Tôko faha 10

1 Avake za de nahita anjely mahery hafa nidigna avy agny an-dagnitra. Takô agnaty rahogna izy, ary nisy avagna take ambonin'ny lôhany. Ny tarehiny de miendrika masoandro ary ny tôngony de karaha ny andry afo. 2 Mitagna horognan-taratasy hely mivelatra amin'ny tagnany izy, ary mametraka ny tongony havanagna amin'ny ranomasigna sy ny tongony havia amin'ny tany. 3 Avake izy de nihiaka tamin'ny feo mafy karaha ny fieron'ny liona. Rehefa nihiaka izy, de nikotroka mafy tamin'ny feony ny kotroka fito. 4 Kôfa nikotroka ny kotroka fito, de take andalam-panoratagna za, fa nandre feo avy agny an-dagnitra za nivôlagna hoe: ''Taomy ho tsiambaratelo zay novolagnin'ny kotroka fito. Aza soratagna zegny.'' 5 Avake lay hitako nitsangagna tambôny ranomasignia sy tamin'ny tany, nanandratra ny tagnany havanagna tagny an-dagnitra. 6 Izy nianiagna tamin'ilay raika zay velogna mandrakizay doria, zay namôrogna ny lagnitra sy zay jiaby akô agnatin'izegny, ny tany sy zay jiaby akô agnatin'izegny, ary ny ranomasignia sy zay jiaby akô agnatin'izegny, ary lay anjely nivôlagna hoe: "Tsisy fandigniasana koà. 7 Fô amin'ny andro raikia kôfa hampagneno ny trompetrany ny anjely fafito, de ho tantairaka ny misterin'Andriamanitra, karaha ny nagnambarany tamin'ire mpaminany mpanompony." 8 Lay feo zay regniky avy agny an-dagnitra nivôlagna taminahin-draikia hoe: "Mandiana, alaivo lay horonan-taratasy mivailatra zay agny an-tagnan'ilay anjely mitsangagna ake ambôny ranomasignia sy ambônin'ny tany.'' 9 Avake de lasa nandaiha amin'ilay anjely za ary nivôlagna taminy mbô hagnamia za lay horonan-taratasy hely. Hoy izy taminahy: ''Alaivo ny horonan-taratasy ary hioagno zegny. Hampangidy ny akô an-kibona zegny, fô akô am-ambavanô de ho mamy karaha tintely zegny.'' 10 Nalaiko tamin'ny tagnan'ilay anjely lay horonan-taratasy hely ary nihoaniky zegny. Mamy karaha tintely tam-bavako zegny, fô tafaran'ny ninanako ananjy, de lasa nangidy ny takô an-kiboko. 11 Avake nisy ôlogna raika nivôlagna taminahy hoe: ''Tsy maintsy maminagny indray ana momban'ire ôlogna maro, ire firenegna, ire fivôlagna, ary ire mpanjaka.''