Toko faha 10

1 Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ireo iabantsena die tao ambanin'ny rahogna aby ary namakivaky ny ranomasina. 2 Ny abiaby die natao batisa hômin'i Mosesy tao amin'ny rahogna sy tao amin'ny ranomasina, 3 ary ny abiaby die samby nihinagna hanim-pagnahy mitovy. 4 Ny abiaby die nisotro ranom-pagnahy mitovy. Fa areo die nisotro tamin'ny vatolampim-pagnahy ijay nagnaraka an-dreo, die Kristy ijane vatolampy ijane. 5 Fa Andriamanitra die tsy nankasitrake tsara ny ankabetsahan-dreo, ary ny fatin-dreo die naely tagne agn'efitre. 6 Amin'ijao fotôgna iregne raha iregne die ohatre hôntsena, mba tsy hagniriantsena raha-ratsy hôtran'ny nilan-dreo. 7 Aja manompo sampy, hôtran'ny saragne tamin-dreo. Ijane die arak'ijay vôsoratra hoe: ''Ireo olo nitoboke mba hihinagna sy hisotro, ary nitsangagna mba holalao.'' 8 Ôka antsena tsy hijangajanga, hôtran'ny namboarin'ny rahabe tamin-dreo. Tao agnatin'ny indraika andro, die olo telo arivo sy roa aligna ny maty nohon'ny amin'ijane. 9 Ôka mandy koa antsena tsy hitsapa an'i Kristy, hôtran'ny namboarin'ny rahabe tamin-dreo ka naringagn'ireo menaragna. 10 Aja mimenimenigna mandy koa, hôtran'ny namboarin'ny rahabe tamin-dreo ka naringagn'ireo anjelin'ny fahafatesana. 11 Ary iregne raha iregne no nihatra tamin-dreo mba ho ohatre hôntsena. Nisoratana mba ho fampenarana antsena ijy iregne--- ho amintsena ijay nevian'ny fara-andro. 12 Noho ijane ôka ijay mieritreritra ny tegnane ho efa mijoro mitandrigna tsara mba tsy ho lavo. 13 Tsy nisy fakam-pagnahy nahatratra anareo ijay tsy erahan'ny olombelogna abiaby. Fa koja, Andriamanitra die mahatoky. Tsy hagnavela anareo halaim-pagnahy mihôtra ijay jakanareo Ijy. Miaraka amin'ny fakam-pagnahy die hagnome anareo ny làlagna hilefana mandy koa Ijy, mba hafahanareo miaritre ijane. 14 Noho ijane, ry malalako, milefà lavitra ny fanompôn-sampy. 15 Mijaka aminareo hôtran'ny olo manan-tsaigna iaho, mba hafahanareo mitsara ijay vorianiko. 16 Ny kapôkan'ny fisôrana ijay isôrantsena, moa ve ijane tsy fiombognana amin'ny ràn'i Kristy? Ny mofo ijay silahintsena, moa ve ijane tsy fiombognana amin'ny vatagn'i Kristy? 17 Satria raike mandy ny mofo, antsena ijay rahabe die vatagna raike. Antsena abiaby die mandray amin'ny mofo raike mandy. 18 Jahay ireo fokon'olon'Israely: moa ve ireo ijay mihinagna ireo fagnatitre tsy mpandray anjara eo amin'ny alitara? 19 Ino ary ny hivorianiko? Hoe tsy misy dikany ve ijane ny sampy? Sa ny hanina ijay natao fagnatitre tamin'ny sampy no tsy misy dikane? 20 Fa mivoria mahakasikan'ny raha ijay ataon'ireo Jentilisa mpanompo sampy fagnatitre iaho, fa omen-dreo an'ireo demonia iregne raha iregne fa tsy an'Andriamanitra. Tsy tiako anareo ho mpikambagna amin'ny demonia! 21 Tsy afake misotro ny kapôkan'ny Tompo sy ny kapôkan'ny demonia anareo. Tsy afake miray eo amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatr'ireo demonia anareo. 22 Sa magnano ijay mahasaro-piaro ny Tompo ve antsena? Mahery noho Ijy ve antsena? 23 ''Ny raha abiaby die ara-dalàna,'' fa tsy ny raha abiaby no mahasoa. ''Ny raha abiaby die ara-dalàna,'' fa tsy ny raha abiaby no mampandroso ny olo. 24 Tsy misy tokone handremby ny tombotsoane manokagna. Fa koja, ny kiraidraike die tokone handremby ny tombotsoan'ny nekamane. 25 Afake mihinagna ijay abiaby amidy egne an-tsena anareo, fa aja magnontany ny fieritreretana. 26 Fa ''An'ny Tompo ny tany, sy ijay abiaby misy amin'ajy eo.'' 27 Laha misy tsy mpino mangaike anareo hihinagna, ka te handeha anareo, die hoano ijay abiaby mitoboke eo alohakanareo ka aja mametra-pagnontaniana ny amin'ny fieritreretana. 28 Fa laha misy mijaka aminao hoe: ''Itiky hanina itiky die avy amin'ny fagnatitry ny mpanompo sampy,'' die aja mihinagna ijane. Ijane die hôn'ilay nampahafantatre anareo, sy hôn'ny fieritreretana. [Fagnamarihana: Ny dika-teny talohaka saragne die magnampy hoe: ''Fa ny tany sy ny raha abiaby ao amin'aje die an'ny Tompo.'' Fa ny dikan-teny tsara indrindra die tsy misy ijane.] 29 Tsy mijaka iaho hoe ny fieritreretanao manikagna, fa ny fieritreretan'ny olo-kafa. Nagnino ny fahafahako no tokone hitsarain'ny fieritreretan'ny hafa? 30 Laha mandray anjara amin'ny hanina am-pankasitrahana iaho, nagnino no jakajakaina amin'ijay nagnomejako fisôrana? 31 Noho ijane, na mihinagna na misotro anareo, n'ino n'ino amboarinareo, die amboaro ho voninahitr'Andriamanitra aby. 32 Aja magnome fanafintohignana ny Jiosy na ny Grika, na ny fengonan'Andriamanitra. 33 Miejaka ny hahafaly ny olo-abiaby amin'ny raha abiaby iaho.Tsy mandremby ny tombotsoako iaho, fa ny an'ny rahabe. Amboariko ijane mba ho vôvonjy areo.