Tôko faha 14

1 Nizaha za ary nahita ny Zanank'ondry nitsangagna take amin'ny tendrombohitra Ziona. Niaraka taminy ire 144. 000 zay nanagna ny agnarany sy ny agnaran'ny Babany voasôratra ake amin'ny handrin'izy ire. 2 Naregny feo avy agny an-dagnitra karaha ny firohondrohon'ny rano maro sy kotroka mafy za. Ny feo regniky ihany koa de karaha mpitendry lokangany. 3 Nihira hira vôvô teo agnatraihan'ny sezy fiandrianagna sy teo agnatraihan'ire raha managn'aignia aifatra sy ire lôhôlogna izy ire. Tsy nisy na zôvy na zôvy afaka nianatra ny hira afa-tsy ire 144.000 zay nividianagna avy taketo an-tany ihany . 4 Ire de ôlogna zay tsy nandoto ny taignian'izy ire tamim-biavy, fô nihazogna ny taigniany madio ara-nôfo izy de zay magnaraka ny Zanak'ondry na akaiza na akaiza andianany. Izy iregny de nividianagna avy tamin'ny olombelogna karaha voalôham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ho an'ny Zanak'ondry. 5 Tsisy lainga hita teo amin'ny môlotr'izy ire, tsy manan-tsigny izy ire. (Fagnamarihagna: Ny dikan-teny sanagny magnampy hoe: "Tagnatraihan'ny sezy fiandrianan'Andriamanitra") 6 Nahita anjely zay hafa nagnaimbana ambôny za, zay nanagna ny hafatra mandrakizain'ny vôvô mahafaly hambara amin'ire zay miaigna ambônin'ny tany - amin'ny firenena, foko, fivôlagna, ary ny ôlogna jiaby. 7 Nagnantso tamin'ny feo mafy izy hoe: "Matahôra an'Andriamanitra ary magnomaiza voninahitra Ananjy. Fô tônga ny oran'ny fitsaragnany. Mivavaha Aminy, ny raikia zay nagnano ny lagnitra, ny tany, ny ranomasignia, ary lôharano." 8 Nisy anjely hafa-ny anjely faharoa-nagnaraka nivôlagna hoe: "Nianjaira, nianjaira Babylona be, zay nandresy lahatra ire firenena jiaby mbô hisotro ny divain'ny fitondran-taignia malotony." 9 Nisy anjely hafa-anjely fatelo -nagnaraka azy ire, nivôlagna tamin'ny feo mafy hoe: "Ra misy mivavaka amin'ny bibi-dia sy ny sariny, ary mandray ake amin'ny handriny na ake amin'ny tagnany, 10 de hisotro ny sanagny amin'ny divain'ny fatezairan'Andriamanitra ihany koa izy, divay tsy niaro zay narotsaka takô agnatin'ny kapoaky ny hatezairany. Ny ôlogna zay misotro izegny de ho ampijaliagna amin'ny afo sy sôlifara ake agnatraihan'ire anjely masin'Andriamanitra sy agnatraihan'ny Zanak'ondry. 11 Ny setroka avy amin'ny fijalian'izy ire de miakatra doria, ary tsy manam-pitsaharagna andro sy alignia izy ire - ire mpanompon'ny bibi-dia sy ny sariny ire ary ny ôlo-jiaby zay mandray ny mariky ny agnarany. 12 Itô de antso ho an'ny faharaitagna maharitr'ire zay masignia, ire zay magneky ire didin'Andriamanitra ary mino an'i Jesosy." 13 Naregny feo avy agny agny an-dagnitra zaho nivôlagna hoe: ''Soraty zao: Sambatra ny naty zay naty akô amin'ny Tompo.'' ''Ia'', aozy ny Fanahy, ''mbô ahafahajaré ré miala disaka amin'ny asanjaré ré, fô ny vitanjaré ré de hagnaraka ananjy iré.'' 14 Nizaha zaho, ké nisy rahogna fotsy. Nipetraka takè amin'ny rahogna ny araika karaha ny zanak'ôlogno. Nanagna satro-boninahitra vôlamena také amin'ny lohany sy fijinjagna maragnitra egny an-tagnany izy. 15 De nisy anjely hafa niboaka ny tempoly ke nagnantso tamin'ny feo mafy an'ilay mipetraka aké amin'ny rahona nivôlagna hoe: ''Raiso ny fijinjagna ke manomboa mijinja. Fô tônga ny fotoagna hijinjagna, satria masaka ny vokatry ny tany.'' 16 Ary ny raika zay nipetraka takè amin'ny rahona nampandroso ny fijinjanany taketo an-tany, ke nojinjaigna ny tany. 17 Nisy anjely hafa niboaka avy takô an-tempoly tany an-dagnitra; nanagna fijinjagna maragnitra draika koa izy. 18 Mbôla nisy anjely hafa koa niboaka ny alitara fandoroagna ditin-kakazo magnitra, zay nanagna fahefagna amin'ny afo. Nagnantso tamin'ny feo mahery an'ilay iré zay nanagna fijinjagna maragnitra izy hoe: ''Raiso ny fijinjagnanô maragnitra ke angony iré sampam-boaloboka avy amin'ny voaloboky ny tany, fô iré voaloboka de efa masaka aminjô.'' 19 Nampandrôso ny fijinjagnany tamin'ny tany ilay anjely ké nanangona ny vokatry ny voaloboka ny tany. Natsipiny takô anaty famiazam-boaloboka lehiben'ny fahaviniran'Andriamanitra izégny. 20 Ny famiazam-boaloboka de nidiana tagny ivélan'ny tanàgna, ary ny rà de nipariaka avy takô amin'izégny ké tônga hatregny amin'ny hambôsan'ny lamboridin-tsoavaly, zay 1.600 stadio.