Tôko 1

1 Paoly, voafonja an'i Jesosy Kristy, sy ny rahalahy Timoty ho an'i Filemona, namagna malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2 ary ho an'i Apia anabavinay, sy Arkipo miaramila namanay, ary ho an'ny fiangonagna izegny miangogna akô an-dragno. 3 Ho aminaré ané ny fahasoavagna sy fiadanagna avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Misaotra ny Andriamanitra hatragny zaho. 5 Manognogna anà zaho amin'ny fivavahako. Kôfa naharegny ny amin'ny fitiavagna ndraiky finoagna izay anagnanà akô amin'i Jesosy Tompo ary ho an'iré mpino jiaby zaho. 6 Mivavaka zaho mbô hahatônga ny fiombonagna amin'ny finoagnanà hahomby amin'ny fahalalagna ny raha tsara jiaby izay aké amintsika akô amin'i Kristy. 7 Fô nanagna fifaliagna ndraiky finoagna bé zaho nohon'ny fitiavanà, satria ny fôn'iré mpino de novelombelomigna tamin'ny alalanà, ry rahalahy. 8 Noho izegny, na de managna fahasahiagna jiaby akô amin'ny Kristy aza zaho handidy anà mbô hagnano izay tôkony hatônà, 9 kanefa nohon'ny fitiavagna, de magnantso anà koa zaho - zaho, Paoly, lalahy bé, ké avaizo gadra ho an'i Jesosy Kristy. 10 Mangataka anà zaho ny amin'ny zanako Onesimosy, izay naterako tamin'ny fatorako. 11 Fô izy de tsy nampanjary anahy také alôha, fô avaizo izy de mapanjary anà ndraiky izaho. 12 Nalefako niherigna ho agny aminà izy, izy ilay tiako tokoa. 13 Magniry ny hitazogna ananjy hiaraka aminah zaho, mbô ahahafahany manômpo zaho ho anà, kô mbôla voafatotra nohon'ny filazantsara zaho. 14 Kanefa tsy te hagnano na ino na ino kô tsy misy ny fanikenà zah. tsy tiako ho an-katiriagna ny asa soa atônà fô an-tsitrapô. Dônko noho izegny no nisarahany taminà 15 nandritran'ny fotoagna fohy, mbô hanananà ananjy mandrakizay. 16 Tsy ho andevo intsony izy, fô tsara mihoatra ny noho ny andevo, de rahalahy malala. Izy no malala indrindra aminah, ké mihotra lavitra ho nanà, na akô amin'ny nôfo na akô amin'ny Tompo. 17 Izy koa managna anahy ho mpiara-miasa anà, de raiso karaha zaho izy. 18 Izy kôa magnano ny tsy mety izy na mitrôsa na ino na ino aminà, de anö ho anahy izegny. Izaho, Paoly, magnoratra izao amin'ny tagnako: 19 Izaho no hagnefa aminà. Tsy mivôlagna aminà hoe misaotra ny tegnanà aminahy anà. 20 Ia, ry rahalahy, anö mahazo antômbony akô amin'ny Tompo Zaho; amiao fitsaharagna ny fôko akô amin'i Kristy. 21 Ny toky mômba ny fankatoavanà, no soratako ho anà. Haiky fô hagnano mihoatra noho izay angatahiky anà. 22 Mandritra izegny fotoagna izegny foagna, omano ho anahy ny efitra fandraisam-bahiny, fô magnantegna zaho fô amin'ny alalan'ny vavakanà de haverigny aminà ndraiky zaho. 23 Epafra, namako mpiara-migadra akô amin'i Jesosy Kristy, magnano rasa vôlagna anà. 24 Kara izegny koa i Marka, Aristarko, Demasy ndraiky Lioka, mpiara-miasa aminahy. 25 Ho amin'ny fagnahinaré ané ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.