Toko faha 19

1 Niditra Jesosy ary nandalo an'i Jeriko. 2 Indro, nisy leila ze nantsovina hoe Zakaiosy takeo. Izy de lehiben'ny mpamory hetra sady nanagn-karena. 3 Niezaka ny hitazagna izy hoe iza Jesosy, kanefa tsy afaka natazagna tao agnaty vahôka, satria foika izy. 4 Ka niazakazaka nelô reo ôla izy ary nagnanika hazon'aviavy raika mbô hatazagna an'Azy, satria handalo am'zany lalana zany Jesosy. 5 Nony tonga takeo am'le tôrana Jesosy, de niandrandra Izy ka nitare tamin'azy hoe: "Ry Zakaiosy, midigna malaky, fa gniany de tsy maintsy hijanona akao an-dragnonao Za." 6 De nidigna malaky izy ary nandray an'Azy tam-pifalena. 7 Rafa natazagna zany ny daôly, de nitaraina avokoa, nitare hoe: "Niditra hitsidika leila ze mpanota Izy." 8 Nitsangana Zakaiosy ka nitare tamin'ny Tompo hoe: "Jereo, ry Tompo, ny antsasaky ny fananako de ameko ho an'ny mahantra, ary raha ôtra ka nisy ra nagnambakako ôla, de honerako avo efatra heny." 9 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Gniany ny famonjena no tonga akato am'ty tokantragno ty, satria izy kô de zanak'i Abrahama. 10 Fa ny Zanak'ôla de tonga mbô hitady sy hamonjy ny very." 11 Raha naregny zany ra zany zareo, de nanohy nitare Izy ary nagnano fagnoharana raika, satria takeo akaikin'i Jerosalema Izy, ary zareo nieritreritra fa hibôgna teo noho eo ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Noho zany Izy de nitare hoe: "Nisy tandapa raika nande taigny an-tany lavitra mbô hahazo fanjakana ho an'ny tegnany ary hiverina avy akeo. 13 Nagnantso folo lahy tam'reo mpanompony izy, ary nagnome farantsa folo an-jareo, ary nitare tamin-jareo hoe: 'Magnanôva raharaham-barotra mandra-piviregnako." 14 Kanefa reo vahôkany nankahala an'azy ary nandefa solontegna nagnaraka an'azy, nitare hoe: 'Tsy ilainay ny hanjakan'io leila io aketo aminay.' 15 Ary rafa niverigna izy, ary nandray ny fanjakana, de nandidy reo mpanompony ze nameny vola mbô hankeo amin'azy izy, mbô hafantarany ze tombony azon-jareo tamin'ny fagnanôvana raharaham-barotra. 16 Tonga takeo agnolôny ny vôlôny, nitare hoe: 'Tompo, ny farantsanao de nahazo tombony farantsa folo mihôtra.' 17 Nitare an'azy le tandapa hoe: 'Tsara zany, ry mpanompo tsara. Noho anao nahatoky tamin'ny kely de kely, de hanam-pahefana amin'ny tanàna folo anao.' 18 Tonga le faharôy, nitare hoe: 'Ny farantsanao, Tompo, de nahavita farantsa dimy.' 19 Ary nitare tamin'azy le tandapa hoe: 'Hiandraikitra tanàna dimy anao.' 20 Tonga ny raika hafa, nitare hoe: 'Tompo, indro ny farantsanao, ze notehiriziko tsara takao agnaty lamba, 21 fa natatra an'nao za, satria leila maseka anao. Ka maka ze tsy napetrakao, ary mijinja ze tsy nafafinao.' 22 Nitare tamin'azy le tandapa hoe: 'Amin'ny teninao manokana no hitsarako an'nao, anao ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa za de leila maseka, maka ze tsy napetrako, ary mijinja ze tsy nafafiko. 23 Ka magnino ma no tsy napetrakao taigny amin'ny mpitahiry vola ny volako, ka rafa niverigna za de ho nandray zany niaraka tamin'ny zanany?' 24 Le tandapa nitare tam'reo ze nitsangana teo ankeiky teo hoe: 'Esory amin'azy ny farantsa, ary ameo an'le managna ny farantsa folo.' 25 Ary ozy zareo tamin'azy hoe: "Tompo, managna farantsa folo izy.' 26 'Za mitare aminareo, fa ze daôly managna de hamena mihôtra, fa ze tsy managna, na de ze anagnany aza de ho alaina. 27 Fa reo fahavaloko, reo ze tsy nagniry anà hanjaka aketo amin-jareo, ento aty zareo ary vonoy aketo agnolôko.'" 28 Rafa avy nilaza an'reo ra reo izy, de nande nelô, niakatra ho aigny Jerosalema. 29 Ary nony tonga takeo ankekin'i Betifaga sy Betania Izy, takeo amin'ny tendrombotra antsovina hoe Oliva, de nagniraka ny rôy tam'reo mpianany Izy, 30 nitare hoe: "Mandiana aigny amin'ny tanàna magnaraka. Rafa miditra anareo, de hatazagna zana-boriky raika mbôla tsy nitikinan'ôla mintsy. Vahao zany de ento aty aminà. 31 Raha misy magnontany an'nareo hoe: 'Magnino ma no vahanareo io?' de lazao hoe: 'Misy ilàn'ny Tompo an'azy.' 32 Reo ze niràna de nande ary natazagna le zana-boriky araka ny nolazain'i Jesosy tamin-jareo. 33 Raha teo am-pamahana ny zana-boriky zareo, de ozy reo tompony tamin-jareo hoe: "Magnino ma no vahanareo ny zana-boriky?" 34 Nitare zareo hoe: "Misy ilàn'ny Tompo an'azy." 35 Nentin-jareo taigny amin'i Jesosy zany, ary napetrak'zareo takeo ambonin'ny zana-boriky ny lambany ary nametraka an'i Jesosy teo amboniny. 36 Raha nande igny Izy, de novelarin-jareo takeo amin'ny lalana ny lamban-jareo. 37 Ary rafa nagnakaiky an'le tôrana fidirana amin'ny tendrombotr'Oliva Izy, de nagnomboka nifaly reo mpianany maro be ary nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mafy nohon'ny asa lehibe daôly ze hitan-jareo, 38 nitare hoe: "Deraina anie ny mpanjaka ze avy amin'ny agnaran'ny Tompo! Fiadanana aigny an-dagnitra ary voninatra aigny amin'ny avo ndrindra!" 39 Ny Fariseo sasagny takeo amin'ny vahôka de nilaza tamin'azy hoe: "Mpampianatra ô, tineno mafy reo mpianatrao." 40 Namaly Jesosy ary nitare hoe: "Lazaiko aminareo, fa raha mangina reo, de hikikika ny vato." 41 Rafa nagnantona ny tanàna Jesosy, de nitomany an'azy, 42 nitare hoe: "Raha mbô fantatrao mantsy am'zao andro zao, iôny anao, reo ra ze mitondra fiadanana ho an'nao! Nefa am'zao fotôna zao regny de miafina amin'ny masonao. 43 Fa ho avy aminao reo andro, ze hananganan'ny fahavalonao manda magnodidigna an'nao, ary hanodidigna an'nao, ary hanery an'nao amin'ny lafiny daôly. 44 Zareo de handavo an'nao amin'ny tany miaraka amin'ny zanakao. Tsy hamela na de vato raika mifanovogna aza zareo, satria anao tsy nafantatra zany fony Andriamanitra niezaka ny hamonjy an'nao." 45 Niditra takao an-tempoly Jesosy ary nanomboka nandrôka reo ze nivarotra, 46 nitare tamin-jareo hoe: "Efa vôsoratra hoe: 'Ny tragnoko de natao tragno fivavahana,' fa anareo kosa magnano zany ho zohy fisitrifan'reo jiolahy." 47 Ka de nampianatra isan'andro takao an-tempoly Jesosy. Reo lôhan'ny mpisorogna sy reo mpagnora-dalàna ary reo mpitarika ny vahôka de nitady hamono an'Azy, 48 fa tsy nahita fomba hagnanôvana zany zareo, satria nazoto nitaino an'Azy ny vahôka daôly.