Toko faha 12

1 Tam'zany, rafa niara-niangona ny vahôka agn'arivony maro, betsaka lôtra haigny ka nifagnitsa-kitro zareo, vôlôny ndrindra de nanomboka nitare tam'reo mpianany Izy hoe: "Tandremo ny masirasiran'reo Fariseo, ze fetsarambelatsy. 2 Fa tsisy takona ze tsy habôgna, ary tsisy misitrika ze tsy ho fantatra. 3 Ka na ino na ino no lazainareo takao amin'ny haizigna de ho regny akao amin'ny fazavana, ary ze nolazainareo takeo an-tsofigna takao agnaty efitragno de hambara aigny an-tapon-tragno. 4 Milaza aminareo Za ry namako, aza matatra reo ze mamony ny tegna, ary afaran'zany de tsisy na ino na ino azony atao tsony. 5 Fa hampitandrina an'nareo Za ny am'ze hataôrana. Matahôra le Raika ze, rafa avy mamono, de managna faefana ny hagnary an'nareo aigny amin'ny helo. Yôny, mitare za, matahôra an'Azy. 6 Tsy amidy farantsa kely roey ma ny adibo dimy? Kanefa tsisy raika am'regny ze tsy tsarôvana akeo amason'Andriamanitra. 7 Fa na ny volon-dônareo aza de vôisa avokoa. Aza matatra. Fa managn-danja mihôtra nohon'ny adibo betsaka anareo. 8 Ozy Za aminareo, ze daôly maneky Anà akeo agnatrehan'ôla, ny Zanak'ôla iany kô de haneky an'azy akeo agnatrehan'reo anjelin'Andriamanitra, 9 fa ze mandà Anà akeo agnatrehan'ny ôla de ho lavina akeo agnatrehan'reo anjelin'Andriamanitra. 10 Ze daôly mikoragna magnohitra ny Zanak'Ôla, de ho avela amin'azy zany, fa ze daôly mikoragna ratsy magnohitra ny Fanahy Masina kosa, de tsy ho vôvela zany. 11 Rafa mitondra an'nareo akeo agnatren'ny synagoga, reo mpanapaka, sy reo manam-paefana zareo, de aza magnà ny am'ze ho fomba fiteninareo ho ferovan-tegnanareo, na ze ho lazainareo, 12 satria ny Fanahy Masina no hampianatra an'nareo ze tokony ho lazainareo am'zany ora zany." 13 Avekeo nisy ôla raika avy tao am'reo vahôka nitare tamin'Azy hoe: "Ry mpampianatra, teneno ny ralahiko mbô hizara lova aminà." 14 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Ralelà, iza no nagnano Anà ho mpitsara na mpanelanelana an'nareo?" 15 Ozy tamin-jareo hoe: "Miambena mbô hiazonanareo ny tegnanareo lavitra reo fanirian-dratsy daôly, satria ny fiaignan'ôla raika de tsy miankina amin'ny fitobaky ny fanagnany." 16 Avekeo Jesosy nagnano fagnoharana raika tamin-jareo, nagnano hoe: "Namokatra betsaka ny sahan'ny leila mpanakarena raika, 17 ary nagnontany tegna izy, nitare hoe: "Ino no ho ataoko, fa tsy managna toerana hitarizana reo vokatro za?" 18 Ozy hoe: "Zao no ho ataoko. Hazerako reo tragno fitôram-bokatro de hanangana gedabe kokoa za, ary akao am'reo no hanangonako ny voako sy reo vokatra hafa. 19 De hitare amin'ny fagnahiko za hoe: "Ry fagnahy, anao de managna vokatra betsaka vôtahiry ho amin'ny taona maro. Mitsahara tsara, mihinàna, misotroa, mifalia."" 20 Fa Andriamanitra nitare tamin'azy hoe: "Gaogna adala, gniany alina ny fagnahinao no halaina aminao, ka reo ra ze nomaninao, ho an'iza ma reo?" 21 Zany ny ôla ze manangona harena ho an'ny tegnany ary tsy manan-karena magnolôna an'Andriamanitra." 22 Jesosy nitare tam'reo mpianany hoe: "Noho zany de taraviko aminareo, aza magnahy ny amin'ny aignanareo - ze ho haninareo, na ny momban'ny tegnanareo - ze ho tafinareo. 23 Fa ny aigna de mihôtra noho ny sakafo, ary ny tegna de mihôtra noho reo fitafena. 24 Hevero ny goaika, tsy mamafy regny na mijinja. Tsy managna fitôram-bokatra regny na tragno fiterizana, kanefa amen'Andrimanitra hanina regny. Salan'ny inona ny fihoaranareo lanja mihôtra noho reo voron! 25 Iza aminareo no afaka magnampy haio raika ny andro iaignany amin'ny fanahiana? 26 Ka raha zany ra kely ndrindra zany aza tsy hainareo atao, magnino anareo no mignahy ny amin'ny sisa? 27 Hevero reo lilia - manakôry ny faniriny. Tsy miasa izy regny, na mamoly. Kanefa taraviko aminareo, na Solomona tamin'ny voninahiny manontolo aza tsy nitafy salan'ny raika tam'reny. 28 Raha tafian'Andriamanitra salan'zany reo ahitra aigny an-tsaha, ze akeo gniany, ary ny amaraigna de arena agnaty fatagna, ôtran'ny ino ny hampitafiany an'nareo mihôtra lavitra noho zany, anareo ry kely finoana ô! 29 Aza mikaraka ze ho haninareo sy ze ho sotroinareo, ary aza magnahiahy. 30 Fa reo firenena daôly aketo am'zao tontolo zao reo de mitady regny ra regny, ary fantatry ny Rainareo fa mila an'regny anareo. 31 Fa katsaho ny fanjakany, de hamena ho fanampiny ho an'nareo regny ra regny. 32 Aza matatra,ry andian'ondry vitsy, satria ny Rainareo de tegna faly hagnome an'nareo ny fanjakana. 33 Amidio reo fanagnanareo ary ameo ny mahantra. Magnanôva fitôram-bola ho an'ny tegnanareo ze tsy mety ho tonta - harena aigny an-dagnitra ze tsy mety lany, ze tsisy mpangalatra manakeky, ary tsisy kalalao mandratra. 34 Fa aigny am'ze hitôran'ny harenareo, de ho aigny fôgna kô ny fonareo. 35 Ôka ny akanjo lavanareo ho hasikinareo ny andilanareo, ary ôka ny jironareo hiretra hatraigny, 36 ary magnanôva salan''reo ôla ze miambina reo tompony hiverigna avy akaigny amin'ny lanonam-pampakaram-bady, mbô rafa tonga izy ka mandondogna, de ho afaka hagnokatra ny varavaragna ho an'azy avy hatraigny zareo. 37 Sambatra reo mpanompo, ze hitan'ny tompony fa niambina rafa tonga izy. Taraviko marigna aminareo, fa hisikina ny lamba lavany amin'ny andilagny izy, ary hampipetraka an-jareo akeo an-databatra, ka ho avy izy ary hanompo an-jareo. 38 Raha ho avy amin'ny ora faharoa amin'ny alina ny tompo, na aminny ora fatelo aza, ka matazagna an-jareo vonona, de ho ambatra reo mpanompo reo. 39 Ho fanampin'zany de fantaro zao, fa raha fantatry ny tompon-tragno ny ora hatongavan'ny mpangalatra, de tsy namela ny tragnony ho vakina izy. 40 Miomagna iany kô, fa tsy fantatrareo ny ora hiaven'ny Zanak'Ôla." 41 Petera nitare hoe: "Tompo ô, aminay iany ma no itinennao an'zany fagnoharana zany, se amin'ôla daôly iany kô? 42 Ny Tompo nitare hoe: "Iza ary no mpitantana mahatoky sy hendry ze ho tendren'ny tompony ho ambonin'reo mpanompony hafa mbô hagnome an-jareo ny anjara hanin-jareo amin'ny fotôna mety? 43 Sambatra zany mpanompo zany, ze hitan'ny tompony magnano zany rafa tonga izy. 44 Taraviko marigna aminareo fa ho tendreny hagnapaka ny fanagnany daôly izy. 45 Fa raha mieritreritra akao am-pony zany mpanompo zany hoe: "Nahemotry ny tompoko ny fiviregnany," ka magnomboka mamono an'reo mpanompo lahy sy vavy, ary mihinana sy misotro, ka lasa mamo, 46 ny tompon'zany mpanompo zany de ho avy amin'ny andro tsy ampozigny, ary amin'ny ora tsy fantany, ary hagnapatapaka an'azy ka hanomana toerana ho an'azy miaraka am'reo tsy mahatoky. 47 Zany mpanompo zany, nafantatra ny sitrapon'ny tompony, kanefa tsy niomana na nagnano araka ny sitrapony, de ho karavasena amin'ny karavasy maro. 48 Fa ze tsy nafantatra ary nagnano ze mendrika ahazoana kapoka kosa, de ho karavaseny amin'ny karavasy kely. Fa reo daôly ze namena betsaka, de ho betsaka tokoa no ho takiana amin'azy, ary reo ze nanankinana betsaka, de ho betsaka lavitra aza no hangatàna amin'azy. 49 Tonga Za hagnipy afo aigny ambonin'ny tany, ary ôtran'ny ino ny nagniriko mbô hirehetan'zany sahady. 50 Fa managna fagnanôvam-batisa mbô hagnanôvana batisa Za, ary ôtran'ny ino ny fahoriako mandram-patanterak'zany! 51 Mihevitra ma anareo fa tonga Za mbô hitondra fiadanana aketo an-tany? Tsia, milaza aminareo Za, fa fisarahana aza. 52 Magnomboka zao de hisy dimy akao amin'ny tragno raika ze hisaratsaraka - ôla telo magnohitra ny roey, ary ôla roey magnohitra ny telo. 53 Hisaratsaraka zareo, ary ny ray hagnohitra ny zanaka lahy, ary ny zanaka lahy hagnohitra ny ray; ny reny hagnohitra ny zanaka vavy ary ny zanaka vavy hagnohitra ny reny; ny rafozam-bavy hagnohitra ny vinanto vavy, ary ny vinanto vavy hagnohitra ny rafozam-bavy." 54 Nikoragna tam'reo vahôka kô Jesosy hoe: "Rafa matazagna rôndro miforona aigny andrefana anareo, de ozy avy hatraigny anareo hoe: "Hisy ranon'orana ho avy," ary de mitranga zany. 55 Rafa misy rivotra mitsoka avy aigny atsimo, de ozy anareo hoe: "Hisy hafanana be ho avy," avy mitranga zany. 56 Ry mpiatsaravelatsihy, hainareo ny mandika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, fa magnino ma no tsy ahaizanareo mamantatra zao andro am'zao fotôna zao? 57 Magnino ma anareo no tsy mitsara ze marina ho an'ny tegnanareo? 58 Fa rafa mande miaraka amin'ny mpifagnandrina amiinareo akeo agnatrehan'ny mpitsara ambony anareo, aigny an-dàlana de miezaha handamina ny ôla miaraka amin'azy mbô tsy handehanany handrirotra an'nareo akeo amin'ny mpitsara, ary mbô tsy hagnoloran'ny mpitsara an'nareo aigny amin'ny mpamatotra, ary mbô tsy handefasan'ny mpamatotra an'nareo aigny am-ponja. 59 Ozy Za aminareo, tsy ho tafavôka akao mitsy anareo mandra-pandônareo ny vola faran'ze kely ndrindraka."