Tôko faha 6

1 Noho izégny, andeha havelantsika ny fiatombohan'ny hafatr'i Kristy ké handroso amin'ny fahamatoragna. Andeha atsika tsy hametraka ndraiky ny fôtotry ny fibebahagna nohon'ny asan'ny naty ndraiky finoagna an'Andriamanitra, 2 na ny fôtotry ny fampianaragna momban'ny batisa, ny famitrahan-tanagna, ny fitsanganan'iré ôlogno naty, ké ny fitsaragna mandrakizay. 3 Hagnano izégny foagna koà atsika kôfa avelan'Andriamanitra. 4 Fô tsy hay atô ho an'iré zay efa nohazavaigna ndraiky mandeha izégny, zay nanandragna ny fanomezagna avy agny an-dagnitra, zay nandray ny Fagnahy Masigna, 5 ké zay nanandragna ny vôlagna tsaran'Andriamanitra sy iré herin'ny vanim-potoagna ho avy, 6 saingy avaké de lavo—tsy hay atô ny mamerigna ananjy iré amin'ny fibebahagna ndraiky. Izégny de satrià nomboanjaré ré ho an'ny tagnanjaré ré ndraiky ny Zanak'Andriamanitra, ké nalainy baraka ampahibemaso. 7 Fô ny tany zay mitroka ny ôragna mateti-piavy amin'izégny, sy zay mamokatra iré raha-maniry ilain'iré ôlogno zay niasagna ny tagny—itô no tany zay mandray fitahiagna avy amin'Andriamanitra. 8 Fô ndraiky mamokatra tsilo izégny, de tsisy ilàgna ananjy ké efa akaikin'ny fagnozonagna. Ny fiafaran'izégny de amin'ny firehetagna. 9 Fô zahay de resy lahatra ny amin'iré raha tsara kokoa momba anaré, ry malala, raha zay mahakasika ny famonjegna, na de mivôlagna karaha izégny aza zahay. 10 Fô Andriamanitra de tsy mbô tsy marigna ké hagnadino ny asanaré ndraiky fitiavagna zay nasehonaré nohon'ny agnarany, satrià anaré de nanompo iré mpino ké mbôla manompo ananjy iré hatragny. 11 Magniry mafy zahay mbô haneho fahazotoagna karaha izégny hatramin'ny farany ny tsiraikaraiky aminaré ho an'ny antoky ny fahatokiagna feno. 12 Izégny de mbô tsy ho lasa kamo anaré, fô ho mpaka-tahaka an'iré zay mandova iré fampanantinagna amin'ny finoagna sy faharetagna. 13 Fô tamin'Andriamanitra nagnano ny fampanantinagna tamin'iAbrahama, de nianiana tamin'ny Tegnany Izy, kôfa tsy afaka nianiana tamin'ny ôlogno maventy kokoà. 14 Ahozy Izy hoe: ''Zaho de hitahy anà tokoà, ké tegna hahamaro anà.'' 15 Tamin'izégny fômba izégny, de nahazo zay nampanantinaigna tafaran'ny niambesany tamim-paharetagna Abrahama. 16 Fô ny ôlogno de mianiana amin'ny ôlogno zay maventy kokoà noho ny tagnanjaré ré. Isakin'ny tapitra ny fifamalianjaré ré, de misy voady araiky natô ho fagnamasinagna. 17 Kôfa nanapa-kevitra ny hampiseho mazava kokoà tamin'iré mpandovan'ny fampanantinagna ny tsy fiovan'ny kalitaon'ny tanjony Andriamanitra, de namiany antoka tamin'ny voady izégny. 18 Natôny izégny mbô ho amin'ny alalan'ny raha tsy azo ovaigna aro — zay tsy hain'Andriamanitra ny mandainga amin'izégny—de hanagna fampahirezagna matanjaka mbô hihazogna mafy ny fahatokiagna zay napetraka také alôhantsika, atsika, zay nandositra mbô hanagna fialofagna. 19 Managna izégny toky izégny atsika ho aro sy vatofantsika azo hiankinagna ho an'ny fagnahintsika, fahatokiagna zay miditra akô amin'ny fitoeragna agnatiny akô ambadiky ny lamba. 20 Jesosy niditra takô amin'izégny fitoeragna izégny karaha ny mpialôha lalagna ho antsika, ké tônga mpisôrognabé mandrakizay magnaraka ny fômban'i Melkizedeka.