Tôko faha 10

1 Fô ny lalàgna de alok'iré raha tsara ho avy fotsiny, fô tsy tegna endrik'iré raha iré. Iré zay magnantogna an'Andriamanitra de tsy afaka ny ho lafatra amin'ny alalan'ny sôrogna mitôvy amiin'izay indosin'iré mpisôrogna isan-taogna. 2 Kôfa izégny tsy efa nitsahatra ny nanôlotra iregny sôrogna iregny vô zaré ré? Amin'izégny tranga izégny, kôfa efa nodiovigna ndraiky mandeha monja zaré ré, de tsy mbô hahafantatra ny ota sanany irè mpivavaka. 3 Fô amin'iré sôrogna iré de misy fampatsiahivagna iré ota asan-taogna. 4 Satrià ny ràn'ny omby lahy sy osy lahy de tsy mahavita magnala iré ota. 5 Kôfa tônga taketo amin'izô tontôlo zao Kristy, de nivôlagna Izy hoe: ''Tsy sôrogna na koà fagnatitra no nirinaré. Fô kôfa, vatagna zay efa nomaninaré ho Anahy. 6 Ny fagnatitra nodoragna na sôrogna ho an'ny ota de tsy nifalianaré. 7 Ary ahozy Zaho hoe: ''Zahavo, intô Zaho, araka zay vôsoratra momba Anahy akô amin'ny Sôratra Masina, mbô hagnano ny sitrakaré.'' 8 Vôlôhany nivôlagna izy hoe: ''Tsy sôrogna, na koà fagnatitra, na fagnatitra nodoragna, na sôrogna ho an'ny ota no nirinaré. Kè anaré tsy nifaly takô aminjaré iregny.'' Iregny de sôrogna zay atôlotra araka ny lalàgna. 9 Ké nivôlagna izy hoe: ''Zahavo, intô Zaho hagnano ny sitrakaré.'' Izy de nagnala ny fampiharagna vôlôhany mbô hamitrahagna ny fampiharagna faharoy. 10 Tamin'izégny sitraka izégny, atsika de nohamasinigna tamin'ny alalan'ny fagnatitry ny vatan'i Jesosy Kristy ndraiky mandeha monja. 11 Amin'ny lafiny araiky, ny mpisôrogna jiaby de mijoro isan'andro manômpo an'Andriamanitra. Izy de manôlotra sôrogna mitôvy hatragny, na izégny aza izy iré de tsy afaka magnala iré ota mihintsy. 12 Amin'ny lafiny araiky hafa, Kristy de nanôlotra sôrogna araiky ho an'ny ota mandrakizay, nipetraka také an-tagnana ankavanagnan'Andriamanitra Izy. 13 Izy de miandry mandra-panaovagna iré fahavalony ho fitoeran-tôngotra ho an'ny tôngony. 14 Fô tamin'ny fagnatitra araiky izy de nahalavorary mandrakizay iré zay nohamasinigna. 15 Ny Fanahy Masina koà de mijoro vavôlombelogna ho antsika. Fô tamin'ny vôlôhany Izy nivôlagna hoe: 16 ''Itô no fagnekiagna zay ho atôko miaraka aminjaré ré afaran'iré andro iré, ahozy ny Tompo. Hapetrako akô am-pônjaré rè ny lalàko, ké hanoratako izégny akô an-tsainjaré ré Zaho. 17 Tsy hahatsiaro ny ota sy iré helok'izy iré intsony Zaho.'' 18 Kè na eza misy famelagna izégny, de tsisy sôrogna ho an'ny ota intsony. 19 Noho izègny, ry rahalahy, atsika de managna fahatokiagna ny hiditra akô amin'ny toeragna masina indrindra tamin'ny ràn'i Jesosy. 20 Izégny no lalagna vôvô sady velogna zay nosokafany ho antsika tamin'ny alalan'ny lamba, izégny hoe, tamin'ny alalan'ny lamba, izégny hoe, tamin'ny alalan'ny nôfony. 21 Satrià atsika de managna mpisôrogna maventy mitandrigna ny tragnon'Andriamanitra, 22 ôka atsika hagnatogna amin'ny fô madio amin'ny finoagna feno fahatokiagna, mbô hanagnantsika fô vôdio amin'ny fieritreretagna ratsy ké hanagnantsika vatagna vôdio taminy rano madio. 23 Oka atsika hiazogna mafy ny fagnekiagna ny fiandrandragna mahatokintsika, tsy am-pihozongozognana, satrià Andriamanitra, zay nampanantegna, de mahatoky. 24 Oka atsika handiniky ny momba handrisihagna ny tsiraikaraiky amin'ny fitiavagna sy iré asa tsara. 25 Oka atsika tsy hagnajanogna ny fiarahagna miangogna, karaha ny natôn'ny sanany. Fô ndraiky, mifankahereza hatragny hatragny, ary maika fô hitanaré fô manakaiky ny andro. 26 Fô kôfa tô atsika minia manota rehefa avy nandray ny fahalalagna ny marigna, de tsisy fagnatitra ho an'ny ota intsony. 27 Fô ndraiky, tôkagna foagna ny fiandrasagna mahatahotry ny fitsaragna, ké fahatizeragna mirehitra zay hamotika iré fahavalon'Andriamanitra. 28 Na zôvy na zôvy nandà ny lalàn'i Mosesy de ho foaty tsisy indrafô amin'ny fijoroagna vavôlombelon'iré roy na telo zay nagnatri-maso. 29 Fagnasaziagna ratsy lavitra karaha ny akôry no aritreretinaré fô mendrika iré zay nagnitsaka ny Zanak'Andriamanitra, zay nagnano ny ràn'ny fifagnikiagna ho tsy masina—Lay rà zay nagnamasigna Ananjy—ké nagniratsira ny Fanahin'ny fahasoavagna? 30 Fô atsika mahafantatra lay araiky zay nivôlagna hoe: ''Anahy ny valifaty; Zaho no hamaly.'' Ary koà: ''Ny Tompo de hitsara ny ôlony.'' 31 Raha mampitahotra no hilatsaka aké an-tagnan'Andriamanitra velogno! 32 Fô tadidio iré andro talôha, kôfa nohazavaigna anaré, ny fômba niharetanaré ny ady mafy tamin'ny fijaliagna. 33 Anaré de nalaigna baraka ampahibemaso tamin'ny fagnaratsiagna sy tamin'ny fagnenjehagna, ké anaré de niaraka nizara tamin'iré zay nandalo fijaliagna karaha izégny. 34 Satrià anaré de nanagna fangoraham-pô tamin'iré zay vôfonja, ké anaré de nanaiky tamin-pifaliagna ny fangalàgna ny fanagnanaré. De nahafantatra anaré fô ny tegnanaré de managna fanagnana tsara kokoà sy maharitra mandrakizay. [Fagnamarihagna: Ny dika-vôlagna talôha de tsy hahitagna ny fehezanteny hoe: ''Fô anaré de nanagna fangoraham-pô tamin'ny gadrako.''] 35 Noho izégny de aza ariagna ny fahatokianaré, zay managna valisoa maventy. 36 Fô anaré de mila faharetagna, mbô hahazoanaré zay nampanatinain'Anndriamanitra, kôfa nagnano ny sitrapony anaré. 37 Fô tsy ho ela akory, lay araiky zay ho avy de ho avy tokoà ary tsy ho tara. 38 Ny ôloko marigna de hivelogna amin'ny finoagna. Kôfa mihemotra izy, Zaho de tsy ho faly aminy.'' 39 Fô atsika de tsy agnisan'iré zay mihemotra ho amin'ny faharavagna. Fô ndraiky, atsika de agnisan'iré zay managna finoagna ho amin'ny fihazonagna ny fagnahintsika.