Toko faha 14

1 Ary roa andro alohan'iny Paska sy ny Fankalazagna ny finanagna ny Mofo tsy misy Masirasira tamin'izany. Nizaha fomba hisamboragna an'i Jesosy mangingina ire lohany mpisorogna sy ny mpanoradalàna ary hamono Azy avakeo. 2 Fa ahozin-jare hoe: ''Alo tsy amin'ny andro fety, mbo tsy hanabataba ny ôlogna.'' 3 Raha tagny Betania tô anpdragon'i Simona boka i Jesosy, raha nipètraka to an-databatra Izy, de nisy viavy raika hagnatogna Azy nitôndra tavoara alabastera misy menaka lafo vidy izay narda tsimifangaro. Nivakiny ilè tavoara de nararany amin'ny lôhany izegny. 4 Nahavignitra ny ôlogna asanany anefa zegny. Nifampy volagna izire ka nagnano hoe: ''Ino no aton'izô fandanindanigna izô? 5 Io menaka magnitra io azo ambidy mihoatra ny telonjato denaria, ary namiagna ny mahantra.'' De nivigniran-jare ilè viavy avitake. 6 Nèfa ahozy Jesosy hoe: ''Ambile izy. Nagnino anan-dre magnano zay mampalahelo Anan-jy? Raha tsara natony taminà. 7 Ny mahantra de eo amin'andre mandrakariva, ary mahazo magnano asa soa ho anjare fogna anare na aminy fotogna ino na fotogna ino, fa Izaho koza tsy hidôka aminan-dre mandrakariva. 8 Nagnano izay azony ato izy: nagnosotra ny vatako ho amin'ny fandivegnana izy. 9 Volagniko marigna aminan-dre na zôvy hitoriagna ny Filazantsara magneragna izo tontolo izô, de volagnina ny naton'ity viavy ity, mbô fahatsarovagna anan-jy.'' 10 Tônga te Jodasy Iskariota, raika tamin'izy rombifolo lahy lasagna amin-jare lohan'ny mpisorogna hahafahan-jare manondro Azy eo amin-jare. 11 Raha naregny an-jegny ire lohanim-pisorogna, de faly zare ka nanpagnantegana hagnome vôla anan-jy. De nanomboka nizaha hevitra hanoloragna amin-jare izy. 12 Tamin'ny andro volognan'ny finanagna ny Mofo tsisy masirasira, raha nagnano ny sorogna ny ondrin'ny Paska zare, de ahozy ire mpianatra taminy hoe: Aiza tiano andehananay hikarakaragna sakafo, mbo hinanano sakafon'ny Paska?'' 13 De nagnasa roy tamin'ire mpianatra Izy ka mivôlagna tamin-jare hoe: ''Mandehana agny an-tanagna, ary hisy lalahy mitondra siny feno rano hitrotra aminan-dre. Magnaraha Anan-jy. 14 Izay tragno hidirany, magnaraha azy de volagno ny tompon'izegny tragno zegny hoe: Ahozy mpampianatra hoe: ''Akaiza ny hefitragno fandraisam-bahiny ahafahako miaraka mihinagna amin'ire mpianatro?"' 15 Hatoroko anandré ny efitrano maventy any ambony etazy misy fanaka izy efa vonogna tsara izy. Ako no atovy ny fanomanagna rehetra ho antsika.'' 16 De lasagna ny mpianatra nandika ny tagna. Hitan-jare araka izany izé efa ny volagny tamin-jare ny raha jiaby, de nanomagna ny sakafon'ny Paska izireo. 17 Raha haligna ny andro, de tonga niaraka tamin-jare roa ambifolo lahy Izy. 18 Raha nipetraka teo an-databatra sy nihinagna izy ire, ahozy Jesosy hoe: ''Volagniko marigna aminan-dre, fa ny raika amin'andre izay miaraka mihinagna amiko eto de hamadika Anà.'' 19 Nalahelo mafy izy rehetra, ka nivolagny taminy ny tsirekareka hoe: ''Tsy Zà zègny e." 20 Jesosy namaly ka nivolagna tamin-jare hoe: ''Ny raika amin'andre roa ambiny folo izegny, le raika miaraka magnatroboka mofo Aminah agnaty lasety izo.'' 21 Fa ny Zanak'Ologna de handeha amin'ny lalagna izé efa nivolagniny Sôratra Masigna momba Azy. Fa lôza kòza hoan'ny lalahy izè mamadika ny Zanak'Ologna izegny. Tsara hoanan-jy kokoa aza raha tsy teraka izy.'' 22 Raha mbôla te ampinanagna izire de nangalaka ny mofo i Jesosy, nisôtra, ary nirasarasainy izegny. Natondro an-jare izegny sady nagnano hoe: ''Raiso, ity no vatako.'' 23 De nangalaka ny tasy Izy, nisôtra, ary natondro an-jare izany, de nisôtro taminjegny izy jiaby. 24 De ahozy Izy tamin-jare hoe: ''Ity ny ràn'ny fagnekem-piavanako, rà izegny alatsaka ho an'ny maro. 25 Volagniko marigna amin'andre, tsy hisotro itô vokatry ny voaloboka itô kôza Izaho mandra-pahatongan'ny andro izey hisotroako izegny idraika any amin'ny Fanajakan'Andriamanitra.'' 26 Rha avy nihira fideragna izire, de nandeha any an-tandrombohitr'Oliva, 27 Hozy Jesosy tamin-jare hoe: ''Hiala Za tokoatra anan-dre jiaby, fa vosôratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Za ary hiparitaka ny ondry.' 28 Fa raha avy nitsangana amin'ny maty Za, de hialôha lalagna anare ako Galelia.'' 29 De ahozy Petera taminy hoe: ''Na iala dahôlo aza ny rehetra, izaho tsy mbo iala zany." 30 Ahozy Jesosy taminy hoe: ''Volagniko marigna amino, fa niany ariva, raha mbola tsy magneno akory ny akoho, de efa handà Ana in-telo ano.'' 31 Fa ahozy hoe: ''Na tsy mentsy miaraka maty aminao aza Zah, tsy mbô handà Ano.'' De samby nampananetegna kara anjagny daholo zare jiaby. 32 Ary tônga tagny amin'ny toeragna ato hoe Getsemane zare, de ahozy Jesosy tamin'ny mianatra hoe: ''Mipetraha aketo fa mbola mivavaka Zaho.'' 33 De nidosin'ny i Petera, sy Jakoba, ary Jaona niaraka taminy Izy ary nalahelo sady hory tanteraka. 34 De Ahozy tamin-jare hoe: ''Fadiranovana lôtra ny Fagnahiko kara efa ho faty. Mipetrah aketo de miambena.'' 35 Nagnalavitra kely Jesosy, nankohotra taminy tany, de nivavaka Izy raha ôhatra azo atô, de hiala Aminy izany lèra izegny izy. 36 Ahozy Izy hoe: ''Aba, ray o, ny raha jiaby haino ato. Alaho amina ity kapoaka ity. Nefa hoka tsy sitrapoko ny atô, fa ny Ano.'' 37 Niherigna Izy de nahita anan-jare nandry, ka ahozy Izy tamin'i Pietera hoe: '' Simona, mandry mè ano? Tsy nahavita niambina lera raika va ano? 38 Miambegna de mivavaha mbô tsy hidiran'andre aminy fakam-panahy. Ny fagnahy mety mazoto tokoa, fa nofo no malemy.'' 39 De nandeha ndraika izy niala kely ary nivavaka, ary de namerigna ny teniny teo aloha migna. 40 Niherigna indraika Izy de nahita anjare nandry, fa navesatra ny torimaso ny mason-jare ary tsy nahita zegny novolagnina taminy . 41 Nagnatona mpagnintelo Izy ka nivolagna anjareo hoe: ''Mbôla mandry malaka haina fogna va anan-dre? Ampy izay! Efa tonga ny fotogna. zahava! Ny Zanak'ologna nivadihana hatondro an-tagny mpanota. 42 Mitsangàna; ando andeha andtsika. Zahavo, efa marikitry ilè hamadiaka Anah.'' 43 Ary raha mbola ampivolagana Izy, de tônga Jodasy, raika aminjare roa ambifolo lahy, niaraka taminy fokon'ologna maro izy ize nitôndra sabatra sy lalagilangy, avy amin-jaore lohan'ny mpisorogna ny mpanoradalàna, ary ny lohona. 44 Ary lè mpamdika Azy nagnome famantaragna anjare, nivolagna hoe: ''Izegny hirohako, Izy lèn Izy. Samboro Izy de ambeno.'' 45 Raha tônga Jodasy, de nagnatogna an' i Jesosy avy hatrany izy sady nivolagna hoe: ''Raby'' ary nagnoroka Azy izy. 46 Avite de nisamborin-jare Jesosy. 47 Nisy araika tamin-jare nijtsangana te kanamoaka ny sabtrany ary namango ny mpanompon'ny ka nanapaka ny tadigniny. 48 Ahozy Jesosy tamin-jare hoe: ''Avy hanambotra Za, kara hanambotra jiolahy, miaraka amin'ny sabatra sy lalangilangy va anan-dre? 49 Taminy Za teo aminareo isan'andro sy nampianatra tô amin'ny tempoly, tsy ny sambôrinan-dre. 50 Fa natô izo mbô hatanteraka ny Sôratra Masigna.'' De nando Azy daholo izy jiaby niaraka tamin'i Jesosy ary nisitrika. 51 Ary nisy tovolahy arèky, tsy nitafy afa-tsy lamba hariry fotsy ihany, naganaraka, an'i Jesosy. Raha nosamborin'ny ôlogna izy 52 de nambelany te ny lambany ka lasagna nilèfa izy sady tsisy lamba izy. 53 Nindesin-jare tagny amin'ny mpisorona be Jesosy. Niara ny vory te daholo ny mpisorona jiaby, sy ny loholona, ary ire mpanora-dalàna. 54 Ary Petera nagnaraka Aananjy tany lavidavitra any, hatrany amin'ny tokotan'ny mpisorona be. Nipetraka teo amin-jare mpiambigna izy, izay namindro teo amin'ny afo. 55 Ary ire lohan'ny mpisorona sy ny Synederiona Jiosy de nizaha vavolombelogna manohitra an'i Jesosy mbô hahafan-jare mamono Anan-jy. Saingy tsy nahita zare. 56 Fa maro ny niampanga lènga Anan-jy, nefa ny fampangan-jare aza tsisy marigan avokoa. 57 Ary nisy ologna asanany nitsangana ka nampanga lènga Anan-jy; ahozinjare hoe: 58 ''Regninay Izy nivolagna hoe: ' Ho ravako ity tempoly namboarina tagnana ity, ary agnatiny telo andro Zaho de hanangana reka hafa tsy hamboarin-tanana.'' 59 Fa mbola tsy nifagnaraka migna ny fampangan-jare. 60 ny mpisorona be de nitsangana te amiv 62n-jare de nagnontany an'i Jesosy hor: '' Tsy manan-kovaligana anga Ano? Ino no hiampangan-jare Ano izany?'' 61 Fa nagigna Izy sady tsy namaly na ino na ino. De mbôla nagnontany Anan-jy indraiaka ny mpisorona be hoe: ''Iano va i Kristy, Zanak'Ile vohatahy? 62 AryDe ahozy Jesosy hoe: ''Izaho no Izy; ary hitanan-dre ny Zanak'Ologna raha mipetraka eo an-tanankavanan'ny herin'Andriamanitra sy avy amin'ny rahon'ny lagnitra.'' 63 Ary ny mpisorona be nan-drota ny lambany sady nagäno hoe: ''Mbola mila vavolombelogna koa va antsika? 64 Efa regninan-dre ny fitenenan-dratsy. Ino no fanapahan-kevitra anan-dre?'' Zare jiaby samby nagnameloka Azy ny mendrika ho maty. 65 Ny asnany niantetra nandrora tamin'Anjy ary nanampigna ny tarehiny ka nandamoka Anan-jy ary nagano taminy hoe: ''Maminagnia! Ary ire manamboninahitra nalakan'Anjy ka nandaroka Anan-jy 66 Ary raha te ambany an-kianja Petera, de nagnatona azy araika tamin-jare mpanompo vavin'ny mpisorona be. 67 Nahita an'i Petera nitsangana namindro te amin'ny afo izy, de nodinihany akaiky. De ahozy taminy. ''Ano koa niaraka tamin'ile Nazarena, Jesosy. 68 ''Fa izy nandà izegny, nagnno hoe: ''Tsy fantako sady tsy azoko ny raha volagnino.'' Avy te de lasa niala ny kianja izy.[Fanamarihana: Ire fandikana asanany manampy hoe: ''De nagneno ny akoho,'' fa ireo fandikagna taloha tsara indrindra dia tsy misy an'io teny io.] 69 Fa ilè zaza vavy te nahita anan-jy de nanaomboka nivolagna tamin-jare hoe: '' Io lalahy io de raika tamin-jare!'' 70 Fa mbôlala nandà kao izy. Kelikely avy teo ahozin-jareo nitsangana teo tamin'i Petera hoe: ''Raika amin-jre mihitsy ano,satria ano koa de Galliliane.'' 71 Fa nanomboka nagnozontegana sy nagnao veliranao izy hoe: ''Tsy haiko izany lalahy volagnin'andre izegny.'' 72 Ary niaraka tamin-jegny de nagneno ampanindroany ny akoho. Avite de natsaro ny tenin'i Jesosy taminy Petera hoe: ''Raha tsi mbola magneno fagnindroa ny akoho, de handà Zaho intelo ano,'' De nalahelo mafy izy sady nitomagny.