Toko faha 3

1 Tamin'ny taona faha dimy ambefolo nanjakan'i Tiberie Kaisara - tamin'i Pontio Pilato no governoran'i Jodia, Heroda de mpanapaka tao Galilia, Filipo ralahiny de mpanapaka tao amin'ny faritra Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania de mpanapak'i Abilena, 2 nadritry ny fisorognam-ben'i Aniasy sy Kaiafa - de tonga tamin'i Jaona zanaka lahin'i Zakaria taigny an'gnefitra ny tenin'Andriamanitra. 3 Nande taigny am'reo faritra daôly magnodidigna an'i Jordana izy, nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelana reo heloka. 4 Araka ny vôsoratra akao amin'ny bokin'ny tenin'i Isaia mpaminagny hoe: "Nisy feo raika nagnantso mafy avy taigny an'gnefitra hoe: 'Ataovo vognona ny lalan'ny Tompo, ataovo mahitsy ny lalana andeanany. 5 Ny lôsaha daôly hototofana, ary ny tanety sy ny havôna ahetry, ary ny lalana miolaka de amboarina mahitsy, ary ny tôrana mikitôntôgna de ho atao lalana, 6 ary ny nofo daôly de hatazagna ny famonjen'Andriamanitra.'" 7 Ka nitare tam'reo vahôka ze tonga hatao batisa i Jaona hoe: "Anareo ry taranaky ny menaragna! Iza ma no nampitandrina an'nareo mbô handositra ny fahasosena ze ho avy? 8 Noho zany, mamokara voa mendrika ny fibebahana, ary aza mitare akao agnatinareo hoe: 'Zahay managna an'i Abrahama ho rainay,' fa mitare an'nareo za fa Andriamanitra de afaka manangana zanaka ho an'i Abrahama avy am'reto vato reto. 9 Am'zao fotôna zao aza ny famaky de mitsatoka akeo ampototry ny kakazo. Ka ny kakazo daôly ze tsy mamô vô tsara de baragnina ary hatsipy aigny agnaty afo." 10 Ary reo vahôka de nagnontany an'azy hatraigny, ka nitare hoe: "Ino ary no ataonay?" 11 Namaly izy ka nitare tamin-jareo hoe: "Raha misy ôla managna akanjo lava rôy, tokony mizara an'zany amin'ôla raika ze tsy managna izy, ary ze managna ahanina kô de tokony hagnano ôtran'zany." 12 Reo mpamory hetra kô de tonga mbô hatao batisa, ary nitare tamin'azy hoe: "Mpampianatra ô, ino no tsy maintsy ataonay?" 13 Izy nitare tamin-jareo hoe: "Aza magnangona vola mihôtra noho ze nasaina halainareo." 14 Miaramila betsaka kô nagnontany an'azy, nitare hoe: "Manakôry ma ny momba an'nay? Ino no tsy maintsy ataonay?" Izy nitare tamin-jareo hoe: "Aza mialaka vola amin'ôla an-keriny, ary aza mempanga lainga ôla. Mifalia amin'ny karamanareo." 15 Ary raha nandigny fatratra ny fatongavan'i Kristy ny vahôka, de nagnontany takao am-pony ny makasika an'i Jaona ny tsiraikaraika, na mety ho izy na tsy izy no Kristy. 16 Jaona namaly tamin'ny fitaravana an'azy daôly hoe: "Raha ny aminà, de magnano batia an'nareo amin'ny rano za, fa misy ôla raika ho avy ze mahery mihôtra anà, ary tsy mendrika za na de hamaha reo tadin-kapany aza. Hagnano batisa an'nareo amin'ny Fagnahy Masina sy ny afo Izy. 17 Akeo an-tagnany ny fikororohany mbô hagnadiovana tsara ny akao am-pamolôny sy hagnangonana ny vary ho aigny amin'ny volovary. Fa ho dorôny amin'ny afo tsy mety vonina ny akofa. 18 Niaraka tamin'ny fagnanarana maro hafa iany kô, Jaona nitory vaovao tsara ho an'ny vahôka. 19 Heroda mpanapala rafa nanarina nohon'ny nanambadeny ny vadin-dralahiny Herodiasy, sy nohon'ny ra ratsy hafa daôly ze vitany, 20 de ho fagnampin'zany daôly zany, de nampidiriny taigny am-ponja Jaona. 21 Ary, rafa vita batisa avokoa ny ôla daôly, de natao batisa kô Jesosy, ary raha mbôla nivavaka izy, de nisokatra ny lagnitra, 22 ary ny Fagnahy Masina niaka endrika ka nidigna takeo amin'Azy salan'ny voromelala, ary nisy feo avy aigny an-dagnitra nagnano hoe: "Anao no Zanako, malalako. Faly Za nohon'ny aminao." 23 Rafa nagnomboka ny asa fanompoany Jesosy, de teo amin'ny telopolo taona teo Izy. Izy no zanaka lahin'i (araka ny feverana) Josefa, zanak'i Hely, 24 zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa. 25 Josefa de zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Elsy, zanak'i Nagay, zanak'i Mata, 26 zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda. 27 Joda de zanak'i Joanana, zanak'i Rase, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery, 28 zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era, 29 zanak'i Josoa, zanak'i Eliezara, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy. 30 Levy de zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, 31 zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida, 32 zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona. 33 Nahasona de zanak'i Aminadaba, zanak'i Adimina, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fereza, zanak'i Joda, 34 zanak'i Jakoba, zanak'i Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora, 35 zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela. 36 Sela de zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, zanak'i Metosela, 37 zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana, 38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamnitra.