Tôko faha 4

1 Noho izégny, ôka hitandrigna tsara atsika mbô tsy hisy aminaré ny tsy afaka hahatratra ny vôlagna fampanantinagna navela ho anaré mbô hidiranaré akô amin'ny fitsaharan'Andriamanitra. 2 Fô atsika de nagnambara ny vôvô mahafaly karaha ananjy iré. Fô izégny hafatra izégny de tsisy tombony ho an'iré zay tsy nitambatra takô amin'ny finoagna niaraka tamin'iré zay nagneky. (Fagnamarihagna: ny dika-vôlagna sanany de mivaky karanjô: ''Fô izégny hafatra izégny de tsy nisy tombony ho an'iré zay naharegny ananjy tamin'ny tsy finoagna.'') 3 Fô atsika zay nino de irè zay hiditra amin'izégny fitsaharagna izégny, araka zay efa novolagniny hoe: ''Karaha ny nianianako tamin'ny fahavignirako, de tsy hiditra velively akô amin'ny fitsaharako zaré ré.'' Fô na izégny koà aza, ny asa famoronany de vita tamin'ny fagnorenagna zao tontôlo zao. 4 Fô izy nivôlagna tagny ho agny momban'ny andro faha-fito hoe: ''Andriamanitra nitsahatra tamin'ny andro faha-fito tamin'ny asany jiaby.'' 5 Ké mbôla nivôlagna ndraiky izy hoe: ''Zaré ré de tsy hiditra velively akô amin'ny fitsaharako.'' 6 Noho izégny, satrià mbôla vôtôkagna ho an'ny sanany ny fidiragna akô amin'ny fitsaharany, ké satrià maro iré Israelita naharé ny vôvô mahafaly tsy niditra takô nohon'ny tsy fankatoavagna, 7 de nametraka andro araiky ndraiky nantsoigna hoe: ''Androany'' Andriamanitra. Taorian'ny andro maro, de nivôlagna tamin'ny alalan'i Davida Izy, karaha zay vôlaza mialôha hoe: ''Niany kôfa naharegny ny feony anaré, de aza magnamafy ny fônaré.'' 8 Fô kôfa Josoa no nagnamia fitsaharagna ananjy iré, de tsy nivôlagna momban'ny andro araiky hafa Andriamanitra. 9 Noho izégny de mbôla misy sabata fitsaharagna vôatôkagna ho an'ny vahôkan'Andriamanitra. 10 Fô zay miditra akô amin'ny fitsaharan'Andriamanitra de nijanogna tamin'ny asany foagna kôa, karaha ny natôn'Andriamanitra tamin'Anjy. 11 Noho izégny ôka atsika hazoto hiditra amin'izégny fitsaharagna izégny, mbô tsy hisy na araiky aza ho tafalatsaka amin'ny karazagna tsy fankatôavagna zay nataonjaré ré. 12 Fô ny zakan'Andriamanitra de velogna sy mandaitra ké maragnitra noho ny sabatra roy lela. Zégny de magnindrogna hatramin'ny fagnasarahagna ny aigna amin'ny fanahy, ndraiky tonogna amin'ny tsoka mihintsy aza. Ké afaka fantarigna ny eritreritry ny fô sy iré fiasagna. 13 Tsisy famoronagna niafigna také agnatrehan'Andriamanitra. Fô ndraiky, ny raha jiaby de mihariary sy misôkatra aké imason'ilay araiky tsy maitsy hampamoahintsika. 14 Noho izégny, satrià atsika de managna mpisôrognabe maventy zay lasa namaky ny lagnitra, Jesosy Zanak'Andriamanitra, de andeha atsika hifikitra mafy amin'ny finoagnatsika. 15 Fô atsika de tsy managna mpisôrognabe zay tsy mahatsapa fangorahagna amin'ny fahalimentsika. Fô kôfa, atsika de managna ôlogno araiky zay efa nalaim-pagnahy tamin'ny fômba jiaby karaha antsika, fô Izy tsisy atô. 16 Oka ary atsika andeha amin'ny fahatokiagna ho agny amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavagna, mbô handraisantsika ny famindram-pô sy hahita fahasoavagna hagnampy amin'ny fotoagna ilàgna izégny.