Tôko faha 11

1 Namiagna volotara mbô ampiasaignia karaha tehignia za. Nivolagnina taminahy hoe: ''Mitsangàgna ary refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary ire zay mivavaka akô. 2 Fô aza rifesignia ny kianja ake ivailan'ny tempoly, fô namiagna an'ire Jentilisa zegny. hagnitsaka ny tanàgna masignia mandritry ny roa amby aifapolo volagna izy ire. 3 Hamiako ire vavolombeloko roa ny fahefagna haminagny mandritry ny 1,260 andro, nagnatô lamba fisaonagna.'' 4 Ire vavolombelogna ire de kakazon'oliva roa sy ny fitoeran-jiro roa zay nitsangagna take agnatraihan'ny Tompon'ny tany. 5 Ra misy ôlogna misafidy handratra azy ire, de mivoaka afo ny vavan'izy ire ka hihinagna ire favalon'izy ire. Na zôvy na zôvy magniry ny handratra azy ire de tsy maintsy hivonignia amin'izegny fomba zegny. 6 Ire vavolombelogna ire managna fahefagna hagnidy ny lagnitra mbô tsy hilatsahan'ny oragna mandritry ny andro haminanian'izy ire. Manam-pahefagna izy ire hagnova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karazagna loza jiaby na oviagna na oviagna irin'izy ire. 7 Kôfa ho vita ny fijoroan'izy ire vavolombelogna, de miakatra avy agny agnaty lavaka tsy hita noanoa lay bibidia hiady hanôhitra azy ire. handresy azy ire Izy ary hamono azy ire. 8 Hitsilôtra eny amin'ny lalan'ny tanàn-dehibe ny fatin'izy ire (zay antsôvignia ihany koà hoe Sodoma sy Egypta) zay namantsiagna ny Tompon'izy ire. 9 Hizaha ny fatin'izy ire mandritra ny telo andro sy tapany ny ôlogna, fivôlagna, ary ny firenena jiaby. Tsy ho availan'izy ire apaitraka akô am-pasagna ire 10 Ire zay miaignia ake ambônin'ny tany de hifaly amin'izy ire ary hankalaza. Hifandaifa fagnomaizagna mihintsy aza izy ire satria nampijaly ire zay miaignia ambônin'ny tany ire mpaminany roa. 11 Fô afaka telo andro sy tapany de hiditra akô amin'izy ire ny fofon'aigna avy amin'Andriamanitra, ary hijoro amin'ny tongony izy ire. Hilatsaka amin'ire zay mahita azy ire tahotra maventy. 12 Avake de haregny feo mahery avy agny an-dagnitra izy ire mivôlagna azy ire hoe: ''Miakara aketo!'' Avake de hiakatra ho agny an-dagnitra akô agnaty rahogna izy ire, ra mbôla mizaha tany ire favalon'izy ire. 13 Amin'izegny ora izegny de hisy horohoron-tany mafy, ary hirodagna ny ampahafolon'ny tanàgna. Fito arivo ny ôlogna ho foaty amin'ilay horohorontany, ary ho raiki-tahotra ire ôlogna sisa tsy maty ary hagnamia voninahitra an'Anandriamanitra ny lagnitra. 14 Lasa ny loza faharoa. Indro! tônga faingiagna ny loza fatelo. 15 Avake de nampagneno ny trompetra ny anjely fahafito, ary nisy feo mafy nivôlagna tany an-dagnitra nagnano hoe: ''Ho lasa fanjakan'ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan'izao tontolo izao. Izy no hanjaka mandrakizay doria.'' 16 Avake ire lôhôlogna aifatra amby roapolo zay nipaitraka take amin'ny sezy fiandrianan'izy ire take agnatraihan'Andriamanitra de nampiondrika ny taignian'izy ire. Nankalaza an'Andriamanitra izy ire. 17 Hoy izy ire: ''Magnamia fisaoragna ana zahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, lay avaizo sy talôha, satrià nalaka ny herinô maventy anô ary nanomboka nanjaka. (Fagnamarihagna: Ny sanagny amin'ire dikan-teny talôha de mivaky hoe: Ny mpanapaka jiaby, lay avaizo sy talôha, ary lay ho avy, fô ny dikan-teny amin'izao fotoagna tsy karan-jegny.) 18 Vignitra mafy ire firenena, kanaifa tônga ny fahavigniragna. Tônga ny fotoagna hitsaragna ny maty sy hamaliagna soa ire mpaminany mpanomponô, ire zay mpino, sy ire zay natahotra ny agnaranô, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Tônga ny fotoagna handringanagna ire zay manimba ny tany.'' 19 Avake de nisôkatra ny tempolin'Andriamanitra tagny an-dagnitra ary hita ny fiaran'ny fagnikiagna akô agnatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pahazavagna, kotroka, kotrokôragna, hôrohôrontany, ary havandra maventy takô.