Toko faha 3 1

5 Mifohaza, hanareo riano mamolava, lady la mitagnia !Midradradradrà, hanareo mpino divay iaby, satria gny divay mamy la nalà gn'aminareo teo. 6 Fa firene raiky niakasy gny tamy gny tanà teo, mahery la jery gn'isa. Gny nifiny la nifiny gny liona, sady la mana gny nifiny gny liona vaviny i. 7 Nataony tanà mampatahosy gny tanim-boaloboky voho gny hazo fihamiko nitinapakiny. Nombotany gny hodi-kazony voho zay gny nariany; avy la lò gny sapany reo. 11 Salary, hanareo mpità angady, voho midradradradrà, hanareo mpamboly vôloboky riano,nony gny vary hambo voho gny vary hordea. Fa gny vokasiny ny gny baibo la totosy. 12 Nalazo gny vôloboky sady maiky gny hazony gny fihamy reo, gn'apongabedagnisy reo, gny hazo palma avao koa, reksy gny hazony gny pôma-- nalazo aby faraky ze hazo t'ambaibo tagny. Fa nalazo gn'aravoany gn'anaky gn'olombelo. 13 misikina siky fisaoa sady la ao hisao, hanareo mpisoro! Mitatatatà, hanareo mpanompony gn'alitara. Magnatogna, indeso matory amy gny hariva egny manotolo gny siky fisaoa, hanareo mpanompon 'Agnahariko. Fa gny henga voa reksy gny henga hinomy la fa nitana atragnon'Agnaharinareo ao. 14 Mangataha fifalian-kany masy, voho mangataha fengona masy. Avorio gny lonaky reo reksy gny fokonolo amy gny tanàn'i Yaveh Zagnaharinareo, sady la mitagnia am'i Yaveh. 15 Io rolahy gn'andro! Fa gn'andron'i Yaveh la marikisy. Ho avy mindray amizay gny fandripaha baka amy gny Tsitoha egny. 16 Tsy nala tampijerinsika eo andra gny hany, voho gny afalia reksy haravoa tamy gny tragnony gny Zagnaharisika eo? 17 Reo voa la lo ambaniny gny trongo horakiny reo, tsy hita gny mpamasy reo, sady potiky gny sompitry reo, satria nalazo gny vary reo.