Toko faha 11

1 Alao tahake iaho, hôtran'ahy mpangala tahake an'i Kristy. 2 Ary midera anareo iaho satria mahatsiaro an'ahy amin'ny raha abiaby anareo. Midera anareo iaho satria mitajogna mafy ny fombafomba arak'ijay nanolorako an- dreo teo aminareo anareo. 3 Ary tiako ho ajonareo fa kristy no lohan'ny lelahy abiaby, fa ny lahy no lohan'ny vavy, ary Andriamanitra no lohan'i Kristy. 4 Ary manala voninahitra ny lohany ireo lehilahy ijay mivavake ka maminany ka misaron-doha. 5 Fa mangala voninahitre ny lohany ireo viavy ijay mivavake na maminany tsy misaron-doha. Fa tsy hafa ary mitovy amin'ny hoe viavy magnaratre ny lohany ijany. 6 Fa laha tsy misaron-doha ny viavy, die tokony ho tapahina ho fohy ny volony. Laha mahamenatre ny viavy ny manapake ny volony na ny magnaratre ny lohany, die ôke ijy handrakotre ny lohany. 7 Fa tsy tokony handrakotre ny lohany ny lelahy, satria ijy no sary sy voninahitr'Andriamanitra. Fa ny viavy die voninahitry ny lelahy. 8 Fa ny lelahy die tsy natao avy tamin'ny viavy. Fa koja, ny viavy no natao avy tamin'ny lelahy. 9 Fa tsy misy lelahy noforognina ho an'ny viavy. Fa koja, ny viavy no noforognina ho an'ny lelahy. 10 Ijany no tokony hananan'ny viavy ny mariky ny fahefana eo amin'ny lohany, noho ireo anjely. 11 Na ijany aja, ao amin'ny Tompo, tsy mahaleo-tena amin'ny lelahy ny viavy, na ny lelahy mahaleo tena amin'ny viavy. 12 Fa laha avy amin'ny lelahy ny viavy, die ny lehilahy koa die avy amin'ny viavy. Ary avy amin'Andriamanitra ny raha abiaby. 13 Tsarao ny tegnanareo: Mety amin'ny viavy ve ny mivavake amin'Andriamanitra tsy misaron-doha? 14 Tsy ny natiora mihitsy aja ve no mampianatre anareo fa laha lelahy no lava volo, die fahafaham-baraka ho an'ajy ijany. 15 Tsy mampianatre anareo ve ny natiora fa laha ny viavy no lava volo, die voninahitra ho an'ajy ijany? Fa nomena an'ajy ny volony mba handrakofana an'ajy. 16 Fa laha misy te-hiady hevitre amin'ijany, die tsy managna fampiharana hafa ijahay, na ireo fiangonan'Andriamanitra. 17 Fa agnatin'ireo torolalana magnaraka, die tsy midera anareo iaho. Fa laha miara- tonga anareo, die tsy ho amin'ny tsara ijany fa ho amin'ny ratsy indrindra. 18 Fa tamin'ny voalohany indrindra, die regniko fa laha miarake miangogna ao amin'ny fiangonana anareo, die misy fijarajarana eo aminareo, ary mino ijany amin'ny ampahany aho. 19 Fa tsy mentsy misy fitsitokotokoana eo aminareo, mba hankasitrahana eo aminareo ireo ijay nekena. 20 Fa laha miangogna anareo, die tsy ny Fanasan'ny Tompo no hoaninareo. 21 Laha mihinagna anareo, die samy mihinagna ny haniny manokagna ny kiraidraike alohan'ny hihinanan'ireo hafa. Te hinagna ny raike, ary ny hafa lasa mamo. 22 Tsy managna tragno ihinanana sy inomana ve anareo? Ho tsinontsiniavinareo ve ny fiangonan'Andriamanitra ka hahetrinareo ijay tsy managna n'ino na ino ? Ino no tokony ho jakaiko aminareo? Tokony hidera anareo ve iaho? Tsy hiderananareo amin'ijany aho! 23 Fa noresiko avy amin'ny Tompo mandy koa ijay ampitaiko anareo, fa Jesôsy Tompo, tamin'ny alina ijay namadihana an'Ajy, die nangala mofo. 24 Laha avy nisaotra Ijy, die nanapake an'ijany ary nijaka hoe: "Itoy ny vatako, ijay ho anareo. Atôvy ijao ho fahatsiarovana an'Ahy." 25 Mitovy amin'ijay koa die noresiny ny kapôka laha nihinagna hariva, ary nijaka Ijy hoe:" Ity kapôke ity no fanekena vaovao ao amin'ny ràko. Atôvy ijao na ovena na ovena anareo no minogna, ho fahatsiarovana an'Ahy.'' 26 Amin'ny fotôgna abiaby ijay hihinanareo itoy mofo itoy sy hinomanareo amin'itoy kapôke itoy, die magnambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny anareo. 27 N'ija n'ija, noho ijany, mihinagna ny mofo na misotro amin'ny kapôkan'ny Tompo amin'ny fomba tsy mendrike, die ho meloke ny amin'ny vatagna sy ny ràn'ny Tompo. 28 Ôke handinike ny tegnany aloha ny olo, ary amin'ijany die ôke hihinagna ny mofo ary hisotro amin'ny kapôke ijy. 29 Fa ijy ijay mihinagna sy minogna ka tsy mahafantatre ny vatagna, die mihinagna sy minogna fitsarana ho an'ny tegnany. 30 Ijany no mahatonga ny maro aminareo ho osa sy marary, ary ny saragny, aminareo ho faty. 31 Fa laha mandinin-tegna antsena, die tsy ho tsaraina. 32 Fa laha voatsaran'ny Tompo antsena, die mpanara-dalana, mba tsy ho vôheloka miaraka amin'ijao tontolo ijao. 33 Noho ijany, ry rahalahiko, laha miangogna mba hihinagna anareo, die mifampiandrasa. 34 Laha misy olo raike te-hihinagna, ôke ijy hihinagna agny an-dragno, amin'ijay laha miangogna anareo die tsy ho amin'ny fitsarana ijany. Ary mahakasika ireo raha hafa ijay nosoratanareo, die hagnome toro-lalagna aho laha tonga.