Toko faha 10

1 Ary tafaran'regny ra regny, de nifidy fitopolo là ( Fagnamarihana: Maro am'reo fandikana talô tsara indrindra no mivaky hoe: "Fitopolo", Fa ny sasagny mivaky hoe: "Roam-fitopolo.") hafa ny Tompo, ary nandefa an'azy regny tsiroroa nelô an'Azy taigny amin'ny tanàna sy tôrana ze efa handianany. 2 Ozy Izy tam'jareo hoe: "Be ny vokatra, fa vitsy ny mpiasa. No zany hangataho ny Tompon'ny vokatra mba handefa mpiasa mba ho aigny amin'ny vokatra. 3 Mandiana amin'ny lalanareo. Zahao, alefako salan'ny zanak'ondry akeo ampovôn'ny ambôdia anareo. 4 Aza mitondra fitôram-bola, na fitôran'entana, na kapa, ary aza miarahaba n'iza n'iza aigny an-dalana. 5 Ze tragno hidiranareo, lazao alô hoe: 'Fedanana anie ho am'ty trano ty! 6 Raha misy ôlon'ny fedanana akao, de hitôtra am'azy ny fedanana ze lazainareo, fa raha tsisy kosany, de hiverigna aminareo zany. 7 Mipetra akao am'io trano io fôgna, minàna sy misotro ze omen'jareo, fa ny mpiasa de mendrika ny karamany. Aza mifidrafindra tragno. 8 Fa am'ze tanàna idiranareo, ka matory nareo, hoano ze amegny akeo agnolônareo, 9 ary sitragno ny marary ze akao. Lazao zareo hoe: 'Efa magnakeky an'nareo ny fanjakan'Andriamanitra.' 10 N'ovina n'ovina nareo no miditra tanàna ka tsy mapatory an'nareo zareo, de mivoaha akao, ary lazao hoe: 11 "Fa na de ny vovoky ny tanànanareo ze miraikitra amin'ny tongotray aza de ho fafanay hanoitra an'nareo! Fantaro anefa zao: Efa magnakeky ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Lazaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana de ho azo leferina kokoa ny an'i Sodoma nony an'zany tanàna zany. 13 Loza ho an'nao, ry Korazina! Loza ho an'nao, ry Betsaida! Fa raha ny asa leibe ze natao tao aminao no natao taigny Tyro sy Sidona, de efa ela zareo no nibebaka, nipetraka tamin'ny lamba fisaonana sy lavenona. 14 Fa ho azo leferina kokoa ny an'i Tyro sy Sidona amin'ny fitsarana nony aminareo. 15 Enao, ry Kapernaomy, mieritreritra ma enao fa ho hasandratra aigny an-dagnitra? Tsia, ho entina midigna aigny amin'ny Hadesy enao. 16 Ze mitaino an'nareo de mitaino Anà, ary ze mandà an'nareo de mandà Anà, ary ze mandà Anà de mandà le naniraka Anà." 17 Niverigna am-pifalena reo fito-polo, ka nilaza hoe: 'Tompo, na de ny demonia aza de nagneky an'nay tamin'ny agnaranao." 18 Jesosy nitare tam'jareo hoe: Nijery an'i Satana nilatsaka avy aigny an-dagnitra ôtran'ny tselatra Za." 19 Zahao, fa efa nameko an'nareo ny fahefana hagnitsaka ny menarana, ny maigoka, ary ambonin'ny hery daôlin'ny fahavalo, ary na ino na ino de tsy hisy handratra an'nareo amin'ny fomba maro. 20 Na de zany aza de aza mifaly fotsiny am'zany, ho nagneky an'nareo ny fagna, fa mifale hoe vôsoratra aigny an-dagnitra ny agnaranareo." 21 Tamin'io fotôna io ihany de nifaly tokô tao amin'ny Fanahy Masina izy, ary nitare hoe: "Midera Anao Za, ry Ray, Tompon'ny lagnitra sy ny tany, fa efa nasitrika tamin'ny hendry sy ny manan-tsaigna regny ra regny, fa nambara tam'reo tsy manam-palalana, salan'ny zaza madinika. Eny Raiko, fa zany no ankasitrana tsara akeo amasonao." 22 Ny ra-daôly de nankignin'ny Ray taminà, ary tsisy malala hoe iza ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsisy malala hoe iza ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy ze nosafidian'ny Zanaka atoro an'Azy." 23 Avy teo de nitodika teo am'reo mpianatra Izy ka nilaza mangingina hoe: "Sambatra ze mahita reo ra ze hitanareo. 24 Lazaiko aminareo, mpaminagny sy mpanjaka maro no nagniry ahita ze ra hitanareo, fa tsy hitan'jareo, ary areigny reo ra reignareo, fa tsy reign'jareo zany." 25 Io misy mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy raika nitsangana mba hitsapa an'Azy, ka nilaza hoe: 'Mpampianatra ô! ino no tsy maintsy hataoko mba handova ny fiaignana mandrakizay? 26 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Ino no vôsoratra akao amin'ny lalàna? Manakôry ny famakinao an'zany? 27 Nagnome valiteny izy de nitare hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao daôly, amin'ny fagnanao daôly, amin'ny herinao daôly, ary amin'ny fisainanao magnontolo, ary ny namanao salan'ny tegnanao.' 28 Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Marina ny navalinao. Ataovy zany, de ho velona enao." 29 Fa le mpampianatra, nagniry hagnamarina ny tegnany, de nitare tamin'i Jesosy hoe: 'Iza no namako? 30 Namaly an'azy Jesosy ka nitare hoe: Nisy leila raika nidigna avy aigny Jerosalema ho aigny Jeriko. Izy de azon'reo mpandroba, ze nagnendaka reo fanagnana daôly taigny amin'azy, sy nikapoka an'azy, ary namely an'azy efa ho foaty. 31 Ary nisy mpisorogna nandalo tam'zany lalana zany, ary nony natazagna an'azy izy, de nandeha taigny am-pita. 32 Ôtran'zany kô ny Levita raika, rafa nandalo tamin'le tôrana ka natazagna an'azy, de nandeha taigny am-pita. 33 Fa nisy Samaritana raika, refa nande tamin'ny nombany izy, de tonga teo amin'ny nisy an'azy. Rafa natazagna an'azy izy, de nitsetra an'azy. 34 De nagnatogna an'azy izy ka namatotra ny ratrany, ary nandraraka menaka sy divay tam'zany. Nampitikinany ny bibiny izy, ka nentiny taigny amin'ny tragnom-bahiny, ary nokarakarainy. 35 Ny amaraigna de naka denaria rôy izy, ary nagnolotra an'zany tamin'ny mpampentragno, ary nagnano hoe: "Karakarao izy, ary na ôtrino na ôtrino laninao, ra mierigna za de efaiko." 36 Iza amin'izy telo reo, araka ny eritreritrao, no naman'le azon'ny mpandroba?" 37 Namaly le mpampianatra hoe: "Le raika ze nagnano fentrana an'azy." Jesosy nitare tamin'azy hoe: "Mandana ary magnanôva salan'zany kô." 38 Ary raha niara-nande zareo, de niditra tao amin'ny tanàna raika Izy, ary nisy vevavy raika antsovina hoe Marta nampandroso an'Azy tao an-tragnony. 39 Nanagna ravavy atao hoe Maria izy, ze nipetraka teo an-tongotry ny Tompo ary nareigny ny teniny. 40 Fa Marta sahirana be tamin'ny fikarakarana ny ahanina aroso. Nankeo am'i Jesosy izy, de nagnano hoe: "Tompo, tsy mampagnino an'Nao ma ny namelan'ny ravaviko anà hanompo rerika? Mba taravo izy mba hanampy anà." 41 Fa namaly ny Tompo ka nagnano tamin'azy hoe: "Marta, Marta, magnahy am'ra maro be enao, 42 kanefa ra raika ihany no tegna ilaina. Maria de efa nifidy ze tsara indrindra, ze tsy ho alana amin'azy."