Toko faha 5

1 Ankehitriny mikasiky ireo fotoagna sy ireo vanim-potoagna, ry rahalahy, tsy mila ndre ino ndre ino voasoratra hoanareo anareo. 2 Fa anareo gny tegnanareo mahalala tsara gnandron'ny Tompo, da hoavy akô gny mpangalatra amign'aligna. 3 Laha mizaka indreo, "Miadagna sy milamigna," da fagnapotehana tampoka gnoavy amindreo io. Akô gny faharariany viavy bevohoka laha miteraka zany. Tsy afaka milefa zany idreo. 4 Fa anareo, ry rahalahy, da tsy ao agnatin'ny gnizigna ka hagnatratra anareo tampoka gny mpangalatra gnandro. 5 Fa anareo aby samby zanakign'mazava sy zanakagnandro. Tsy zanakign'aligna itsika na gnijigny. 6 Nony zany, andao itsika hatory akôra gny fataony gn'ambony. Nefa saky, Ôka itsika iembigna sy hahon-tegna. 7 Fa indreo matory da magnano anizany amignaligna, ary indreo ze mamo da magnano anizany avakoa amignaligna. 8 Laha mbola an'gnandro itsika, da tsimentsy mahonon-tegna itsika ary misikina finoagna sy fitiavagna ho fiarovan-tratra, ary ka antokin'ny famonjena am'hoavy amifiarovan-doantsika. 9 Fa i Jagnahary tsy nitondro antsika am'favognirana, fa gnajahoana gny famonjena amign'alalan'i Jesosy Kristy Tompontika. 10 Izy gny maty hoantsika, ndre mifoha ndre matory, da afaka miaramiaigna aminazy. 11 Ka nony zany da mifampionogna ary ka mifampahereja anereo, akôra gnefa nataonareo. 12 Mangataka aminareo izahay, ralahy, mba agnekenareo magnakely aigna aminareo sy gny mitondra anareo amin'i Tompo ary izay magnanatra anareo. 13 Mangataka anareo avao koa iay mba hagnaja andreo am-pitiavagna nony gn'asandreo. Mihavagna amign'tegnanareo. 14 Magnanatra anareo iay; rahalay: mampitandrema gny fikorotagnana, ampaherezo indreo kivy, ampio indreo melemy, mahareta amign'rah aby. 15 Lonoka da tsy misy olo mamaly gny ratsy na amin'iza na amin'iza. Fa koja, mikatsava zey tsara hoan'y kirairaiky sy gn'abiaby abidaholo. 16 Mifalia fejaifejay. 17 Aza melegnina mivavaka. 18 Misôra amign'raha aby. Fa zany gny sitrapon-Jagnahary ao amy Kristy Jesosy hônareo. 19 Kaza mamono gny Fagnay. 20 Aza magnano antsirambogna gny faminagniana. 21 Andramo gny raha aby. Mifikira amin-zay tsara. 22 Alay gny fibohan'ny raty abidaholo. 23 Jagnaharigny fiadagnana gn'ampamasigna anao tanteraka. Ôka gny fagnainareo abidahôlo, Gnaigna, ary gny vatagna da hatsarana tsy hanagna tsigny amign'fihaviany Jesosy Kristy Tompotsika. 24 Mahatoky izy gnangentso anao, Izy raiky zay hagnano anizany avao koa. 25 Rahalahy, mivavaha avao koa hoanay. 26 Agnotsafahy amy gny fitaritana masigna gny rahalahy aby. 27 Mangataka aminareo amy Tompo iaho mba ho vakina amigny rahalahy aby ity taratasy ity. 28 Ho aminareo gny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.