Tôko faha 9

1 Nampagneno ny trompetrany ny anjely fahadimy. Nahita kintagna avy agny an-dagnitra za zay nianjaira tagny amin'ny tany. Lay kintagna no namiagna ny fagnalahidin'ilay lavaka tsy hita noanoa. 2 Nisokafiny lay lavaka tsy hita noanoa, ary niakatra ny setroka nivoaka takô amin'ny lavaka karaha setroka avy amin'ny lafaoro maventy. Nivadika maloka ny masoandro sy ny rivotra nohon'ny setroka nivoaka takô an-davaka. 3 Avy amin'ny setroka no nahatongavan'ire valala taketo ambônin'ny tany, ary nagnamia hery karaha ny an'ny maingoka ambônin'ny tany izy ire. 4 Nivolagniny izy ire tsy hanimba ny ahitra taketo ambônin'ny tany na ire raha-maniry maitso na kakazo, fô ire ôlogna zay tsy managna tombo-kasen'Andriamanitra ake amin'ny handrin'izy ire ihany. 5 Tsy nahazo alalagna ny hamono ire ôlogna ire izy ire, fô hampijaly azy ire mandritra ny dimy volana ihany. Ny fanaintaignian'izy ire de ho karaha tsindron'ny maingoka jiaby mamely ôlogna. 6 Amin'ire andro ire de hitady fahafatesagna ny ôlogna, fô tsy hahita zany. Hagniry ny ho foaty mafy izy ire, naifa hilaifa azy ire ny fafataisagna. 7 Karaha sôvaly nomagnina tamin'ny ady ire valala. Tamin'ny lôhan'izy ire de nisy raha karaha satro-boninahitra vôlamaina, ary ny tarehin'izy ire de karaha tarehin'ôlombelogna. 8 Nanagna volo karaha volon'ôlombelogna izy ire ary ny nifin'izy ire de karaha ny nifin'ire liona. 9 Nanagna fiarôvan-tratra karaha fiarôvan-tratra vy izy ire, ary ny feon'ny ailatr'izy ire de karaha ny feon'ny kalesy sy sôvaly maro mihazakazaka ho agny amin'ny ady. 10 Nanagna rambo nisy fanindromagna karaha maingoka izy ire; akô amin'ny rambon'izy ire no misy ny hery hanimba ny ôlogna mandritra ny dimy volana. 11 Nanagna mpanjaka izy ire de lay anjelin'ilay lavaka tsy hita noanoa. Ny agnarany tamin'ny teny Hebreo de Abadona, ary ny agnarany tamin'ny teny grika de i Apolyona. 12 Lasa ny loza voalohany. Indro! afaran'izao de mbôla hisy loza ho avy. 13 Nampagneno ny trompetra lay anjely fahaenigna, ary naregny ny feo nivoaka tamin'ny tandroky ny alitara vôlamaina zay aifa nisy take agnatraihan'Andriamanitra za. 14 Ary nivôlagna tamin'ilay anjely fahaenigna lay feo magnano hoe: ''Avilay ire anjely aifatra zay mifatotra agny amin'ilay renirano maventin'ny Eofrata.'' 15 Ire anjely aifatra zay efa nomanignia tamin'izegny ora izegny, izegny andro izegny, izegny volana izegny, ary izegny taogna izegny, de navôtsotra mbô hamono ny ampahatelon'ny olombelogna. 16 Ny isan'ire mairamila nitikin-tsôvaly de 200,000,000. Naregny ire isa ire za. 17 Karan-jegny no fomba nahitako ire sôvaly takô amin'ny fahitako sy ire zay nitikina tamin'izy ire. Ire fiarôvan-tratran'izy ire de mirehitra maina, manga antitra ary sôlifara mavo. Karaha ny lôhan'ire liona ny lôhan'ire sôvaly, ary ny nivoaka avy takô am-bavan'izy ire de afo, setroka, ary sôlifara. 18 Ary ny ampatelon'ire ôlo de matin'ire loza telo: ny afo, ny setroka, ary ny sôlifara zay nivoaka avy takô am-bavan'izy ire. 19 Fô ny herin'ire sôvaly de avy takô amin'ny vavan'izy ire sy tamin'ny rambon'izy ire - fô ny rambon'izy ire de karaha bibilava, ary nanagna lôha zay afaka mandratra ôlo izy ire. 20 Ny ambin'ire ôlombelogna, ire zay tsy matin'ire loza ire, de tsy nibebaka tamin'ny asa zay vitan'izy ire, na nijanogna nanompo ire demony sy sampy vôlamaina, vôlafotsy, varahagna, vato, ary hazo- ire raha jiaby zay tsy hita maso, re, na mandaiha. 21 Izy ire de mbôla tsy nibebaka tamin'ny asa famonoagna, ny famosavian'izy ire, ny fijangajangana na ire asa fangalaran'izy ire.