Toko faha 8

1 Rafa novahan-le Zanak'ondry ny tombo-kase fafito, de nisy fangignana takagny an-dagnitra takeo amin'ny antsasa-kora takeo. 2 Avy akeo de hitako reo anjely fito ze nitsangana takeo agnatrean'Andriamanitra, ary nomegna trompetra fito zareo. 3 Nisy anjely hafa tonga, nitazogna vilia volamegna fandorôgna ditin-kazo manitra, nitsangana takeo ambonin'ny alitara. Ditin-kazo manitra betsaka no nomegna an'azy mba hagnolorany zany mbamin'ny vavaky ny mpino daôly akeo ambonin'ny alitara volamegna fandorôgna ditin-kazo manitra akeo agnatrean'ny sezam-boninahitra. 4 Ny setrok-le ditin-kazo manitra, miaraka amin'ny vavak-reo mpino, de niakatra takeo agnatrean'Andriamanitra avy amin'ny tagnan'ny anjely. 5 Naka an'le vilia fandorôgna ditin-kazo manitra le anjely ary alitara. Avy akeo natsipiny tamin'ny tany zany, ary nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany. 6 Reo anjely fito ze nagnana reo trompetra fito de niomagna hitsoka izany. 7 Nitsoka ny trompetrany le anjely vôlôny, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy taty an-tany zany mba ho may ny ampateon-zany, may ny ampatelon'ny kakazo, ary may avokô reo atra maitso. (Fagnamarihana: Ny sasagny am-reo dikan-teny talô de manala ny hoe: "mba ho may ny ampatelon-zany.") 8 Nitsoka ny trompetrany le anjely faroa, ary nisy rà ôtrany tanety ngeza niretr'afo natsipy teigny an'dranomasina. Lasa rà ny ampatelon'ny ranomasina, 9 maty ny ampatelon'ny ra-manan'aigna akao an-dranomasina, ary rava ny ampatelon-reo sambo. 10 Nitsoka ny trompetrany le anjely fatelo, ary nisy kintana ngeza nilatsaka avy eny an-dagnitra, miretra ôtrany fanilo, tamin'ny ampatelon-reo ony sy lôrano. 11 Ra-mangidy no agnaran-le kintana. Lasa nangidy ny ampatelon-le rano, ary ôla betsaka no maty tam-le rano ze lasa nagidy. 12 Nitsoka ny trompetran-le anjely faefatra, ary niova ny ampatelon'ny masoandro, ôtrany ampatelon'ny volana sy ny ampatelon-reo kintana. No zany de lasa mainty ny ampatelon-reo; tsy nisy hazavagna ny ampatelon'ny andro sy ny ampatelon'ny aligna. 13 Nijery za, ary naeno voro-mahery ze nagnidina takeigny apovôn'ny lagnitra, nagnantso tamin'ny feo mafy hoe: "Loza, loza, loza, ho an'reo ze monigna eny amin'ny tany, nony feona trompetra sisa ze mbola ho tsofin-reo anjely telo."