Toko faha 4

1 Ary nanômboko nampianatra takeo amoron-dranomasina indraiky Izy, ary nisy fokonôlo fontro nivory nagnodidigna Azy. Nitsôfotro taka an-tsambohely izay take an-dranomasina Izy, ary nidôko taka amin-zegny. Ny fôkonôlo jiaby kôza de nidôko take amoron-dranomasina. 2 Nampianatra azy ireo raha fontro tamin'ny alalàn'ny anoharagna Izy, ary takô amin'ny fampianarany, de izao no nivolagniny taminjare. 3 Tandrigneso, Nisy ampamafy handeha hamafy voa , 4 Ary raha namafy izy, dia nisy voa sanany nipariaka tandalagna, ka tônga ireo vôrogno ary nihinagna izeigny. 5 Ny voa sanany nipariaka tamin'ny tany feno vatovato, izey tsy nisy tany firy. Tônga de nitsimoka Avy hatrany izy iregny, satria tsy laligny ny tany nisy azy. 6 kôfa nibiagna gny masôva, de nalazo Izy ireo, ary satria tsy nisy vahiny Izy ireo. de maina. 7 Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany feno fantsy. Ary nitrebogna.Ary nahè mavènty ireo fantsy ireo de nangeja ananjy, ke tsy namoa voa. 8 Ny voa sanany nipariaka tamin'ny tany tsara ke namokatra voa teo am-mpitomboana ary nihafontry, ary ny sanany nitombo Avo telopolo heny, ny sanany enimpolo, ary ny sanany zato. 9 Avitake de Ahozy hoe: izeigny managna sofigna, aoka Izy hitandregny!" 10 Kôfa Iziraika Jesosy, dia nagnontany Azy momba io anoharagna io ireo izey marivo Azy sy ireo mpianany roembifolo. 11 Ahozy tamin-dre hoe: ho anare no nagnamezagna ny raha mivonin'ny fanjakan'Andriamanitra. Fa ho an' ire any ivelany de fanoharana avokoa, mba amin'ny fotôagna hijahava-jare, eny hijaha Izy ire, nefa tsy hahita, ary 12 mbô amin'ny fotôagna hitandrignesan-jare, eny handre izire, nefa tsy hahafantatra izeigny, na koa hiodigna njare de hamindra fo amin-jare Andriamanitra." 13 Kôfa ahozy tamin-jare hoe: " Tsy azonare mé ny agnoharagna zeigny? Ahoana zeigny no ahazahoanare ire agnoharagna hafa jiaby? 14 Ilay mpamboly izay mamafy ny voa de Ilay araiky izay mamafy ny bakôra. 15 Ireto no ilay araika nipariàka tegny an-dalagna, izay namafazana ny Bakôra, kôfa regnin-jare zeigny, de tônga ndreky gny fahavalo ary hangalatra ny Bakôra izay voafafy tamin-jare. 16 Tô dreiky ilay voafafy tamin'ny tany feno vatovato, izay, kôfa nandre gny Bakôra, de nandray izeigny tampifaliagna. 17 Tsy misy vahañy ao aminjare, fa maharitra fotoagna hely fotsiny. De tônga gny fahoriagna na gny fanenjehagna nohon'ny Bakôra, kè tônga de lavo-njare. 18 Reigny hafa gno ilay voafafy tamin'ny tany feno fantsy. Notandrignesan-jare gny Bakôra. 19 Fa gny fagnahin' izao tontolo izao, gny famitahan'ny harena, sy gny filàna gny raha hafa de tafiditra ka mangeza gny Bakôra, ka tsy mamoa vokatra izeigny. 20 Kôfa ire izeigny voafafy tegny amin'ny tany tsara de ire izay mitandregny gny Bakôra kôfa mandray izegny, ke namoa vokatra izy ire-_telopolo,enimpolo, na avy zato henin'izeigny nafafy 21 Jesosy nivôlagna taminj-jare hoe: " Indosina ao an-dràgno me gny jiro mbo ho atao ao ambany helitra, na ambanin'ny Kitrara? Indosinà miditra izeigny de hataonà ambodin'ny fitoeana jiro 22 . Fa tsy misy raha mivony izey tsy ho fantatra, ary tsy misy tsiambaratelo izey tsy iboaka. 23 Raha managna tadigny hoentina mitandregny, aoka Izy hitandregny!" 24 Ahozy Izy tamin-jare hoe; " Mitandrema amin'ny Bakôra izay regni-nare, fa arakaraky gny ohatra agnoharanare fô, gno agnoharagna anare, de ampiagna aminare izeigny. 25 Satria na azôvy na azôvy managna, de homena fontro kokoa izy, ary na azôvy na azôvy tsy managna , na izay anagnagny aza alaigna aminajy" 26 Kôfa hoy ihany koa Izy hoe; " Gny fanjakan'Andriamanitra de tahaka gny ôlo araiky mamafy gny voany amin'ny tany. 27 Mandry izy amin'ny alina ary mifoha amin'ny mandraigna, ary gny voa de mitrebogna kè mitsiry, fa tsy fantany hoe ahoana. 28 Ny tany de mamoa amin'ny tenany fô: voalohany gny rantsagny, aviake gny tahony, aviake gny voa matoy eo amin'ny tahony. 29 Ary kôfa matoy gny voa de avy hatrany izy de handefa fitsangorana, fa efa tonga gny fotoagna fitsagoragna." 30 Ahozy indraiky Izy hoe; " Ino no azontsika ampitahagna ny fanjakan' Andriamanitra, na Ino no agnoharagna hampiasantsika hagnazavana izeigny? 31 Izeigny de karaha voatsinapy izay, kôfa hafafy, de izy no voa hely indrindra amin'ny voa jiaby eto ambodin'ny tany. 32 Nefa, kôfa voafafy izeigny, de mitrebogna ary lasa maventy nohon'ny kakazo jiaby, ary mamoa rantsagna vaventy, kè azon'ny voromagnémbagna hagnanôvany ny tragnony eo amin'ny amboniny." 33 Ary agnoharagna fontro karan'izeigny no nagnambarany ny Bakôra tamin-jare ire, arakaraky gny fahazahoan-jare azy, 34 ary tsy nivôlagna tamin-jare ire afa- tsy tamin'ny agnoharagna Izy. Kôfa Rehefa araiky Izy, de nohazavainy tamin'ire mpianany manokana ny raha jiaby. 35 Tamin-jegny andro zeigny, kôfa Tônga ny ariva, de ahozy tamin-jare hoe: " Andeha isika hita ery ampita. 36 niala teo amin'ireo fokonôlo njare, nitondra an'i Jesosy niaraka njare. Raha igny Izy, tao agnaty sambohely igny. Nisy sambohely hafa nandehandeha diaraiky taminy. 37 Avitakè Nanomboka nisy tafio-drivotra be ary ny onjan-nodrano nagnafotra ny sambohely kè efa saika feno rano ny sambohely. 38 kôfa Jesosy araiky nandry takè ambodin'ny sambokely, tambonin'ny ondagna. nofohazi-njare Izy, nagnontany hoe: " mpampianatra ô, tsy mampagnino anà ve Raha ho faty aketo antsika.? 39 Kôfa nifôha Izy, de nivôlagna mafy tamin'ny rivotra, ary nivôlagna tamin'ny ranomasina hoe: " Mitsahara! mitonia! Ary nitsahatra ny rivotra, kè nisy fitoniagna be. 40 Kè Ahozy tamin-jare fô : magnino nare mavôzo? Mbôla tsy managna finoagna fogna me narè ô. ? 41 fontro avozo njare kè nifampivôlagna hoe: " azôvy me I aôlo Ty, fô ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky anànjy.?