Toko faha 3

1 Salan'ino ny fitiavana nomen'ny Ray antsika, mba hentsovana antsika hoe zanak'Andriamanitra, ary zany tsika. No zany antony zany, zao tontolo zao de tsy mafantatra antsika, satria tsy mafantatra an'azy. 2 Ry malala, zanak'Andriamanitra tsika am'zao, ary zany de mbola tsy nolazaina hoe salan'ino tsika. Tsika de mafantatra fa rafa mibôgna i Kristy, de ôtran'Azy tsika, satria natazagna an'Azy ôtran'Azy tsika. 3 Reo ze managna an'zany fatokisana momba ny ho avy mifototra amin'azy de magnadio ny tegnany mba hadio salan'Azy. 4 Reo ze manota de magnano ze tsy ara-dalàna; fa ny fahotana de tsy ara-dalàna. 5 Nareo de mafantatra fa i Kristy de nambara mba hagnala an'reo fahotana, ary akao amin'azy de tsy misy fahotana. 6 Tsisy ôla ze mitoetra akao amin'azy ka mbola hanota hatraigny. Tsisy ôla mbola manota natazagna an'Azy na nafantatra an'Azy. 7 Ry zanaka malala, aza avela hisy ôla hamitaka an'nareo. Le raika ze magnano ny famarinana de marina, salan'ny mahamarina an'i Kristy. 8 Le manota de avy amin'ny devoly, fa ny devolo de nanota hatraigny am-pendohana. No zany antony zany ny Zanak'Andriamanitra de nabôgna mba hafahany mamotika an'reo asan'ny devoly. 9 N'iza n'iza naterak'Andriamanitra de tsy hanohy ny fahotana satria ny vô avy tamin'Andriamanitra de mitoetra akao amin'Azy. Tsy afaka manohy ny fahotana izy satria naterak'Andriamanitra. 10 Akao am'zany no hampisehôna reo zanak'Andriamanitra sy reo zanaky ny devoly. N'iza n'iza tsy magnano ny marina de tsy avy amin'Andriamanitra; na raika ze tsy te ny rahalany ihany kô aza. 11 Fa zany no hafatra ze efa reigninareo hatraigny am-pendohana: fa tsikaa de tokony mifankate, 12 fa tsy ôtran'i Kaina, ze avy am'le ratsy sy namono ny rahalany. Fa nagnino izy no namono an'azy? Satria reo asany de ratsy, ary ny an'ny rahalany de marina. 13 Aza gaga, ry rahalako, raha mankahala an'nareo ny tany. 14 Fantatsika fa efa niala tamin'ny fafatesana mankeigny amin'ny fiaignana tsika, satria te an'reo rahalany tsika. 15 Ze tsy te de mitôtra aigny amin'ny fafatesana. Ze mankahala ny rahalany de mpamono ôla. Fantatrareo fa tsy misy mpamono ôla managna fiaignana mandrakizay mitôtra akao amin'azy. 16 Am'zany no hafantarantsika ny fitiavana, satria Kristy nagnolotra ny aigny ho antsika. Tsika ihany kô de tokony magnolotra ny aigntsika ho an'reo rahala. 17 Fa n'iza n'iza managna ny haren'zao tontolo zao, ka matazagna ny fasahiranan'ny rahalany, ry magnidy ny fony tsy hangoraka an'azy, amin'ny fomba manakôry no itoeran'ny fitiavan'Andriamanitra akao amin'azy? 18 Ry zanako malalako, aoka tsika tsy hite amin'ny teny na ko amin'ny vava, fa amin'ny asa sy famarinana. 19 Avy am'zany no hafantarantsika fa avy amin'ny famarinana tsika, ary mampatoky ny fontsika akeo agnatrehany tsika. 20 Fa raha magnameloka antsika ny fontsika, Andriamanitra de geda nony fontsika, ary mafantatra ny ra-daôly Izy. 21 Ry malala, raha tsy magnameloka antsika ny fontsika, de managna fatokisana an'Andriamanitra tsika. 22 N'ino n'ino angatantsika de ho azontsika avy amin'Azy, satria tsika mitandrina reo didiny sy magnano ze ankasitrahany akeo agnatrehany. 23 Zao no didiny: tokony mino ny agnaran'ny Zanany Jesosy Kristy ary mifankate tsika, salan'ny efa nagnomezany antsika an'zany didy zany. 24 Ny raika ze mitazona an'reo didin'Andriamanitra de mipetra akao amin'Azy. Am'zany no afantarantsika fa izy de mipetraka akao amintsika, amin'ny Fagna ze nameny antsika.