Toko faha 20

1 Ary natazagna anjely nidigna avy taigny an-dagnitra za. Nanagna ny lakilen'ny lavaka tsita noanoa izy, ary nanagna rojo vy gedabe taigny an-tagnany. 2 Nisambotra an'le dragona izy, ny megnarana talô, le devoly, na satana, ary nofatorany arivo taona. 3 Natsipiny taigny amin'ny lavaka tsita noanoa izy, nidiny zany ary naseny tombo-kase takeo amin'azy. Natao zany mbô tsy hamitahany ny firenena betsaka tsony mandra-patapitry ny arivo taona. Afaran'zany, de tsy maintsy havotsotra fotôna kelikely izy. 4 Ary natazagna seza fendrianana betsaka za. Nipetraka takeo amboniny reo ze namena faefana mitsara. Natazagna ny fagnahin'reo ze notapahin-dô za noho ny fijoroana vavolombelona makasika an'i Jesosy ary nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy nenkoka tamin'ny bibide na tamin'ny sariny zareo, ary zareo de nandà ny handray ny mariky ny bibide takeo amin'ny tampikandriny na takeo amin'ny tagnany. Tonga velona ndre zareo, ary nanjaka niaraka tamin'i Kristy nandritran'ny arivo taona. 5 Ny ambin'reo maty de tsy velona mandra-patapitry ny arivo taona. Zany no fitsanganana vôlôny. 6 Sambatra ary masina ze ôla managna anjara amin'ny fitsanganana vôlôny! Eo agnatrehan'zany de tsy managn-kery ny fafatesana faharôy. Zareo de ho mpisorona an'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka miaraka amin'Azy mandritran'ny arivo taona. 7 Rafa tapitra ny arivo taona, de hovahana akao amin'ny tragnomaizigny Satana. 8 Hivôka izy mbô hamitaka ny firenena betsaka aigny amin'ny vazan-tany efatra - Goga sy Magoga - mbô hitondra an-jareo miaraka ho aigny amin'ny ady. Zareo de ho betsaka salan'ny fasiky ny ragnomasina. 9 Niakatra takeo agnambon'ny tany lemaka zareo ary nagnodidigna ny tobin'reo mpino, le tanàna malala. Nefa nisy afo nidigna avy taigny an-dagnitra ary nandripaka an-jareo. 10 Ny devoly, ze namitaka an-jareo, de natsipy takao amin'ny farihy afo solifara, tôrana ze hanipazana ny bibide sy ny mpaminagny sandoka. Ary ho ampijalena andro amagn'alina mandrakizay ary mandrakizay zareo. 11 Ary natazagna seza fendrianana fotsy gedabe za sy le nipetraka takeo agnambony. Ny tany sy ny lagnitra de nilefa ny fagnatrehany, kanefa tsisy tôrana andianan-jareo. 12 Natazagna ny maty za - ny geda ary ny kely - nitsangana takeo agnolôn'ny seza fendrianana, ary navelatra - Ny Bokin'ny Fiaignana. Ny maty de notsaraina araka ze vôsoratra takao am'reo boky, araka reo asany. 13 Ny Ragnomasina namôka ny maty ze takao agnatiny. Ny fafatesana sy reo fiaignan-tsita de namôka ny maty ze takao amin-jareo, ary ny maty de notsaraina araka ny ra nataony. 14 Ny fafatesana sy ny fiaignan-tsita de natsipy takao amin'ny farihy afo. Zany no fafatesana faharôy - de ny farihy afo. 15 Raha misy agnarana tsita vôsoratra akao amin'ny Bokin'ny Fiaignana, de natsipy takao amin'ny farihy afo.