Toko faha 11

1 De zao no nitranga rafa nivavaka tao amin'ny tôrana raika Jesosy, nisy raika tam'reo mpianany nitare tamin'Azy hoe: "Tompo, mba hampenaro mivavaka zahay salan'ny nampenaran'i Jaona reo mpianany." 2 Ozy Jesosy tam'jareo hoe: "Rafa mivavaka nareo de tineno hoe: "Ray ô! ho hamasinina anie ny agnaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. 3 Ameo an'nay ny haninay isan'andro. 4 Avelao ny fahotanay, salan'ny namelanay ze meloka tamin'any. Aza mitondra an'nay ho aigny amin'ny fakam-pagna." 5 Jesosy nitare tam'jareo hoe: "Iza aminareo no hanagna namana, ary hande ho aigny amin'azy amin'ny sasak'alina, ary hagnano amin'azy hoe: "Ry namana, mba ampidramo mofo telo za, 6 fa misy namako raika vô tonga avy aigny alavitra, ary tsy managna na ino na ino hamena an'azy za." 7 Ary mety hamaly an'azy ny raika tao an-dragno ka hagnano hoe: "Aza magnelingelina anà." Efa midy ny varavarana, ary ny zanako, efa akeo ampadrena, miaraka aminà. Tsy afaka mitsangana za hagnome mofo an'nao." 8 Milaza aminareo Za, fa na de tsy mitsangana sy magnome mofo an'nareo aza izy satria namany anareo, de non'ny fikirizanareo tsisy henatra, de hitsangana izy ary hagnome an'nareo ny mofo daôly ze ilainareo. 9 Mbola milaza aminareo kô za, mangatà de homena an'nareo zany; mitadiava de hahita nareo; dondomy, de ho vohana nareo. 10 Fa ny ôla daôly ze mangataka de mahazo, ary ze mitady de mahita; ary ze ôla mandodona, de ho vohana. 11 Iza aminareo raim-pianakavina reo no raha mangataka lapia ny zanakareo, de hagnome an'azy bibilava fa tsy lapia? (Fagnamarihana: Ireo fandikana tsara indrindra misy vaki-teny foika kokoa, ze arantsika eto. Ny fandikana talô sasagny de misy vakin-teny lavalava kokoa, ze hita akao amin'ny Matio 7: 9 ihany kô: "Raim-pianakaviana izy aminareo, raha mangataka mofo ny zanakareo, no hagnome an'azy vato? Na lapia, de hagnome an'azy bibilava?") 12 Na raha mangataka atody izy, de homenareo maingoka ma izy? 13 No zany, raha nareo ratsy fagna aza mahay magnome fagnomezana tsara ho an'ny zanakareo, de ôtran'ny magnakôry ny haleben'ny Fanahy Masina homen'ny rainareo ze aigny an-dagnitra ho an'reo ze mangataka amin'azy?" 14 Ary Jesosy nandrôka demonia môgna. Rafa nivôka le demonia, de lasa nahay nitare le leila ze môgna, ary de gaga ny vahôka. 15 Fa ny ôla sasagny nilaza fa: "Amin'ny alalan'i Belzeboba, ze mpitarika ny demonia, no androasany demonia.' 16 Ny sasagny nitsapa an'Azy ary nitsikaraka famantarana avy aigny an-dagnitra tamin'azy. 17 Nefa fantatr'i jesosy ze tao an-tsain'jareo ka nitare tamin'jareo Izy hoe: "Reo fanjakana daôly ze mizarazara de ho rava, ary ny tragno ze mizarazara de hirodana." 18 Ka raha miady an-dragno ary Satana, ahôna no hampaharitra ny fanjakany? Fa ozy nareo hoe mandrôka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba Za. 19 Fa raha mandrôka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba ary Za, amin'ny alalan'iza kosany no androasan'ny mpanara-de an'nareo an'azy? No zany, de izy reo no hitsara an'nareo. 20 Fa raha mandrôka ny demonia amin'ny alalan'ny ratsan-tagnanan'Andriamanitra Za, de tonga aminareo ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Rafa ampy fitaovana tsara ny leila mahery raika miandry ny tragnony, de vôaro ny hareny, 22 nefa kosa raha mahery no izy ny leila raika ka mandresy an'azy, de alain'le leila mahery kokoa amin'le leila ny fiadiana, ary ho robainy ny fagnanan'le leila. 23 Ze tsy miaraka aminà de manohitra Anà, ary ze tsy miangona miaraka aminà de misaraka. 24 Rafa miala amin'ny ôla raika ny fagna ratsy, de lasa izy mamakivaky toerana tsy misy rano ary mitady fitsaharana. Ary rafa tsy mahita, de ozy izy hoe: "Ande hiverigna aigny amin'ny tragno neviko za." 25 Rafa tafaverina, izy de mahita an'zany tragno zany vôdio sy vôlamina. 26 Avy akeo de lasa izy ary maka fagna hafa ratsy mihôtra ny tegnany miisa fito miaraka amin'azy izy ary de miditra mba hitoetra akao izy daôly. Ka ratsy kokoa noho le vôlôny ny fefaran'zany ôla zany." 27 Ary raha nitare reo ra reo Izy, de nisy vevavy raika nanandratra ny feony tao agnaty vahôka ary nagnano tamin'azy hoe: "Sambatra ny kibo ze niteraka an'Nao sy ny nono ze ninonoanao." 28 Fa ozy kosany Izy hoe: "Sambatra, kokoa aza reo ze mitaino ny tenin'Andriamanitra sy mitagna an'zany." 29 Ary raha mbola mitombo ny vahôka, de nanomboka nitare Jesosy hoe: "Ty taranaka ty de taranaka ratsy. Mitady famantarana izy, nefa tsisy famantarana abôgna an'azy afa-tsy ny famantaran'i Jona. 30 Fa ôtran'ny natonga an'i Jona ho famantarana tam'reo Ninivita, salan'zany kô de ho famantarana ny Zank'Ola amin'ty taranaka ty. 31 Ny Mpanjaka vavin'ny Atsimo de hitsangana amin'ny fitsarana miaraka am'reo leila am'ty taranaka ty fa hanameloka an'azy reo, fa tonga avy aigny amin'ny faran'ny tany izy mba hiaino ny fahendren'i Solomona, ary eto ny ôla leibe nony Solomona. 32 Ny leilan'i Ninive de hiara hitsangana am'ty taranaka ty amin'ny fitsarana ary hanameloka an'azy, satria nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona an'jareo, ary io misy ôla leibe nony Jona aketo. 33 Tsisy ôla raika, raha avy nandretra jiro, de mametraka an'zany amin'ny tôrana takona na akao ambanin'ny harona, fa atao eo amin'ny fitôran-jiro, mba ho tazan'ze miditra ny hazavana. 34 Ny masonao no jiron'ny vatana. Rafa tsara ny masonao, de rakotra hazavana ny tegna daôly. Fa raha ratsy kosa ny masonao, de feno haizina ny tegnanao. 35 No zany, mitandrema nareo mba tsy ho maizina ny hazavana akao aminareo. 36 Ary raha feno hazavana ary ny tegnanao daôly, ka tsisy ampahan'zany akao agnaty haizina, de ho salan'ny jiro ze mampamiratra ny hazavany akeo aminao ny tegnanao magnontolo. 37 Rafa vita ny resany, de nisy Fariseo nagnasa an'azy hiara-hinana amin'azy aigny an-dragnony, de niditra Jesosy ka nipetraka. 38 Gaga le fariseo fa tsy nisasa Jesosy alôn'ny hinanana. 39 Fa ozy ny Tompo tamin'azy hoe: "Am'zao, nareo Fariseo, de manadio ny ambelan'ny tasy sy ny vilia, nefa ny akao agnatinareo de feno faratsena." 40 Anareo ry kely saigna! Tsy nagnano an'ze akao agnatiny fôgna kô ma ze nagnano ny ambelany? 41 Amena ny mahantra ze akao agnatany, de ho madio ho an'nareo avokoa ny ra daôly. 42 Fa loza ho an'nareo ry Fariseo, satria mandô ny ampafolon'ny solika sy ny rota ary ny kakazo hafa eigny an-tsaha anareo, nefa tsy norarahinareo ny famarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra. Ilaina ny magnano ny marina sy mite an'Andriamanitra, no sady tsy manadino ny magnano reo ra hafa fôgna kô. 43 Loza ho an'nareo ry Fariseo, fa tenareo ny tôrana vôlôny eigny amin'ny synagoga sy ny ferabana feno fanajana an'nareo eigny an-tsena. 44 Loza ho an'nareo, fa nareo de ôtran'ny fasagna tsisy famantarana ze hitsahin'ny ôla fa tsy fantany zany. 45 Ny raika tam'reo mpampianatra lalàna nitare tamin'azy hoe: "Mpampianatra ô! zany lazainao zany de maniratsira an'nay kô." 46 Jesosy nitare hoe: "Loza ho an'nareo, ry mpampiana-dalàna! Fa mampitondra enta-mavesatra tsy zakan'ny ôla nareo, nefa tsy mikasika an'zany enta-mavesatra zany na de ny ratsan-tagnanareo raika aza. 47 Loza ho an'nareo, satria magnorina fasagna ho an'reo mpaminagny anareo, nefa ny razambenaroe no namono an'azy reo. 48 Ka vavolombelona ary magneiky ny asan'ny razanareo nareo, fa namono an'azy reo tokoa izy reo ary nareo no manorina ny fasagny. 49 No zany fôgna kô, no nanambaran'ny fahedren'Andriamanitra hoe: "Handefa mpaminagny sy apostoly am'jareo Za, ary zareo hamono sy hanejika ny sasagny am'jareo." 50 Ty taranaka ty, zany no tompon'andraikitra amin'ny ràn'reo mpaminagny daôly nilatsaka hatramin'ny naharian'zao tontolo zao, 51 nanomboka teo amin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria, ze novonoina teo agnelagnelan'ny alitara sy ny fitoerana masina. Eny, lazaiko marina aminareo, fa ty taranaka ty no ho tompon'antoka. 52 Loza ho an'nareo ry mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy, satria nalainareo ny lakilen'ny fahalalana; tsy miditra akao ny tegnanareo, ary sakananareo reo ze miditra." 53 Tafaran'ny nelan'i Jesosy teo, de nanohitra an'Azy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary niady hevitra tamin'azy makasika ny ra maro, 54 sady niezaka ny hamadrika an'Azy tamin'ny teniny fôgna.