Toko faha 6

1 Ary tam'zany andro zany, rafa nenitombo ny isan'reo mpianatra, de nanomboka nisy fitaraignana tam'reo Jiosy miteny Grika hanoherana an'reo Hebreo, satria tanaon-jareo tsisy dikany reo mpitondra-tegnany tamin'ny fizarana ahanina isan'andro 2 Ny tombefolo de nagnantso an'reo mpianatra daôly ho aigny amin-jareo sady nitare hoe: "Tsy mety ho antsika raha mandôsa ny tenin'Andriamanitra mbô hikarakara reo latabatra. 3 Noho zany anareo de tokony mifidy, ry ralà, fito aminareo, leila tsara laza, feno ny Fanahy sy fahendrena, mbô ho tendrenay hikarakara an'zany raharaha zany. 4 Raha ny aminay, de hanohy hatraigny amin'ny fivavahana sy amin'ny fampenarana ny teny zahay." 5 Nahafinaritra ny ôla daôly ny teny nataon-jareo. Ka nifidy an'i Stefana zareo, leila feno finoana sy Fanahy Masina, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, proselyta avy aigny Antiokia. 6 Reo mpino de nitondra an'reo leila takeo agnatrehan'ny Apostoly, ze nivavaka sy nametraka ny tagnan-jareo. 7 Ka niparitaka hatraigny ny tenin'Andriamanitra, ary ny isan'ny mpianatra takao Jerosalema de nenitombo be, ary mpisorona betsaka be kosa no lasa mpankatoa ny finoana. 8 Ary stefana, feno fahasoavana sy hery, de nagnano fahagagana sy famantarana lehibe takeo amin'ny vahôka. 9 Fa nisy vahôka sasagny nitsangana ze an'ny synagoga ze atao hoe ny Synagogan'ny Libertina, sy an'ny Kyreniana sy Aeksandriana, ary ny sasagny avy aigny Kilikia sy Azia. Reo ôla reo de niady hevitra tamin'i Stefana. 10 zareo de tsy natohitra ny fahendrena sy ny Fanahy ze nitinenan'i Stefana. 11 Avekeo de nisy ôla nagnanôvan-jareo kolikoly mbô hitare hoe: "Efa regninay i Stefana niteny ratsy momban'i Mosesy sy Andriamanitra." 12 Nanaitra ny ôla zareo, ny lôhôla, sy ny mpanora-dalàna, de nankeo amin'i Stefana zareo ary nisambotra an'azy sy nitondra an'azy takeo agnatrehan'reo mpagnolotsaigna. 13 Ary zareo de nitondra fijoroana vavolombelona diso, de nitare hoe: "Ity leila ito de tsy mitsahatra miteny ratsy ty fitôragna masina ty sy ny lalàna. 14 Fa zahay de naregny an'azy nitare fa io Jesosy avy aigny Nazareta io de handrava ty tôrana ty sy hagnôva reo fomba ze natolotr'i Mosesy an-tsikana." 15 Reo daôly ze nipetraka takeo amin'ny tôran'ny mpagnolotsaigna de nandinika an'azy ka natazagna fa salan'ny anjely ny tarehiny.