Tôkô faha: 13

1 Ary rà niala takà an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nivolagna tami'ny araiky tamin'jaré mpianatrany hoe: "Mpampianatra ô, zahava ny hatsaran'ny vato sy ny hattsaran'ny rafitry!" 2 Hozy taminanjy hoe: "Hitanô mo reto rafitry maventy reto? Tsy havaila hisy vato areky hifampitikigna ake ke tsy ho ravagna." 3 Rà nidôko také an-tanetin'Oliva nifagnandrify ny tempoly Izy, dia nagnontany Ananjy mangingigna Petera, Jakoba, Jaona sy Andrea hoe: 4 "Volagno aminay, hoviagna no hitranga zegny jiaby zegny? Ino no famantaragna izikoa hitranga iré raha iré?" 5 Ary Jesosy nanômboko nivolagna tamin'jaré hoe: "Mitandrèma mbo tsy hisy ôlogno hampivily lalagna anandré. 6 Fô maro no ho avy amin'ny Agnarako sy hivolagna hoe: "Zaho no izy", ary maro no ho voafitaka. 7 Rà naregny ady sy korambe momban'ny ady anaré, dia aza magnahy; tsy maintsy higadogna iré, fô tsy mbôla zegny ny farany. 8 Fô hisy firenegna hitsangagna hamely firenegna, ary hisy fananjakagna hamely fanjakagna. Ary hisy hôrohôron-tany amin'ny toeragna maro, sady hisy silogna. Zegny no fihantombohan'ny fiterahagna. 9 Mitandrèma anaré. Ho atôlotron'jaré amin'ny Synedriona anare, ary ho vilezigna ako amin'ny Synagoga. Hitsangagna manoloagna iré mpanapaka sy iré mpanjaka noho ny Aminahy anaré, ho vavolombelogna amin'jaré. 10 Fô ny Filazantasra dia tsy maintsy ho toriagna agny amin'ny firenena jiaby alôngany. 11 Rà misambotro sy manôlotro anaré zeré, dia aza magnahy ny amin'jegny tôkony ho volagninaré. Fô amin'igny ôra igny, dia hamiagna anaré zegny tôkony ho volagninaré; tsy anaré akôry no hivolagna, fô ny Fagnahy Masigna. 12 Ny ralahy hanôlotro ny ralahy ho faty, ary ny baba hanôlotro ny zanany. Ny zanaka hitsangagna hanôhitry ny ray aman-dreniny ka hahavono anjaré. 13 Ho halan'ny ôlon-jiaby anaré nôhon'ny Agnarako. Fô na izôvy na izôvy maharitry hatragniamin'ny farany, dia ho voavônjy zegny ôlogna zegny. 14 Fô raha hitanaré mitsangagna aké amin'ny tsy tôkony hitsanganany ny fahavetavetagnan'ny fandravagna (oka hisaigna zegny mamaky), dia aoka zegny avy agny Jodia jiaby hilaifa agny an-tanety, 15 zegny ako an-tafon-tragno oka tsy handrorogno ako an-dragno na hamôaka raha avy ako amin'jegny, 16 ary zegny agny an-tsaha oka tsy hiverigna hialaka ny akanjony. 17 Lozan'jaré vihavy bikibo sy mampinono amin'jegny andro zegny! 18 Mivavaha anaré mbô tsy ho amin'ny ririrgnina no hitrangan'jegny. 19 Fô hisy fahoriagna be, zegny tsy mbôla nisy hatragniam'bôlohany, kôfa namôrogno zô tôntolo zô Andriamanitra, ke mandrak'iniany, ahà, kè mandrakizay tsisy kôza zagny. 20 Izy kô tsy nafohézin'ny Tompo zegny andro zègny, dia tsohisy nôfo ho voavonjy. Fô nôhon'ny ôlom-bôafidy, zègny voafidiny, dia nafohezin'ny isan'jegny andro zègny. 21 Ary koa misy ôlogna mivôlagna hoe: "Zahano, atô lay Kristy!" na koa hoe: "Zahano, arô Izy!" dia aza matôky anjègny. 22 Fô hisy Kristy sandoko sy mpaminagny sandoko hiboaka kè hamoaka famantaragna sy fahagagagna, mbô hamitahagna, na dia ny ôlom-bôafidy aza, kôa azo atô. 23 Miambèna! Efa nivolagniko taminaré mialôha ny fotoagnan'iré raha jiaby iré. 24 Kanaifa afaran'ny fahoriagnan'iré, dia hanômbokoahizigny ny masôva, ny davôlagna tsy hagnamia ny hazavagna, 25 iré kintagna hiraraka avy agny amin'ny lagnitry, ary iré hery zègny ako an-dagnitra ho hôzongôzognina. 26 Kè ho hitan'jaré ny Zanak'Ôlogna avy agny amin'ny rahôgna amin'ny hery mafy sy voninahitry. 27 Ary hagnasa ny anjeliny Izy kè hagnangogna miaraka iré ôlom-boafidiny avy agny amin'ny vazan-tany èfatra, avy agny amin'ny faran'ny tany kè hatragny amin'ny faran'ny lagnitra. 28 Malaka lesogno avy amin'ny kakazon'aviavy. Rà koa mandady sy maniry ny rantsany, dia fantanaré fô mariny ny lôhatogno. 29 Kara zègny koa, izy ko hitanaré mitranga zègny raha jiaby zègny, dia fantanaré fô èfa mariny Izy, marikitry ny vavahady. 30 Volagniko aminaré, marigny tokoatra, itô taranaka itô dia tsy ho foagna mandra-pitrangan'jegmy raha jiaby zègny. 31 Ho levogno ny lagnitra sy ny tany, fô ny teniko kosa tsy mbô ho levôgna mandrakizay. 32 Fô ny mahakasiky zègny andro na fotoagna zègny, dia tsisy mahai, na dia iré anjely agny an-andagnitra aza, na ny Zanaka, fô ny Baba foagna. 33 Mitandraima! Miabaina, satria tsy fantanaré ny fotoagna. (Fanamarihagna: Iré fahaifagna talôha dia hoe: Mitandraima! Miabaina ary mivavaha, satria...) 34 Zègny dia karaha ny lilahy araiky handaiha lavitra_niala ny tragnony izy kè iré mpanompony no nasainy niambigna ny tragnony, samy amin'ny raharahany avy, ary nandidy ny mpiambigna Izy mbô tsy hatôry. 35 Koa miambèna, satria tsy fantanaré hoe hoviagna no ho avy ny tompon-tragno; mety ho amin'ny androaligna zègny, na amin'ny sasak'aligna, na magneno akôho, na mandraigny. 36 Fô koa avy tampoko izy, dia aza avèla hahita anaré mandry izy. 37 Izy volagniko aminandre dia volagniko amin'ôlogno jiaby koa: Miambèna!"