Toko faha 15

1 Avekeo de natazagna famatarana hafa takeigny amin'ny lagnitra za, goavana sy mahagaga: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loza fito, ze loza farany ndrindra, fa am'izy reo no hahatanteraka ny fatezeran'Andriamanitra. 2 Natazagna ze nibôgna tamin'ny ranomasina fitaratra namperana tamin'ny afo za. Nitsangana takeo akaikin'ny ranomasina reo ze nandresy an'le bibi-dia sy ny sariny, sy ny isa maneho ny agnarany. Izy reo de nitàgna harpa nomen'Andriamanitra an'azy reo. 3 Izy reo nihira ny hiran'i Mosesy, le mpanompon'Andriamanitra nihiran'ny Zanak'ondry hoe: 'Goavana sy mahagaga reo asanao, Tompo Andriamanitra le Avo indrindra. Marina sy mahitsy reo lalanao, ry Mpanjakan-reo firenena. 4 Iza no tsy hatatra Anao, ry Tompo sy hagnome voninahitra ny agnaranao? Fa Enao raika no masina. Ny firenena daôly ho avy sy hivavaka akeo agnatrehanao satria reo asanao marina de efa nambara." 5 Tafaran-reo ra reo za de nijery, ary nisokatra taigny amin'ny lagnitra le tempoly ze managna lain'ny fijoroana vavolombelona. 6 Nivôka avy takao am-le toerana masina indrindra reo anjely fito mitagna reo loza fito. Izy reo de mekanjo madio, lamba rogony mamiratra sy misy fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratran-jareo. 7 Raika tam-reo ra-managn'aigna efatra nagnome an'reo anjely fito vilia volamena fito feno ny fasosen'Andriamanitra, le velona mandrakizay doria. 8 Feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy avy amin'ny heriny ny tempoly. Tsy misy na iza na iza afaka miditra akao mandra-patanteraky ny loza fiton-reo anjely fito.