Toko 1

1 y fahitan'i Obadia. Zao ro lazain'ny Tompo Yaveh momba an'i Edoma: Efa nitaigno tatitsa hatagny amin'i Yaveh sy ny masoivoho zay nalefa ho eo amin'ireo firenena agnay, nanao hoe: "Mitsangàna! Aoka tsika hitsangana mba hiady hanohitsa anazy!" 2 Indro, hataoko kely eo amin'ireo firenena agnao, ho atao tsinontsinona tanteraka agnao. 3 Namitaka agnao ny fireharehan'ny fonao, agnao zay mitoatsa eny an-tsefatsefaky ny vato, amin'ny tranonao avo; zay manao anakam-po hoe: "Ia ro hampijotso anahy ho any amin'ny maty?" 4 Na de manidigna avo sahala ny voromahery sy naorina teo amin'ireo kintana aza ny akaninao, de hampijotso agnao hategny Aho, hoy Yaveh. 5 Lehe avy ao aminao ny mpangalatsa, lehe avy aligna ny jiolahy (ahoana ro faharavanao!), moa ve tsa zay sahaza anazy ihany ro angalariny? Lehe avy tao aminao ny mpioty voaloboka, moa ve tsa avelany eo reo nisaraka? 6 Endrey ny fitadiavana an'i Esao, sy ny fitadiavana reo harena miafiny! 7 Ireo liaka sý nifanarako taminao de nandefa agnao amin'ny lalanao mankany amin'ny sisi-tany. Reo liaka nihavana taminao de efa namitaka agnao, ary nandresy agnao. Ireo zay mihinana ny mofonao. Tsa misy fahazavan-tsaina ao aminazy. 8 "Moa ve tsa amin'izay andro izay aho" hoy i Yaveh, "Ro hamotika reo liaka hendry hatagny Edoma sy mazava saina ao an-tendrombohits'i Esao? 9 Ho raiki-tahotsa reo liaka maherinao, ry Temana, ka ho ringana amin'ny alalan'ny famonoana hatagny an-tendrombohits'i Esao ny liaka aby. 10 Nohon'ny herisetra natao tamin'i Jakoba rahalahinao, de ho rakotsa henatsa agnao, ary ho ringana mandrakizay. 11 Tamin'ny andro namitsahanao, tamin'ny andro nitondran'ireo vahiny ny fagnanany, sy ny nidiran'ireo hafa firenena ny vavahadiny, ary ny nanaovana loka an'i Jerosalema, de sahala ny raika tamindreo agnao. 12 Fa aza mifaly amin'ny andron'ny rahalahinao, amin'ny andron'ny fahavoazany, ary aza mifaly eo amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny andro handringanana anazy; aza mirehareha amin'ny andro maha-ory andreo. 13 Aza miditsa ny vavahadin'ny vahoakako amin'ny androm-oahavoazandreo, aza mifaly amin'ny fahoriany amin'ny andro hahitany loza, aza mandroba ny fananandreo amin'ny andro maharava anazy. 14 Aza mitsangana eo an-tsampanan-dalana, mba handringana reo mpandositsa ary aza manome ny sisa tsa matiny amin'ny andro maha-ory. 15 efa marigny ny firenena aby ny andron'i Yaveh. Sahala ny nataonao, ro vana hatao aminao; hitsingerina ao an-dohanao ny zava-bitanao. 16 Fa sahala ny efa nisitroanao tao an-tendrombohitso masina, ro hisitroan'ireo firenena aby tsa an-kiato. Hisotro sy hiteligna andreo, ary ho sahala ny tsy àry reo. 17 Fa any an-tendrombohitsa Ziona ro hisy zay tafalefa ary ho masina zay; ary ny taranak'i Jakoba hahazo ny fananany manokana. 18 Ny taranak'i Jakoba de ho afo, ary ny taranak'i Josefa de ho lelan'afo, ary ny taranak'i Esao ho mololo, ary handoro andreo izay, de handevona andreo. Tsa hisy ho velogna ny taranak'i Esao, satria zay ro tarign'i Yaveh." 19 Reo zay hatagny Negeva de hanana ny tendrombohits'i Esao ary reo zay hatagny Sefela hanana ny tanin'ireo Filistina. Hanana ny tanin'i Efraima sy ny tanin'i Samaria reo; ary Benjamina hanana an'i Gileada. 20 Reo sesitanin'ny zanak'Israely maro de hanana ny tany Kanana ka hatrany Zarefata. Reo sesitanin'i Jerosalema, zay any sefarafa de hanana ny tanànan'i Negeva. 21 Reo mpamonjy de hiakatsa any an-tendrombohitsa Ziona ary hanapaka manerana ny tany havoan'i Esao, ary ny fanjakana de an'i Yaveh.