Toko faha 6

1 Ary tamin'ny Sabata de nande nankaigny an-tsabo Jesosy ary reo mpianatra naka salohim-bary, nikoseny taminny tagnan'jareo zany ary ninana ny voa. 2 Fa ny sasgny tam'reo Fariseo kosa nitare hoe: "Nagnino nareo no magnano ra tsy ara-dalàna tsy manjary sy magnano ra amin'ny andro Sabata?" 3 Namaly an'jareo, Jesosy nitare hoe: "Mbola tsy novakinareo kô ma ze natôn'i Davida rafa nôna izy, sy ireo leila ze niaraka tamin'azy? 4 Nande nakao an-dragnon'Andriamanitra izy, ary nandray ny mofon'ny fanatrena sy ninana ny ampany tam'zany, ary nameny ampany kô ny leila ze niaraka tamin'azy mba hinana, na de ny mpisorogna fôgna aza no araka ny lalàna raha minana an'zany." 5 Avy akeo Izy nitare tam'jareo hoe: "Ny Zanak'Ola de Tompon'ny Sabata." 6 Ary tamin'ny Sabata hafa de nande takao amin'ny Synagoga Izy de nampianatra ny vahôka takao. Nisy leila raika maty tagnana an-kavanana takao. 7 Nitazagna akeky an'Azy tsara reo mpanora-dalana sy reo fariseo mba hatazagnany raha hagnasitrana ôla amin'ny andro Sabata Izy, mba afahan'jareo mahita antony hempangana an'Azy. 8 Kanefa fantany ze tao an-tsaign'reo ary nilaza tam'le leila ze maty tagnana Izy hoe: "Mitsangàna, ary mankanesa eto ampovôn'ny ôla daôly eto." Ka nitsangana le leila. 9 Jesosy nitare tam'jareo hoe: "Magnontany an'nareo za, ara-dalàna amin'ny Sabata ma ny fagnanôvana ny tsara sa ny fagnanôvana ny ratsy, ny manavotra aigna sa ny mamotika?" 10 Ary nitazagna ny magnodidina an'azy daôly Izy ka nitare tam'le leila hoe: "Atsoro ny tagnanao." Nagnano an'zany izy, ary sitrana ny tagnany. 11 Nefa feno asosena izy reo ary nifampiresaka momba an'ze hataon'jareo amin'i Jesosy. 12 Tam'zany andro zany de nande nankaigny an-tanety Izy mba hivavaka. Notoizany nandritra ny aligna magnotolo ny fivavana tamin'Andriamanitra. 13 Rafa togna ny andro, nagnantso ny mpianany ho akeo amin'azy Izy, ary nifidy roambefolo tamin'reo Izy, ze nantsoviny ihany kô hoe Apostoly. 14 Ny agnaran'reo Apostoly reo de Simona ( ze antsovina hoe Petera), ary ny rahalany Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15 Matio, Tomasy, Jakoba zanaka làn'i Alfeo, Simona ze antsovina hoe: Zelota, 16 Jodasy zanak'i Jakoba ary Jodasy Iskariota, ze tonga mpamadika. 17 Avy akeo Jesosy nidigna ny tanety niaraka tam'jareo de nitsangana tamin'ny tany marimarina niaraka tamin'ny mpianany betsaka sy vahôka batsaka avy aigny Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin'ny Tyro sy Sidona. 18 Tonga reo mba hitaigno an'Azy ary mba ho sitranina amin'ny aretin'jareo. Sitrana ihany kô ny vahôka ze nisaviritanin'ny fagna maloto. 19 Ny ôla daôly tam'reo vahôka de niezaka ny hikasika an'Azy hatraigny satria nivôka avy tamin'Azy ny hery magnasitrana, ary sitrany avokô izy daôly. 20 De nijery ny mpianany Izy, ary nitare hoe: "Sambatra nareo ze mahantra, fa an'nareo ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Sambatra nareo ze nôna am'zao fotôna zao, fa ho voky nareo. Sambatra nareo ze mitomany am'zao, fa hiomehy nareo. 22 Sambatra nareo rafa hankalain'ny ôla daôly ary rafa ahilik'jareo sy haratsen'jareo, non'ny amin'ny Zanak'Ôla. 23 Mifalia am'zany andro zany ary mibitaha an-kafalena, satria azo antoka fa hahazo valisô leibe aigny an-dagnitra nareo, fa mitovy am'zany no nitondran'ny razan'reo an'reo mpaminagny. 24 Fa loza ho an'nareo ze manan-karena, fa efa azonareo ze mahafa-po an'nareo. 25 Loza ho an'nareo ze voky am'zao, fa mbola ho nôna nareo aigny afara aigny. Loza ho an'nareo ze mitsikikikiky am'zao, fa hisaogna sy hitomany nareo aigny afara aigny. 26 Loza ho an'nareo, rafa milaza tsara momba an'nareo ny ôla daôly, fa mitovy am'zany ny nataon'ny razan'jareo tam'reo mpaminagny sandoka. 27 Fa milaza aminareo ze mitaino Anà, tiavo ny favalonareo ary magnanôva ny tsara amin'ze mankahala an'nareo. 28 Ampio ze magnozona an'nareo ary mivavaha ho an'reo ze magnano tsinotsinona an'nareo. 29 Raha misy mitefaka ny takolakao raika, de ameo an'azy kô ny ilavny. Raha misy ôla maka ny lambanao, aza mitagna na de ny akanjonao kô aza. 30 Omeo ze daôly mangataka aminao. Raha misy ola maka ny ra ze an'nao, aza mangataka ny hamerenany an'zany aminao. 31 Ôtran'ze tenao hataon'ny ôla aminao, de tokony hataonao am'jareo kô zany. 32 Raha ze ôla te an'nao fôgna no tiavinao, ino no soa ho azonao am'zany? Fa na ny mpanota aza mba te an'ze te azy kô. 33 Rafa am'ze ôla magnano soa an'nao fôgna enao no magnano soa, ino no soa ho azonao am'zany? Fa na ny mpanota aza de magnano salan'zany. 34 Raha tsy mampindrana afa-tsy am'ze ôla hatenaigna fa hamerina an'zany aminao fôgna enao, ino no soa ho azonao am'zany? Fa na ny mpanota aza mampindrana ny mpanota, mba hahazôgna salan'zany kô. 35 Fa teavo ny favalonareo ary magnanôva ny tsara ho an'azy regny. Mampidrama ka aza miandry valiny ary ho gedabe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra enao, fa Izy tegnanay de tsara fagna am'ze tsy misôtra sy ny ôla ratsy fagna. 36 Manàgna famindram-po, ôtran'ny Rainareo mpamindra fo. 37 Aza mitsara, ary tsy ho tsaraina nareo. Aza manadiso, ary tsy ho disona nareo. Mamelà ny hafa, ary ho avela nareo. 38 Manomeza, de omena an'nareo zany. Fafoizana be - ze atafotafo miara-vôhotsana ary mitobaka no hararaka akeo am-pofônao. Araka ny famaharanareo, no hamaharana an'nareo salan'zany kô. 39 Avy akeo Izy nagnano fanoharana tam'jareo kô. Nga ma ny ôla jamba afaka mitarika ôla jamba hafa? Raha magnano an'zany izy, de mety hilatsaka aigny an-davaka izy rôy, sa tsy zany? 40 Ny mpianatra raika de tsy leibe nony mpampianany, fa ze daôly nantanteraka ny fiofagnana de hitovy amin'ny mpampianany. 41 Fa magnakôry enao no mijery ny sombin-kazo kely ze akao agnatin'ny mason'ny rahalanao, kanefa tsy matsikaritra ny vatan-kazo akao agnaty masonao? 42 Ahôna no itenenanao ny rahalanao hoe: 'Ry rahala, mamelà anà hagala ny sombin-kazo akeo amin'ny masonao eo io,' rafa tsy tazagnao akory ny vatan-kazo akeo amin'ny masonao? Ry mpetsaravelatsy! Alao akeo amin'ny masonao alô ny vatan-kazo, avy akeo hatazana enao ka afaka hagala ny sombin-kazo akeo amin'ny mason'ny rahalanao. 43 Fa tsy misy kakazo tsara hamokatra vôkazo lo, na hoe kakazo lo hamokatra vôkazo tsara. 44 Fa ny kakazo tsiraikaraika de fantatra amin'ny karazam-bôkazo ze vokariny. Fa tsy afaka ny haka aviavy amin'ny tsilo ny ôla, na haka vôloboka amin'ny hazona vôroy. 45 Ny ôla tsara mamokatra ze tsara avy amin'ny harena soan'ny fony, ary ny ôla ratsy mamokatra ze ratsy avy amin'ny haren-dratsin'ny fony. Fa ze avôkan'ny fony no tenenin'ny vavany. 46 Fa maninona nareo no miantso Anà hoe: "Tompo, Tompo,' kanefa nareo tsy mankatô ze ra taraviko? 47 Ny ôla daôly magnatona Anà sy mareigny ny teniko ary mankatô an'zany, de ho lazaiko an'nareo hoe ôtran'ny ino izy. 48 Salan'ny ôla ze nanangana tragno izy, ze nandavaka laligna teo amin'ny tany ary nagnorina ny fototry ny tragno teo ambony vatolamy. Rafa tonga ny tondra-drano, de nandreka nanohitra an'zany trano zany ny rano be, fa tsy nampiontsona an'azy, satria tsara orina le izy. 49 Ary ze ôla mareigny ny teniko nefa tsy mankatô an'zany, de salan'ny ôla ze manangana tragno teo ambonin'ny tany ka tsy nagnisy fototra. Rafa nandreka namely io trano io ny rano be, de nirodana, ary rava tanteraka zany tragno zany?