Toko faha 3 5

6 Fa reo fokonolon'Israely la nandeha efapolo tao tagny agnefitsy mandraoahafaty ro fokonolo iaby, zay he, gny lelahy mpialy iaby ze niboky an'i Egypta, la maty, satria tsy nakato gny feon'i Yaveh ndreo. Nitanga tamindreo Yaveh fa tsy hagnenga andreo hahzery gny tany nitagnenany tamigny razambendreo fa homeny andreo, la tagny tondra-drano voho tately. 7 Gny gnanakindreo ro natsangan'i Yaveh teo amigny toeran-dreo ze namoran'i Josoa, satria tsy voatapaky tandala tegny ndreo. 13 Lafa teo agnilan'i Jeriko i Josoa, la nanandratsy gny fizeriny sady nagnety, sady io, nisy lelahy raiky nitsanga teo agnatrehany; natsokiny gny mesany sady tatagnany egny zay. Nagnagnaminy eo i Josoa sady nisra he: ''Mitahia anay hanao sa itahy gny arahambanay?'' 14 Hoy i: ''Aha. Satria mpibeko gny tafik'i Yaveh iaho. Avy iaho hinany zao.'' Sady Josoa nekohiky tamigny tany mba hanompo sady nisara tagnaminy he: ''Ino ro sarain'ny tompoko amigny mpanopony?'' 15 Gny mpibeko gny tafik'i Yaveh nisara tamin'i Josoa he: ''Alao amigny tombokinao gny hananao, satria gny toera ze itsangananao la masy.'' La zay ro nataon'i Josoa.