Too haha 16

1 Kôfa tapitra ny andron' ny Sabata, de nividy raha magnitra ahôsotro amin' ny fatin' i Jesosy i Maria Magdalena ndraiky Maria maman' i Jakoba, ndraiky Salome nividy hagnitra mbô handeha kè hagnôsotro ny fatin' i Jesosy. 2 Vô mahizim-be tamin'ny andro vohaloha' ny herinandro, de nankeny amin' ny fasana izy zare kôfa niposaka ny masôva. 3 De nifampikoragna izy zare fô:" Azôvy no anakodia ny vato eo amin'ny tamiagnan' ny tragno manàra ho antsika?" 4 Kôfa nitraka zare , de hitany fa efa voakodia niala ilay vato , izay tena maventy tokôatra,. 5 Nitrôfotro takô an- tragno manara zare de nahita gaön-dahy niankanjo fotsy, nidôko take ankavanana, kè de variagna zare 6 . De ahozy Izy taminin' zare fô:" Aza mavôzo. Miaragna an' i Jesosy nare, Ilay Nazarena, izay nofantsihana. Nitsangana Izy! Tsy aketo Izy. Jahavo ny toerana izay namitrahan-jare Anazy. 7 Fa mandihàna, koragnó zare mpianany ndraiky Petera fa hialôha lalagna anjare agny Galilia Izy. agny no hahitanare Anazy, araky izay nivolagniny taminare.' 8 Nibôaka zare kè nihazakazaka niala ny tragno manara; nangôrohôro sy variagna zare. Tsy nivôlagna na ino na ino tamin'ny ôlo zare satria tena navôzo maré. 9 [ Fanamarihana: Ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka: 16: 9-20] Vô maraigna tamin' ny andro voalohan' ny herinandro, tafaran' ny nitsanganany, de niseho tamin' i Maria Magdalena aloha Izy, ilay nandroahany demonia fito, 10 De dila Maria kè nikoràgna ny vaovao tamin' njare niraidia tamin' i Jesosy, raha mbôla nisaona ndraiky nitomany zare. 11 Regnin' njare fa velogna Izy kè nahita Anazy izy saingy tsy nino izire. 12 [Ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka 16: 9-20] Tafaran'ireo raha ireo Jesosy de niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roe tamin'njare, raha nandehandeha ho agny an-tanàgna zare 13 De dila zare kè novôlagna tamin'jare mpianatra sisa, saingy tsy nino zare. 14 [ Fanamarihana: ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka 16:9-20 ] Taoriana hely de niseho tamin'ny araiky amin'ny folo lahy Jesosy raha mbola take ampihinanagna zare, kè nivôlagna maré anjre Izy nohon' ny tsy finoagna ndraiky hamafin' ny fon' zare, satria tsy nino ire izay nahita Anazy taoria'ny nitsanganan'ny tamin' ny maty zare. 15 Kè ahozy Izy tamin-jare fô :" Mandihàna agny amin'izao tontolo izao, kè torio amin'ny ôlo jiaby ny filanzantsara. 16 Izay mino ndraiky atao batisa no ho vonjena, kè izay tsy mino kôza de ho helohina. 17 Fanamarihana: Ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka 16: 9-20 ] Ireto famantaragna ireto de hanaraka zare zègny mino: Amin'ny Anarako no hamoha-njare demonia. hivôlagna amin'ny fivôlagna vaovao zare. 18 Handray menarana amin'ny tanana zare ary raha migiàka raha mahafaty njare, de tsy hampagninona Anazy zègny. Hagnano petra-tagnana amin'ny tsy salama zare, de ho salama iregny." 19 [ Ny fandikana talôha tsara indrindra de manala ny Marka 16: 9-20 ] Kôfa avy nikoragna tamin-jare ny Tompo, de nampiakarina ho any an-danitra Izy ary nidôko eo an-tanana ankavanan' Andriamanitra. 20 De dila zare mpianatra nitory ny Bakôra jiaby tegny, ary ny Tompo niara-niasa tamin-jare ary nanamafy ny Bakôra tamin'ny alalan'ny famantaragna izay niraidia tamin'njare.