Toko faha 3

1 Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Sardisy hoe: "Zao no tenin'le mitàna reo Fanahy fiton'Andriamanitra sy reo kintana fito. "Fantatro ze nataonao. Malaza ho velona anao, nefa anao maty. 2 Mifoaza ary hatanjaho ze tavela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanteraka reo asanao akeo amason'Andriamanitro. 3 Tadidivo, noho zany, ze noraisinareo sy regninareo. Ekeso zany, ary mibeba. Fa raha tsy mifoha anareo, de ho avy ôtran'ny mpangalatra Za, ary tsy ho fantatrareo ny ora hiaveko aminareo. 4 Fa misy agnaran'ôla vitsivitsy aigny Sardisy ze tsy nandoto ny akanjon-jareo. Hande hiaraka aminà zareo, mekanjo fotsy, satria mendrika. 5 Le raika ze mandresy ee ho ampekanjona fotsy, ary tsy hamafa ny agnarany akao amin'ny Bokin'ny Fiainana mitsy Za, ary hilaza ny agnarany akeo agnatrehan'ny Raiko, sy akeo agnatrehan'reo anjeliny. 6 Ôka ze manan-tsofigna hiaino ze lazain'ny Fanahy am'reo fiangonana."" 7 Sorato ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Filadelfia hoe: "Zao no tenin'le raika ze masina sy marina - izy no mitana ny fagnalahidin'i Davida, izy no mamôha ary tsisy na iza na iza magnidy, izy no magnidy ary tsisy na iza na iza afaka mamôha. 8 "Fantatro ze vitanareo. Indro, nametrahako varavaragna misokatra akeo agnolônareo ze tsy afaka hidin'iza na iza. Fantatro fa managna hery kely anareo, ka nankato ny teniko ary tsy nandà ny agnarako. 9 Indro, Reo ze an'ny synagogan'ny Satana, reo ze milaza fa Jiosy zareo nefa tsy izy; fa mandainga kosa zareo. Hataoko tonga ka hiankotra akeo an-tongotrao zareo, ary ho avy zareo mbô hafantatra fa nitia an'nareo Zà. 10 Satria efa nitandrina ny didiko tamin'ny faretana anareo, de hiaro an'nareo amin'ny andro fitsapana ze efa ho avy am'zao tontolo zao daôly iany kô Za, mbô hitsapa reo ze miaigna aketo ambonin'ny tany. 11 Ho avy tsy ho ela Za. Tano mafy ze hanagnanao mbô tsy hisy afaka hangala ny satro-boninahitrao. 12 Ataoko andry akeo amin'ny tempolin'Andriamanitro ze mandresy, ary tsy hiala akeo mihitsy izy. Ho soratako akeo aminy ny agnaran'Andriamanitro, le agnaran'ny tanànan'ny Andriamanitro (le Jerosalema vaovao, ze midina avy aigny an-dagnitra avy amin'ny Andriamanitro), sy ny agnarako vaovao. 13 Ôka ze manan-tsofigna hihaino ze lazain'ny Fanahy am'reo fiangonana."" 14 "Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana aigny Laodikia hoe: "Zao no tenin'ny Amena, le vavôlombelona matoky sy marina, le mpanapaka ny zava-boarin'Andriamanitra. 15 "Fantatro ze nataonareo, ary tsy mangatseka na mafana anareo. Magniry Za mbô ho mangatseka na mafana anareo! 16 Noho zany, satria anareo matimaty - sady tsy mafana nontsy mangatseka - de efa halôn'ny vavako anareo. 17 Fa ozy anareo hoe: "Manan-karena za, managna fitaovana betsaka, ka tsy mila na ino na ino." Saingy tsy fantatrareo fa anareo no tegna ory, mafiraigna, mahantra, jamba ary mibilaka. 18 Tainô ny torohevitro: Mividiana volamena vôdio tamin'ny afo amina mbô ho tonga mpanan-karena anareo, ary akanjo fotsy manjopika mbô ho afaka mampitafy ny tenanareo anareo ka tsy hampibôgna ny hegnatry ny fibilanareo, ary hagnosotra ny masonareo mbô hahiratanareo. 19 Ampiofaniko ny tsiraikaraika avy ze teko, ary hampenariko an'jareo ny fomba tokony hiainan'jareo. Noho zany, mazotoa ary mibebaha. 20 Indro, mitsangana aketo amin'ny varavaragna Za ary mandondògna. Raha misy maregny ny feoko ka mamôha ny varavaragna, de ho avy akao an-dragnony Za ka hinana miaraka amin'azy, ary izy miaraka aminà. 21 Le raika ze mandresy, hatolotro an'azy ny zo hipetraka miaraka aminà akeo amin'ny seza fiandrianako, salan'ny nandreseko kô ka nipetrako niaraka tamin'ny Raiko takeo amin'ny seza fiandrianany. 22 Ôka ze manan-tsofina hitaino ze lazain'ny Fanahy am'reo fiangonana.""