Toko faha 13

1 Ary ny fiangonana tao Antioka, de nisy mpaminagny sy mpampianatra maro. Zareo de Barnabasy, Simona (ze antsovina hoe Nigera). Lisiosa avy amin'i Sirena, Manaena (le rahala ze niolonana tamin'i Heroda mpanapak), ary Saoly. 2 Raha mbola nidera ny Tompo sy nifady ahanina zareo, ny Fanahy Masina nitare hoe: "Atokano ho anà Barnabasy sy i Saoly, mba hagnano ny asa ze nagnatsovako an'azy reo." 3 Tafaran'ny nifaden-jareo ahanina, sy nivavahany, de nametrahan-jareo tagnana reo leila reo, ary nalefan-jareo. 4 Ka nagneiky ny Fanahy Masina i Barnabasy sy i Saoly ka nande nidigna nankaigny Selosia; avy takeo zareode niondra an-tsabo ho aigny amin'ny Nosin'ny sipra. 5 Rafa takao an-tanànan'ny Salamina zareo, de nitory ny tenin'Andriamanitra takao amin'ny Synagogan'reo Jiosy zareo. Ary nanagna an'i Jaoana Marka kô zareo mba ho mpagnampy an'azy. 6 Ary rafa namakivaky ny nosy irai-manontolo mankaigny Pafosy zareo, de natazagna mpagnano aody, ze mpaminagny Jiosy santoka ary ny agnarany de Bara Jesosy. 7 Mpagnana aody ze niara-niasa tamin'reo governora, Serjio Paolosy, ze leila tegna mahay. Nosamborin'io leila io Barnabasy sy i Saoly, satria te hareigny ny tenin'Andriamanitra izy. 8 Fa Elimasy "mpagnano aody" (zany no nandikana ny agnarany) nanohitra an'azy reo, ary niezaka hagnodigna ny governora hiala amin'ny finona izy. 9 Fa i saoly, ze antsovina hoe: Paoly de feno ny Fanahy Masina ary nandinika an'azy tsara. 10 Ka nitare hoe: "Anao ny zanaky ny Devoly, anao de feno ny karazam-paratsena sy fitaka daôly. Fahavalon'ze daôly marina enao. Tsy hijanona ny hamaly ny lala-mhitsin'ny Tompo miitsy enao, se tsy zany. 11 Fa ndreo am'zao, ny tagnan'ny Tompo de efa amela an'nao ka ho tonga jamba anao. Ary tsy hatazagna ny masoandro alô anao. "Teo ny teo de nilatsaka takao amin'i Elimasy ny fanjavojavonana sy fahamaizignana; nanomboka nivezivezy ary nangataka tamin'ôla izy mba hitantana an'azy amin'ny tagnana. 12 Rafa avy natazagna ze ra nibôgna teo ny governora, de nino izy, satria gaga tamin'ny fampenarana momba ny Tompo izy. 13 Ary Paoly sy ny namany de lasana niondrana antsombo avy takao Pafosy nankaigny Perga aigny Pafilia. Fa Jaona kosa nandôsa an'azy reo niverigna taigny Jerosalema. 14 Paoly sy reo namany da nande avy taigny Perga avy nankaigny Antiokan'i Pisidia. Ary tao de nade nankaigny amin'ny synagoga tamin'ny andron'ny Sabata zareo ka nipetraka. 15 Tafaran'ny famakaina ny lalàna sy ny mpaminagny, de nandefa hafatra taigny amin-jareo ny mpitariky ny synagoga nitare hoe: "Ry rahalà, mba managna hafatra fampaherezana ho an'ny ôla aketo anareo, de taravo izany." 16 Ary nitsangana Paoly ary nagnano fihetsika tamin'ny tagnany, ka nitare hoe: "Ry olon' Israely anareo ze magnano voninahitra an'Andriamanitra, mitaino. 17 Ny Andriamanitra ny olon'Israely de nisafidy ny raintsika ary nampitombo isy ny ôla rafa nipetrak takeo amin'ny tanin'ny Egypta, ary tamin'ny andro fanandratana ny sandriny de notarihiny nivôka takao izy. 18 Ary nandefitra tamin'azy reo taigny agnefitra nandritry ny efapolo taona teo ho eo. (Fagnamarihana: Ny dikan-teny talô de mivaky salan'zao: "Nandritry ny efapolo taona eo ho eo de niahy an'azy reo taigny agnefitra izy.") 19 Ary rafa avy nandrava firenena fito taigny amin'ny tany Kanana izy, de nameny ny vahôkantsika ny tanin'jareo mba ho lova. 20 Zany ra-daôly zany de efa tamin'ny faha dimapolo sy efa-jato taona. Tafaran'zany ra daôly zany, Andriamanitra de nagnome mpitsara an'azy mandrapatongan'i Samoela mpaminagny. 21 Avy takeo de nangataka mpanjaka ny ôla, ary Andriamanitra nagnome an'azy reo an'i Saoly zanak'i Kisa, leila avy amin'ny fokon'i Benjamina, mba ho mpanjaka mandritry ny efapolo taona. 22 Ary avy takeo ndre Andriamanitra de nangala an'azy takeo amin'ny fanjakany, ka nanandratra an'i Davida mba ho mpanjakan-jareo. Fa zany no nolazain'Andriamanitra momba an'i Davida hoe: Efa natazagna an'i Davida zanak'i Jesea za mba ho olon'ny foko, ze hagnano ze daôly teko hataony. 23 Fa avy amin'ny taranak'io leila io no hitondran'Andriamanitra mpagnavotra ho an'Israely, de Jesosy, araka ze efa nampagnantenainy hatao. 24 Nanomboka nibôgna zany talôn'ny nahatongavan'i Jesosy, Jaona nagnambara vôlôny tamin'ny vahôkan'Israely daôly momba ny batisan'ny fibebahana. 25 Satria Jaona efa nahavita ny asany, de ozy izy: "Izy no eritreretanareo anà? Tsy za le izy. Fa tandrigneso fa, hisy raika ze avy afarako, ary ny kiraro amin'ny tongony de tsy hamendrika anà ny hamaha an'azy. 26 Ry rahala, zanaka avy amin'ny taranak'i Abrahama, ary ze midera an'Andriamanitra daôly akeo aminareo, ho antsika no nandefasana an'zany hafatra momban'ny famonjena zany. 27 Fa re ze mipetrak aigny Jerosalema, sy ny mpitondran'izy reo, de tsy nafantatra an'azy, ka tanterak'izy reo ny vôlazan'ny mpaminagny ze vakina isan-tsabata ny amin'ny fagnamelohana an'azy. 28 Na de tsy matazagna ze antony tsara hamonoana an'Azy ary zareo, de nangataka tamini Pilaty fôgna mba hamono an'azy. 29 Rafa tanterak'izy reo ny ra daôly ze vôsoratra momba an'azy, de nampidin'izy reo taigny amin'ny kakazo Izy ary nampandreny tao am-pasagna. 30 Fa Andraimanitra kosany nampitsangana an'azy tamin'ny maty. 31 Ary tazagn'reo ze niara-niakatra tamin'azy avy taigny Galilia mankaigny Jerosalema izy nandritry ny andro maromaro. Ary am'zao de reo ôla reo no vavolombelony ho an'ny ôla. 32 No zany zahay miteny aminareo ny filazantsar ze nampagnategnan'Andriamanitra tamin'ny raintsika ze efa tanterany ho antsika, 33 zanak'izy reo, tamin'ny nananganany an'i Jesosy. Arak'ze efa vôsoratra akao amin'ny salamo faroa hoe: "Zanako enao, gniany de tonga Rainao za." 34 Ny antony nananganana an'azy tamin'ny maty de ny mba tsy hahasimba mandrakizy ny vatagny, Andriamanitra nitare salan'zao: "Homeko an'nareo ny fitahiana masina sy azo antoka nampagnantegnana an'i Davida." 35 Zany kô no natonga an'azy nitare tao amin'ny salamo hafa hoe: "Tsy hamely le Masina hatazagna ny lo enao." 36 Satria rafa nanatanteraka reo fagnirian'Andriamanitra ho an'ny taranany i Davida de resin-tory izy, ka nampandrena niaraka tam'reo rainy izy ary ny vatany niharan'ny fahalovana. 37 Fa izy ze natsangan'Andriamanitra de tsy niharan'ny faharavana. 38 Ka ôka ho fantatrareo zany, ry rahala, fa tamin'ny alalan'io leila io no nagnambarana taminareo ny famelana ny fahotana. 39 Amin'ny alalany ny ôla tsiraikaraika ze mino de vômarina amin'ny ra daôly ze mety tsy ho vômarin'io lalàn'i Mosesy io. 40 Ka mitandrema mba tsy hibôgna aminareo ze ra nolazain'ny mpaminagny hoe: 41 "Ndre, nareo ry mpagnano tsinontsinona, de ho gaga ary ho levona. Fa Za magnano asa amin'ny andronareo, Asa ze tsy ninoanareo miitsy, na de misy ôla magnambara an'zany aminareo aza." 42 Rafa lasa i Barnabasy sy i Paoly, de nengavy an'azy reo ny ôla mba hitorian'jareo reo teny reo ihany amin'ny Sabata magnaraka. 43 Rafa tapitra ny fivoriana tao amin'ny Synagoga, de maro tam'reo Jiosy sy reo Synagoga, de maro tam'reo Jiosy sy reo proselita mafatra-po no nagnaraka an'i Paoly sy Barnabasy, ze niresaka tam'jareo sy nampirisika an'azy mba hanohy akao amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 44 Tamin'ny Sabata magnaraka, de saika ny tanàna magnontolo no niaraka niangona mba hareigny ny tenin'ny Tompo. 45 Rafa natazagna reo vahôka ny Jiosy, de feno fefonana izy reo ary niteny nanohitra reo ra ze nolazain'i Paoly sy nagneso an'azy. 46 Fa Paoly sy Barnabasy nitare am-pasahiana ary nilaza hoe: "Le ho vôlaza aminareo mialô ny tenin'Andriamanitra. Fa rafa manosika an'zany nareo ary mihevitra ny tagnanareo ho tsy mendrika ny fiaignana mandrakizay, de alao hiverigna aigny amin'ny Jentilisa zahay. 47 Araka ze efa nandidian'ny Tompo an'nay, magnano hoe: 'Napetrako mba ho fazavan'ny Jentilisa nareo, zany no tokony hitondranareo famonjena ho an'reo ze aigny amin'ny fara-vazan-tany." 48 Rafa nareigny an'zany ny Jentilisa, de faly sy nidera ny tenin'ny Tompo. Ary betsaka reo ze vôtendry ho amin'ny finoana ny fiaignana mandrakizay no nino. 49 Ary ny tenin'ny Tompo de niely eran'ny faritra manontolo. 50 Fa ny Jiosy kosa de namporisika an'reo vevavy mafatra-po sy manan-danja, sy reo leila mpitarika tao an-tanàna. Niteraka fagnenjehana ho an'i Paoly sy Barnabasy zany ary nanipy an'azy reo ho aigny avelan'ny tanàna. 51 Fa Paoly sy Barnabasy nagnintsagna ny jofo tamin'ny tongotry zareo mba hanoherana an'azy reo. Ary avy takao zareo de nankaigny amin'ny tanànan'i Ikoniama. 52 Ary ny mpiantra de feno hafalena sy ny Fanahy Masina.