Tôko faha 13

1 Ary nahita bibi-dia za niakatra avy tamin'ny ranomasigna. Nanagna tandroka folo zegny ary lôha fito. Take amin'ny tandrony de diadema folo, ary take amin'ny lôhany de nisy agnaragna fivôlan-dratsy avy. 2 Lay bibi-dia zay hitako de karaha ny tongotra bera, ary ny vavany de karahan'ny vavan'ny liona. Lay dragogna nagnamia azy ny hery, ny sezy fiandrianagna, ary ny fahaifatra maventy hagnapaka. 3 Ny lôhan'ilay bibi-dia anankiray de karaha aifa maty, kanaifa sitragna lay ratra saika nafaty azy. Ary gaga ny tany jiaby kay nagnaraka lay bibi-dia. 4 Ary de niondrika koa take amin'ilay dragogna izy ire, satria izy no nagnamia ny fahaifany ho an'ny bibi-dia, koa, izy ire, ary nivôlagna hoe: ''Izy no karahan'ny bibi-dia?'' ary ''Iza no afaka miady aminy?'' 5 Nagnamia vava zegny afaka mivôlagna fireharehagna sy fivôlan-dratsy lay bibi-dia. Nagnamia alalagna izy mbô hampihatra fahefagna mandritran'ny aifatra ambi-aifapolo volagna. 6 Ary nanôkatra ny vavany hivôlan-dratsy an'Andriamanitra lay bibi-dia: nivôlan-dratsy ny agnarany, ny toeragna zay hipitrahany ary ire zay mipaitraka akô an-dagnitra. 7 Navaila hiady tamin'ire mpino ary handresy azy lay bibi-dia. Ary koa, ny fahefagna de nagnamia azy manairagna ny foko, ny ôlogna, ny fivôlagna, ary ny firenena jiaby. 8 Hiondrika ake aminy ire jiaby zay monigna ambônin'ny tany, ire zay tsy voasôratra agnaragna, nandritran'ny famoronagna zao tontolo zao, akô amin'ny Bokin'ny Fiainagna, zay an'ny Zanak'ondry, zay aifa nivonignia. 9 Ra misy manan-tadigny, ôka izy hitandregny. 10 Ra misy nalaignia babo, de handaiha amin'ny fababoagna izy. Ra misy nivonigna tamin'ny sabatra, amin'ny sabatra no homonoagna ananjy. Itô no antso ho an'ny faharetagna ary finoagna ho an'ire zay masignia. 11 Ary nahita bibi-dia hafa za niakatra avy tamin'ny tany. Zegny de nanagna tandroka roa karahan'ny zanak'ondry, ary nivôlagna karahan'ny dragogna. 12 Nampihariny dahôlo ny fahefagna jiaby an'ilay bibi-dia voalohany ake agnatraihany, ary ny tany sy ire zay monignia ake aminy de asainy miondrika ake amin'ilay bibi-dia voalôhany---- lay raika zay sitragna tamin'ny ratra saika nafaty ananjy. 13 Nagnano fahagagagna maro be izy. Nampidignia afo avy agny an-dagnitra ho amin'ny tany take agnatraihan'ny ôlogna. 14 Tamin'ny alalan'ny famantaragna de namiagna alalagna anô zegny, namitaka an'ire zay monigna ambônin'ny tany zegny. Nivôlagna tamin'izy ire zegny mbô hagnamboatra sary ho voninahitry ny bibi-dia zay voaratran'ny sabatra naifa velogna. 15 Navaila agnatôvagna aignia ny sarin'ny bibi-dia mbô ahafan'ilay sary mivôlagna ary zay jiaby tsy magneky miakôhotra amin'ilay bibi-dia de nivonignia. 16 Nanery ny tsiraikiraikia ihany koa zegny, na ny hely na ny maventy, na manankariagna, na ny mahantra, na ny tsy andevo, na ny andevo de mandray ny marikia ake amin'ny tanagna ankavanagna na ake amin'ny andrina. 17 Tsy hisy ôlogna mahazo mividy na mivarotra mandra-pazoany ny marikia ny bibi-dia, izegny de ny isan'ny fanehoagna ny agnarany. 18 Izegny de mitaky fahindriagna. Ra misy ôlogna manan-tsaignia, ôka izy hagnisa ny isan'ny bibi-dia. Fô zegny de isan'ny ôlogna. Zegny isa zegny de 666