mahajedagna, avy eo ireo fagnomejam-pahasoavana hagnasitragna, ireo ijay magnome fagnampiana, ireo ijay manao ny asan'ny fitantanan-draharaha, ary ireo ijay managna karajagna fijakana samihafa. 29 Apostoly ve ijy abiaby? Mpaminany aby ve? Mpampianatra aby ve? Manao asa mahajedagna aby ve ny abiaby? 30 Managna fagnomejam-pagnahy hagnasitragna ve ijy abiaby? Mijaka amin'ny fijakana tsy fantatra ve ijy abiaby? Mandika fijakana ve ijy abiaby? 31 Tadiavo fatratra ireo fanomejam-pagnahy lehibe loholoho. Fa hagnabôke anareo lalana tsaratsara loholoho iaho.