Toko faha 15

1 Ny ôla sasagny de nidigna avy taigny Jodia hankaigny Antiokia ary nampianatra reo rahalà, ka niteny hoe: "Raha tsy vita famorona araka ny fomba fataon'i Mosesy anareo, de tsy vôvonjy nareo." 2 Zany de natonga an'i Paoly sy Baranabasy tao agnaty fifandirana sy ady hevitra tam-jareo. No zany i Paoly sy i Barnabasy de vôtendry niaraka tam'sasagny hafa tam-jareo hiakatra aigny Jerosalema mba hiaogna am'reo apostoly sy reo loholona momba an'zany fagnontanena zany. 3 No zany zareo de nalefan'ny fengonana namakivaky an'i Foinika sy Samaria ary nagnambara ny fiovam-pon'ireo Jentilisa. Zareo de nitondra hafalena geda be tam'reo rahalà daôly. 4 Rafa tonga tao Jerosalema zareo, de noraisin'ny fengonana sy reo apostoly ry reo loholona, ka nitantara reo ra daôly ze nataon'Andriamanitra tam'jareo. 5 Nefa ny ôla sasagny ze nino, ze tao amin'ny tarik'ireo Fariseo, de nitsangana sy niteny hoe: "Ilaina ny magnano ny famorana an'azy reo sy ny mibeko an'azy reo hitandrina ny lalàn'i Mosesy." 6 No zany reo apostoly sy reo loholona de niara-nivory mba handinika zany zava-misy zany. 7 Tafaran'ny ady hevitra be, nitsangana i Petera ka niteny tam-jareo hoe: "Ry rahalà, fantatrareo fa efa talô elabe Andriamanitra no nagnano safidy teo aminareo mba ho am'alalan'ny vavako de tokony haregny ny tenin'ny filazantsara, ary hini. 8 Andriamanitra, ze mafantatra ny fo, vavolombelona am-jareo, nagnome ny Fanahy Masina an'azy reo, salan'ny nataony tamintsika; 9 Ary tsy nagnavakavaka tamintsika sy tam-jareo Izy, nagnadio ny fon'jareo tamin'ny finoana. 10 Ary no zany nagnino anareo no mitsara an'Andriamanitra, hoe tokony asena zoga akeo am'vozon'reo mpianata nefa na ny razantsika na tsika aza tsy mavita milanja? 11 Nefa mino tsika fa ho vôvonjy amin'ny alalan'ny fasoavan'i Tompo Jesosy, ôtran'jareo iany kô." 12 Ny ôla daôly de nitana ny fangignana nadritra ny nitainon-jareo an'i Barnabasy sy Paoly mitatitra reo famantarana sy reo fagagana niasan'Andriamanitra ze niasa tam'reo Jentilisa tamin'ny alalan'jareo. 13 Rafa avy nijanona niresaka zareo de namaly Jakoba, niteny hoe: "Ry rahalà, tainô za. 14 I Simeona de efa nagnambara ny fomba nagnampen'Andriamanitra tamim-pasoavana vôlôny reo Jentilisa mba hiaka am-jareo ôla ho an'ny agnarany. 15 Ny tenin'reo mpaminagny de momba an'zany, araka ny vôsoratra hoe: 16 "Afaran'reo ra reo de hiverigna za, ary hanagana ndre ny trano lain'i Davida za, ze efa roba. Hagnambôtra sy hamerigna amin'ny lôny ndre reo faharavany za, 17 mba hikaraka ny Tompo reo ôla sisa tavela, akao agnatin'zany reo Jentilisa daôly ze antsovina amin'ny agnarako." 18 Zao no nolazain'ny Tompo, reo ze efa nagnano reo ra reo ze efa fantatra tam'reo razambe talô. (Fagnamarihana: Reo dikan-teny sasagny talô de mivaky ôtran'zao: "Zao no nolazain'ny Tompo, am'reo ze fantatra tamin'ny andro talô ny asany daôly.) 19 No zanay, ny hevitro de tsy tokony hagnakorontagna reo avy amin'ny Jentilisa ze nitodika tamin'Andriamanitra tsika. 20 Fa tsika de hanoratra ho an'azy reo fa tsy maintsy miala amin'ny falotoan'reo sampy zareo, amin'ny favetavetana, ary amin'ny henan'ny biby vôkenda, sy amin'ny rà izy reo. 21 Satria Mosesy de efa vômbara tamin'ny isan-tanàna tamin'ny andro talô ary izy de vakina akao amin'reo synagoga isaky ny Sabata." 22 De ôtran'ny tsara tam'reo apostoly sy reo loholona, niaraka tamin'ny fengonana manontolo, ny hifidy an'i Joda ze antsovina hoe Barnabasy, sy i Silasy, ze mpitarika ny fengonana, sy ny handefa an'jareo aigny Antokia miaraka am'i Paoly sy Barnabasy. 23 Izy reo de nanoratra an'ty: "Hatraigny am'reo apostoly sy reo loholona, reo rahalahinareo hatramin'reo rahalà avy aigny Jentily aigny Antiokia, Siria, ary Kilikia: Arahaba! 24 Tsika de efa naregny fa reo ôla sasagny de niala tamintsika, tsy nisy baiko avy amintsika, ary nagnelingeligna an'nareo tam'reo fampenarana ze nampikorontagna ny fagnanareo. 25 Zao no izy, zahay daôly de efa nagneky ny hifidy reo leila sy handefa an'azy reo aigny aminareo miaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay, 26 leila ze nagnano ny aigny tsy ho ra ho an'ny agnaran'i Jesosy Kristy Tompontsika. 27 No zany zahay de magniraka an'i Joda sy i Silasy, ze hilaza aminareo io ra io iany amin'ny tenin'jareo manokana. 28 Fa ôtran'ny tsara amin'ny Fanahy Masina sy aminay, ny tsy hampitondra an'nareo entana mavesatra no reo tegna ilaina reo: 29 mba hialanareo am'reo ra nataonareo ho fagnatitra am'reo sampy, rà, reo ra vôkenda, ary avy amin'ny favetavetana. Raha mitandrina ny tegnanareo am'zany nareo, de ho tsara aminareo zany. Veloma." 30 No zany zareo, daôly vôrôka, de nidigna taigny Antiokia; avy teo zareo de namory ny vahôka niaraka, ary nanolotra le taratasy zareo. 31 Rafa vôvakin'jareo zany, de nifaly zareo no ny fampaerezana. 32 Joda sy i Silasy, mpaminagny iany kô, de nankahery reo rahalà tamin'ny teny betsaka sy nampahery an'jareo. 33 Rafa avy nijagnona fotôna vitsy tao zareo, de nalefa am-pedanana avy am'reo rahalà ho aigny am'reo ze nandefa an'jareo reo. 34 (Fagnamarihana: Ny dikan-teny tranaigny ndrindra de magnala ny andininy faha 34 (jereo ny Asa 15:40): "Nefa mbola satrin'i Silasy ny hijanona teo.") 35 Fa i Paoly sy Barnabasy de nijanona taigny Antiokia niaraka tam'reo maro hafa, ze nampenaran'jareo sy nagnambaran'jareo ny tenin'ny Tompo. 36 Tafaran'ny andro vitsy Paoly de niteny tamin'i Barnabasy hoe: "Andao tsika hiverigna zao ary hitsidika reo rahalà aigny amin'ny tanana ze efa nagnambarantsika ny tenin'ny Tompo, ary haita hoe: efa manakôry zareo." 37 I Barnabasy de te hitondra an'i Jaona ze nantsovina hoe Maraka hiarak am-jareo. 38 Nefa i Paoly nievitra fa tsy tsara ny hitondrana an'i Marka, ze nandao an'azy reo taigny Panfilia sy tsy nanohy niara-niasa tam'jareo . 39 Avy teo de nisy fifandirana mafy, ka nisaraka izy reo, ary i Barnabasy nitondra an'i Marka niaraka taminazy ary nande sambo nankaigny Sipra. 40 Fa i Paoly nifidy an'i Silasy ary nande, tafaran'ny nagnomezan'reo rahalà an'azy andraikitra ho an'ny fasoavan'ny Tompo. 41 Avy teo de nande namakivaky an'i Syria sy i Kilikia, ka nampatanjaka an'reo fengonana.