Tôko faha 12

1 Famantaragna maventy no hita tagny an-dagnitra: Viavy nagnatô ny masoandro, ary ny volana take ambanin'ny tongony, ary satro-boninahitra vita tamin'ny kintagna roa ambin'ny folo no take amin'ny lôhany. 2 Bikibo izy, ary nihinagna mafy fô aifa ho tairaka, akô agnatin'ny fihetsehan-jaza. 3 Avake nisy famantaragna hafa niseho tagny an-dagnitra: Indro! Nisy dragogna mena maventi-be zay nanagna lôha fito sy tandroka folo, ary nisy satro-boninahitra fito take amin'ire lôhany. 4 Ny rambony de nifaoka ny ampahatelon'ny kintagna tagny an-dagnitra sady nanipy azy ire teny amin'ny tany. Lay dragogna nijoro take agnatraihan'ilay viavy zay aifa ho teraka, kay kôfa teraka izy, de afaka handrapaka ny zanany izy. 5 Nitairaka zazalalahy izy, zay hanapaka ny firenena jiaby miaraka amin'ny tehim-by. Ny zanany de nalaignia an-keriny ho agny amin'Andriamanitra sy ake amin'ny sezy fiandriagnany, 6 ary lay viavy de nilefa nankagny agn'aifitra, zay nisy toeragna aifa nomagnin'Andriamanitra ho ananjy, koa de voakarakara mandritry ny 1260 andro izy. 7 Ary nisy ady an-dagnitra. Mikaela sy ire anjely de niady tamin'ilay dragogna; ary lay dragogna sy ny anjely de namaly ady. 8 Fô tsy natanjaka lay dragogna kay tsy naresy. koa tsy nisy toeragna ho ananjy sy ire anjeliny intsony tany an-dagnitra. 9 Lay dragogna maventy --- zay menaragna talôha nantsôvignia hoe devoly na Satana, lay namitaka an'izao tontolo izao ---de natsipy tambônin'ny tany, ary ire anjeliny de natsipy niaraka taminy. 10 Avake naregny feo mafy avy agny an-dagnitra za: ''Avaizo de tônga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanitra ary ny fahefan'i Kristy. Fô ny mpiampanga ny ralahintsika de natsipy tagny ambany, lay raika zay miampanga azy ire andro aman'aligna ake agnatraihan'Andriamanitsika. 11 Izy ire naresy ananjy tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy tamin'ny teny fijoron'izy ire vavolombelogna, fô tsy nankamamy ny fiainagna intsony izy ire na de ho foaty aza. 12 Noho izegny, mifalia, ianare ry lagnitra, sy zay jiaby monigna akô aminy. Fô mitandraima ny amin'ny tany sy ny ranomasigna satria ny devoly de nidigna tegny aminare. Feno fahavigniragna izy, satria fantany fô fotoagna fohy sisa no hanagnany. 13 Kôfa nafantatra lay dragogna fô nazaira tamin'ny tany izy, de nagnenjikia lay viavy nitaraka zazalalahy izy. 14 Fô lay viavy de namiagna ailatra roan'ny voromahery maventy, kay de afaka nagnaimbagna nankany amin'ilay toeragna nokarakaraigna ho azy tagny an'aifitra. Io lay toeragna hitsinjôvagna azy, mandritra ny telo taogna sy tapany----mbô tsy ho hitan'ilay mainarana. 15 Namoaka rano karaha ny renirano tamin'ny vavany lay mainarana, zay hifaoka an-draviavy. 16 Fô ny tany nanampy an-draviavy. Nisokafan'ny tany ny vavany ary de nateliny ny riaka zay navoakan'ny vavan'ilay dragogna. 17 Ary vignitra tamin-draviavy lay dragogna kay niala ary nitady ady tamin'ny ambin'ire taragnany, zay magneky ny didin'Andramanitra ary mitagna ny fijoroagna vavolombelogna momba an'i Jesosy. 18 Avake nitsangagna take ambônin'ny fasiky ny ranomasigna lay dragogna.