Tôko faha 12

1 Noho izégny, satrià atsika vôadidigna vavolombelogna maro be karaha ny rahogna, de andeha atsika hamela ny vesatra jiaby ndraiky fahotagna mora magnodidigna antsika. 2 Andeha atsika hihazakazaka am-paharetagna ny fihazakazahagna zay napetraka také alôhantsika. Andeha atsika hitandrigna amin'i Jesosy, ny mpampiatomboka sy mpanantateraka ny finoagna. Fô nohon'ny hafaligna zay napetraka také agnoloany, de niaritra ny kakazofijaliagna Izy, tsy niraharaha ny hegnatr'izégny, ké nipetraka také an-tagnana ankavanagnan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. 3 Noho izègny eritrereto ny momba Ananjy, lay araiky zay niaritra fagnoheragna karaha izégny avy tamin'iré mpanota hanohitra ny tegnany, mbô tsy ho reraka akô am-pônaré anaré ké hilavo lefogna. 4 Tsy mbôla nanohitra anaré na nikezaka hagnohitra ny fahotagna hatramin'ny fahalatsahan-drà, 5 ké tsy tsaronaré ny fampahirezagna zay nampianarigna anaré karaha ny amin'iré zanaka hoe: ''Ry zanako lahy, aza magnamaivagna ny fitsipiky ny Tompo, na mihareraka kôfa ahitsiny anaré.'' 6 Fô ny Tompo magnafay ny jiaby zay tiany, ké Izy magnasazy ny zanaka tsirakiraiky zay raisiny. 7 Miareta fijaliagna karaha ny fitsipika. Andriamanitra de mitondra anaré karaha ny zanaka. Fô zanaka ino no také ké tsy nofaizin'ny babany? 8 Fô kôfa tsy managna fitsipika anaré, zay anagnan'ny ôlogno jiaby, de zazasary anaré fô tsy zanany. 9 Ary koà, nanagna ny ray ara-nofo karaha ny mpanafay atsika, ké nagnaja ananjy iré atsika. Tsy tôkony hankato kokoà ny Rain'ny fanahy vô atsika ké ho velogno? 10 Fô etsy andaniny, iré raintsika nanafay antsika nandritry ny andro vitsy araka izay marigna taminanjy iré. 11 Nefa aké ankilany, Andriamanitra nagnano izégny ho an'izay tsara ho antsika mbô hafahantsika managna anjara amin'ny fahamasignany. Tsisy famaizagna mitranga ho mahafinaritra, fô manaintaigna aza. Kanefa izégny afarany hely de mamôkatra ny vokatra feno fiadagnan'ny fahamarinagna ho an'iré zay nozarigna tamin'izégny. 12 Noho izègny hatanjaho iré tagnanaré zay miraviravy sy iré lohalikaré malemy. 13 Manaova lalana mahitsy ho an'ny tongotraré, mbô zay malemy de tsy hipitsoka fô ho sitragna aza. 14 Magnenjeha fiadagnagna miaraka amin'ny ôlogno jiaby, ké ny fahamasinagna foagna koà zay tsy hahitan-jôvy na zôvy ny Tompo kôfa tsy miaraka amin'izégny. 15 Mitandrema mbô tsisy na zôvy na zôvy tsy hanagna ny fahasoavan'Andriamanitra, ké tsisy fakan'ny fahanginagna mitômbo hiteraka korontagna, mbô tsy ho maro no lasa voaloto amin'izégny. 16 Mitandrema mbô tsisy fijangajangagna na ôlogno tsy an'Andriamanitra takô an'i Esao, zay nivarotra ny fizokiany ho an'ny hanigna araiky. 17 Fô anaré mahafantatra fô kôfa afaka izégny, kôfa nagniry ny handova ny fitahiagna izy, de nolavigna, satrià ts nahita irika amin'ny fibebahagna izy, na de nikatsaka izégny tamin-dranomaso aza. 18 Fô anaré tsy tônga také amin'ny tendrombohitra zay tsy azo kasihigna, tendrombohitra ny afo mandoro, haizigna, fahamaizinagna, ké tafiotra. 19 Anaré de tsy tônga také amin'ny trompetra magneno mafy, na také amin'ny feo zay mivôlagna iré vôlagna zay ny mpihaino izégny de nangataka mbô tsisy vôlagna hafa ho volagniny aminjaré ré. 20 Fô zaré ré tsy afaka niaritra zay nodidiagna hoe: ''Fô na de ny biby mikasika ny tendrombohitra aza, de tsy maintsy ho toraham-bato izégny.'' [Fagnamarihagna: Iré dika-vôlagna sanany talôha de mivaky karanjô: ''''Fô na de biby araiky zay mikasika ny tendrombohitra aza, de tsy maintsy ho toraham-bato izégny na ho vonigna amin'ny zana-tsipika.''''] 21 Fô mampitahota lôtra lay fahitagna zay novolagnin'i Mosesy hoe: ''Mihorohoro zaho ké mangovitra'' 22 Fô anaré ndraiky, de tônga také amin'ny tendrombohitra Ziona ké také amin'ny tanàgnan'Andriamanitra velogno, ny Jerosalema agny an-dagnitra, ké také amin'iré anjely agn'align'aligna tamin'ny fankalazagna. 23 Anaré de tônga také amin'ny antôkon'ôlon'ny vôlôhan-teraka, zay voasôratra agnaragna agny an-dagnitra. Anaré de tônga také amin'Andriamanitra, lay Mpitsara ny jiaby, ké také amin'iré fagnahin'iré ôlon'ny fahamarinagna zay natô tônga lafatra. 24 Anaré de tônga také amin'i Jesosy, lay mpagnalalagna ny fagnekegna vôvô, ké také amin'ny rà latsaka zay tsara kokoà noho ny ràn'i Abela. 25 Ôka anaré tsy handà lay araiky zay mivôlagna. Fô ndraiky tsy nandositra zaré ré taminjarè ré nandà ny araiky zay nampitandrigna ananjy iré taketo an-tany, de hely kokoà no handosirantsika ndraiky mihodigna amin'ilay araiky zay mampitandrigna antsika avy agny an-dagnitra atsika. 26 Tamin'ny fotoagna araiky, ny feony nagnozongozogna ny tany. Fô avaizo Izy nampagnategna sy nivôlagna hoe: '' Mbôla hagnozongozogna indraiky mandeha tsy ny tany foagna zaho, fô ny lagnitra foagna koà.'' 27 Iré vôlagna iré, ''Indraiky mandeha koà'', de midika ny famindragna iré raha zay afaka hozongozognina, izégny de, iré raha zay nohariagna, mbô hipetraka iré raha zay tsy azo hozongozognina. 28 Noho izégny, satrià mandray fanjakagna zay tsy azo hozongozognina, de ôka ho mpankasitraka atsika ké amin'izégny fômba izégny de hidera an'Andriamanitra am-pagnajagna loatra sy amin-tahotra. 29 Fô ny Andriamanintsika de afo mandevogna.