Toko faha 18

1 Ary tao afaran'reo ra reo Paoly de niala takao Atena ary nankaigny Korinto. 2 Nihaogna taminà Jiosy nantsovina hoe Akoila tao izy, tera-tany Ponto, ze vô tonga avy taigny Italia niaraka tamin'i Prisila vadiny, satria i Klaodio nandidy ny Jiosy daôly hiala tao Roma. Paoly nankeo amin'jareo, 3 ary satria varotra mitavy ihany no hiasany, de niara-nipetraka tam-jareo izy ary niasa, fa ny magnano lay no asan'jareo. 4 Ka niady hevitra takao amin'ny syngago isaky ny Sabata i Paoly. Nandresy lahatra reo Jiosy sy Grika izy. 5 Fa rafa nidigna avy taigny Makedonia i Silasy sy Timoty, de noteren'ny Fagna hagnambara am'reo Jiosy fa Jesosy no Kristy i Paoly. 6 Rafa nanohitra sy nagnesoeso an'azy reo Jiosy, de nagnofaofa ny lambany taigny amin'izy reo i Paoly ka nagnano hoe: "Ho akeo amin'ny lônareo anieo ny rànareo; tsy manan-tsigny za. Fa manomboka zao de ho aigny amin'ny Jentilisa za." 7 De niala teo izy avy eo ary nande nankaigny an-tranon'i Titosy Josto, leila ze manompo an'Andriamanitra. Ny tragnony de akekin'ny synagoga. 8 Krispo, mpitarika ny synagoga, nino ny Tompo, niaraka tam'reo daôly ze nipetra tao amin'ny tragnony; ary betsaka tam'reo Korintiana ze nareigny ny momba an'zany no nino sy natao batisa. 9 Ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana ny alina hoe: "Aza matatra, ary aza mangina fa mitenena. 10 Fa za momba an'nao, ary tsisy ôla hahazo hagnano ratsy an'nao, fa managna ôla betsaka am'ty tanàna ty Za." 11 Nitôtra tao herintaona sy enim-bolana i Paoly ary nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo am'jareo. 12 Fa rafa lasa governoran'ny Akaia i Galio, de niara-nitsangana reo Jiosy hanohitra an'i Paoly ka nitondra an'azy teo agnatrehan'ny toeram-pitsarana; 13 niteny izy reo hoe: "Io leila io de mandresy lahatra ny vahôka mba hanompo an'Andriamanitra ze mifanohitra amin'ny lalàna." 14 Ary raha hande hiteny Paoly, de niteny tamin'ny Jiosy i Galio hoe: "Anareo Jiosy, raha to ka resaka ra-dratsy na heloka zany, de mbola azo eritreretina ny fifampiraharahana aminareo." 15 Fa hatrizay nisin'reo fagnontanena momba an'reo teny sy agnarana ary lalàna manokana reo, alaminonareo zany. Za tsy magniry ny ho mpitsara zany raharaha zany." 16 Fa Galio nandrôka an'azy reo hiala teo amin'ny fitsarana. 17 Ka nisambotra an'i Sostena izy daôly, mpanapaka ny synagoga, ary nikapoka an'azy teo agnolôn'ny tôram-pitsaran. Fa Galio tsy niraharaha an'ze nataon'jareo. 18 Paoly, rafa avy nipetraka tao nandritry ny andro maromaro kokô, de nametraka an'reo rahala ka niodrana an-tsambo ho aigny Syria niaraka tamin'i Prisila sy Akolia. Talôn'ny niaingany teo amin'ny seranan-tsambo de nohetezany tao Kenkrea ny volony no le voady ze nataony. 19 Rafa tonga taigny Efesosy zareo, de navelan'i Paoly teo i Prisila sy Akoila, fa izy tegnany niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tam'reo Jiosy. 20 Rafa nangtaka an'i Paoly mba hijanona ala ela izy reo, de nandà izy. 21 Fa nandalo an'azy reo izy, niteny hoe: 'Mbola hiverigna aty za raha sitrapon'Andriamanitra zany." De niondrana an-tsambo niala takao Efesosy izy avy takeo. 22 Rafa nagnatso tao Kaisaria i Paoly, de niakatra izy ka niarahaba ny fiangonan'ny Jerosalema ary nidigna nankaigny Antioky avy akeo. 23 Rafa avy nitôtra ora maromaro takao izy, de niainga i Paoly ka nitety reo faritr'i Galatia sy Frygia ary nankahery ny mpianatra daôly. 24 Ary nisy Jiosy raika nantsovina hoe Apolosy, teraka taigny Aleksandria, tonga takao Efesosy. Izy de nahay nanda-teny sady nalala tsara ny Soratra Masina. 25 Apolosy de nampegnarina tamin'ny fampegnaran'ny Tompo. Mafatra-po amin'ny fagna, izy niteny sy nampianatra marina reo ra makasika an'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany. 26 Apolosy nanomboka nitare am-pasahina tao amin'ny synagoga. Fa rafa nareigny an'azy i Prisila sy Akoila, de naka an'azy ho akeigny amin'ny sisiny ary nagnazava tamin'azy marina kokô ny lalan'Andriamanitra. 27 Rafa nagniry mba hamakivaky an'i Akaia izy, de nampahery an'azy reo rahala ary nagnoratra ho an'reo mpianatra tao Akaia mba handray an'azy. Rafa tonga izy, de nanampy betsaka reo ze nino tamin'ny fasoavana. 28 Apolosy nanohitra mafy an'reo nampiseho tamin'ny alalan'ny Soratra Masina Fa Jesosy no Kristy.